Vakiteny voalohany

Bokin’i Nehemia (Nehem. 8, 1-4a. 5-6. 7b-12)

Nosokafan’i Esdrasa ny Bokin’ny lalàna, dia nitso-drano ny vahoaka izy, ary ny vahoaka rehetra kosa namaly hoe: Amen! Amen!

Nony tonga ny volana fahafito,
ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely,
dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra,
teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano.
Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna,
mba hitondra ny Bokin’ny lalàn’i Môizy,
izay nandidian’ny Tompo an’i Israely.
Ka nentin’i Esdrasa mpisorona ny lalàna,
ho eo anatrehan’ny fiangonana,
dia ny lehilahy sy vehivavy mbamin’izay rehetra manan-tsaina hahafantatra azy;
andro voalohan’ny volana fahafito tamin’izay.
Novakìny teo anatrehan’ny lehilahy sy vehivavy
mbamin’izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny Boky,
teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano,
hatramin’ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro,
ary nampandry sofina nihaino ny Bokin’ny lalàna avokoa ny vahoaka.
Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany,
no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna.
Dia nosokafan’i Esdrasa teo imason’ny vahoaka rehetra ny Boky,
fa tafasondrotra ambonin’ny vahoaka rehetra izy,
ary rahefa nosokafany, dia nitsangana ny vahoaka rehetra.
Nisaotra ny Tompo Andriamanitra lehibe i Esdrasa,
dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe:

“Amen! Amen!”

Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.
Ka samy nijanona teo amin’ny fitoerany ny olona.

Novakìny mazava ny Boky,
dia ny lalàn’Andriamanitra, novoasany koa ny heviny;
ka azo tsara ny teny novakìna.
Ary i Nehemia, governora, i Esdrasa, mbamin’ny levita,
nampianatra ny vahoaka,
niteny tamin’ny vahoaka rehetra, nanao hoe:

“Andro masina ho an’ny Tompo Andriamanitrareo itý
ka aza asiana fisaonana na ranomaso.”

Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin’ny lalàna.
Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo:

“Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy,
ary anatero anjara izay tsy nahavoatra,
fa masina itý andro itý ho an’ny Tompontsika;
ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’ny Tompo no herinareo.”

Ny levita koa nampionona ny vahoaka rehetra nanao hoe:

“Mangina ianareo fa masina itý andro itý ka aza malahelo.”

Dia samy nandeha nihinana sy hisotro
ary hampitondra anjara ho an’ny sasany ny vahoaka rehetra,
ka nanao fifaliana lehibe.
Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.

Mahatehaniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny toho-tantely mitsonika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)

Ho amin’ny zanaky ny fiadanana ny fiadanana lazainareo.

Tamin’izany andro izany,
dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo
ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy,
any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay halehany.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mangataha amin’ny tompom-bokatra
mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
Mandehana;
indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia.
Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro,
ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe:

‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’;

ka raha misy zanaky ny fiadanana ao,
dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo;
fa raha tsy misy kosa,
dia hiverina aminareo ihany izany.
Ary mitoera amin’izany trano izany,
ka mihinàna sy misotroa izay misy ao,
fa mendrika ny karamany ny mpiasa.
Aza mifindrafindra trano.
Ary amin’izay tanàna idiranareo,
raha mandray anareo ny olona,
dia hano izay atolony anareo;
ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe:

‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’

Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa
nefa tsy mandray anareo ny olona,
dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe:

‘Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza
dia ahintsanay hiampanga anareo;
fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’

Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay,
dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma
noho ny ho amin’izany tanàna izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tontosa ny alahady 1 ôktôbra 2023 ny fametrahana araka ny fomban’ny Eglizy an’i Mgr Gustavo Bombini Espino, Arsevekan’ny Toliara… ♦ Niatrika ny famaranana ny Sinaody Diôsezanina andiany faha-2, ny 21 ka hatramin’ny 24 septambra 2023 ny Diosezin’i Moramanga… ♦ Ilaina ny fahatsoram-po sy ny fahamarinan’ny tsirairay, hoy ny fampianaran’i Papa François tamin’ny Angélus nataony omaly…

♦ Fo mirehidrehitra anaty; tongotra am-pandehanana; io no hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiôna, ny taona 2023... ♦ Notendrena tamin'ny talata 26 septambra 2023, ny Vikera Jeneraly ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niompana tanteraka tamin'ny fitsidihana apôstôlika faha-44 nataony tany Marseille, ny fampianaran'ny Papa François, ny alarobia lasa teo...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Nehemia (Nehem. 2, 1-8)

Raha mba nahita fitia teo anatrehan’ny Mpanjaka aho dia mba alefaso any an-tanindrazako hanamboarako azy.

Tamin’ny volana Nisàna,
taona faharoapolo nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka,
raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay,
dia noraisiko izaho Nehemia ny divay ka natolotro ny mpanjaka,
ary nitandrina aho mba tsy halahelo teo anatrehany.
Ka hoy ny mpanjaka tamiko:

“Nahoana itý ianao no malahelo tarehy,
kanefa tsy marary tsinona?
Tsy inona izao, fa alahelon’ny fo mihitsy!”

Nivadi-po terý aho, ka namaly ny mpanjaka hoe:

“Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka!
Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy,
kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava
ary ny vavahadiny levon’ny afo?”

Dia hoy ny mpanjaka tamiko:

“Inona no tianao hangatahina amiko?”

Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho,
dia namaly ny mpanjaka hoe:

“Raha sitraky ny mpanjaka
ka mba nahita fitia eo imasony koa itý mpanompony
dia alefaso aho ho any Jodà,
any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako
mba hanamboarako azy indray.”

Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay,
ary hoy ny mpanjaka tamiko:

“Haharitra ohatrinona ny dianao,
ary rahoviana no hiverina ianao?”

Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy,
ka nilaza fetr’andro taminy aho.
Ary hoy koa aho tamin’ny mpanjaka:

“Raha sitraky ny mpanjaka,
aoka homena taratasy aho,
ho an’ny governora any an-dafin’ny ony,
mba hamelany ahy handeha,
mandra-pahatongako any Jodà,
ary taratasy anankiray koa
ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka,
mba hanomezany hazo ahy, hanaovana sakamandimby
hatao amin’ny varavaran’ny trano mimanda manoloana ny tempoly
sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna,
mbamin’ny trano hihatahako.”

Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany,
fa nomba ahy ny tanana manambin’Andriamanitro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6

Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiahy anao aho!

Teo amoron’ny onin’i Babela,
nitorovoka izahay, nitomany mafy nahatsiahy an’i Siôna!
Ny lokanganay nahantonay
tamin’ny hazomalahelo izay teny.

Dia avy ny mpamabo
nangataka hira,
ny mpifaoka anay nangata-pifaliana:
“Ihirao hiran’i Siôna hoe izahay!”

Fa dia hataonay ahoana
no fihira ny hiran’ny Tompo atý an-tanin’olona?
Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako.

Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)

Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao.

Tamin’izany andro izany,
raha mbola teny an-dalana ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany,
dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:

“Hanaraka Anao aho,
na aiza na aiza halehanao.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Ny amboadia manan-davaka,
ary ny voromanidina manana akany;
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”

Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa:

“Manaraha ahy.”

Dia izao no navalin’io:

“Aoka aloha, Tompoko,
handevina ny raiko aho.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy,
fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe:

“Hanaraka Anao aho, Tompoko,
fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Rahefa mety ho mpitana angadin’omby miherika,
dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...