♦ Mihena hatrany ny herin'i Alvaro, izay efa tsy voasokajy ho rivo-doza intsony fa lasa andro ratsy. Manohy ny diany miatsinanana hatrany izy, amin'ny hafainganam-pandeha 20km/ora... ♦ Mbola tena tsy hilamina ny fifanolanana pôlitika nisy nandritra ny fifidianana teo amin'ity taona 2024 ity, hoy ny antoko MFM. Hanampy trotraka izany ny fiakaran'ny vidim-piainana ka ahiana hiteraka olana ara-pôlitika... ♦ Voafonja 9.757 amin'ireo 16.766 manerana ny nosy no hahazo fanalefahan-tsazy noho izao taona vaovao 2024 izao. Miisa 2.766 ireo hahazo izany ka afaka hivoaka ny fonja avy hatrany... ♦ Tafakatra 30 farafahakeliny ireo namoy ny ainy, vokatr'ilay horohoron-tany nitranga tany Japon...
♦ Niditra an-tanety alina ilay rivo-doza Alvaro. Tany amin'ny Distrikan'i Ikalamavony no nisy ny foibeny ny maraina teo. Nihena ny heriny araka ny filazàna manokana avy amin'ny Météo Madagascar... ♦ Taona 2024, taona miavaka noho ny fananany andro 366. 10 farafahakeliny eo ireo andro hitsaharana kely amin'ny asa andavanandro... ♦ Tetik'asa maro no nampanantenain'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hotanterahina amin'ity taona ity, tamin'ny kabary firariantsoa noho ny taom-baovao. Haodina eto an-toerana ireo vokatra ilain'ny vahoaka, hoy izy, hanarenana ny lafiny toe-karena... ♦ Nisehoana horohorontany nisesisesy omaly tolak'andro tany avaratra atsinanan'i Japon, nahatratra 7,5 Richter ny heriny...
Firarian-tsoa sy hafatra avy amin'i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, noho ny Taona Vaovao 2024.
Fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany. Ny vakiteny voaloha sy ny faharoa amin'ity alahady ity dia mitantara ny fiainam-pinoana nananan'i Abrahama sy Sarah vadiny ary ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'izy ireo, mpivady efa samy antitra anefa dia nino ny Tenin'ny Tompo ka dia lasa fianakaviambe. Raha ny fiainam-pianakavina no tomombana tsara dia handroso ny fiaraha-monina. Ny Evanjely dia maneho ny fanarahan'i Md Joseph sy Masina Maria ny lalàna momba ny finoana sy ny lalam-panjakàna, ary io no endriky ny Fianakaviana Masina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco