♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny fomba fiasan'ny fandintseranana malagasy, ny Governemanta Amerikana, amin'ny alalan'ny USAID... ♦ Manatevina ny isan'ireo teknisianina misehatra amin'ny ala, ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mpiofana 30 no noraisina teny amin'ny Soanala Ambatobe, androany... ♦ Mitohy ao amin'ny kaominina miisa telo, any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro, ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena, ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetikasa dingana faha-2 nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...

♦ Manahy ny "cellule diovy i Madagasikara" fa tsy hanam-bola hikarakaràna ny fifidianana amin'ny 29 mey ny Fanjakàna. Mety miandry famatsiam-bola ny fitondràna vao hamoaka ireo fari-pifidianana sy ny isan'ireo solombavambahoaka hofidiana hoy izy ireo... ♦ Nivoaka ny lisitr'ireo mpikambana vaovao eo anivon'ny Filan-kevitra ambony miaro ny Demôkrasia sy ny tany tan-dalàna na ny HCDDED. Miisa 8 ireo mpikambana ao, araka ny didim-panjakàna mitondra ny datin'ny 6 marsa lasa teo... ♦ Mpibata entana aman-jatony eo anivon'ny seranan-tsabon'ni Toamasina no ahiana hiala maina, fa tsy handray fisotron-dronono. Nandefa taratasy fitakiana momba izany any amin'ny tale jeneraly vaovaon'ny CNaPs ny Randrana Sendikaly...

♦ Tsy voahaja ny voalazan'ny lalàna ny amin'ny tsy mbola namoahana ny didim-panjakàna mamaritra ny isan'ireo solombavambahoaka sy ny fari-pifidianana, manoloana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey, hoy ny Sampana Fanaraha-maso Safidy... ♦ Nampahafantarina omaly ireo kandidà 20 andiany voalohany avy amin'ny antoko TIM; hirotsaka anatin'ny Vovonana Firaisan-kina, amin'ny fifidianana solombavambahoaka. Nisy ny fifandeferana tamin'ny fisafidianana ireo kandidà, hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Manomboka miha-maro ireo mankalaza ny taom-baovao  Malagasy. Mahavelombolo ny zava-misy satria efa manomboka manome lanja ny kolontsainy ny Malagasy hoy ireo mpandala ny fomban-drazana...

♦ Maro ireo hetsika nankalazana ny Taom-baovao Malagasy, na dia andro fiasana aza ny androany... ♦ Misy amin'ireo Solombavam-bahoaka TIM am-perinasa ankehitriny, no tsy tafiditra ho kandidà atolotry ny Firaisankina... ♦ Mitana ny laharana faha-14 amin'ireo firenena maneran-tany, izay ahitana zazavavy miroso amin'ny fanambadiana mialoha ny faha-18 taonany, i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...