---/... Hiatrika ny fanadinam-panjakana farany, dia ny bakalorea ireo tanora maherin’ny 2 hetsy manomboka amin’ny heriny anio. Efa nahavita ny azy ny zandry zanaka nanala ny fanadinana CEPE, sy ny BEPC ka tapitrany ny herinandro lasa teo. Amin’ny an-kapobeny nizotra am-pilaminana ireo fanadinam-panjakana roa ireo, na teo aza, an-daniny, ny horohoro sy tebiteby niainan’ireo tanora sy ny Ray aman-dReny, manoloana ny halatra sy vono olona nitranga tao Antananarivo sy manodidina tamin’iny herinandro iny...

Md Joany 13, 35 : izao no hafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia. Ilay fiaraha-monina misy antsika io no hiainantsika ny fitiavana. Fiaraha-monina mirindra sy milamina. Hoy Papa Léon XIV : ny fitiavan'i Kristy dia miseho amin'ny fitiavana ny mahantra, izay hita amin'ny alalan'ny fikarakarana ny marary... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

Manoloana ny tranga misy ankehitriny dia miroaroa saina ny vahoaka ka ilaina ny vavaka ho fanalana ozona eto amin'ny firenena ; voahitsaka ny zo aman-kasin'ny olona sy ny fokonolona. Tokony hazava tsara ny fivezivezen'ny olona amin'ny alalan'ny fampiharana ny jado (couvre feu), indrindra manoloana izao fanakorontanana ny firenena amin'ny hala-jaza sy ny fakana ankeriny. Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindrafo ny aiko, hazavao aho anio, hambeno ary tahio, ary zakao, Amen! ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Tena tsy azo atao tsirambina ny fisian'ny Fanahy Masina ; ary hanaraka azy an-kafanam-po. Noho izany dia tsy ho vitan'ny sain'olombelona no hoe handeha hifandray, handeha hiresaka, handeha hifanakako hevitra raha tsy eo ny Fanahy Masina. Toa an'ireo Apôstôly sy mpianatra maro tamin'ny andro nidinan'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...