Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 5, 1-7)
Andeha hihira ho an’ny malalako aho,
ilay hiran’ny malalako,
ny amin’ny tanimboalobony.
Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka,
teo amin’ny tanety mahavokatra.
Ka nasainy ny tany, noesoriny ny vato taminy;
ary namboly karazam-boaloboka teo izy.
Nanorina tilikambo teo afovoany izy,
ary nandavaka famiazam-boaloboka koa.
Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy,
kanjo divay marikivy no vokany.
Ary izao kosa,
ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà,
masìna ianareo,
tsarao aho sy ny tanimboaloboko!
Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko,
ka tsy nataoko taminy?
Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany,
kanjo tsy mamoa afa-tsy divay marikivy izy?
Koa ankehitriny haposako aminareo,
izay hataoko amin’ny tanimboaloboko:
hongotako ny fefiny, dia horaotina izy;
harodako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy.
Hataoko tany foana izy;
ka tsy hohetezana na hasaina intsony;
fa hanirian’ny hery aman-tsilo;
ary handidy ny rahona aho,
tsy handatsaka orana aminy intsony.
Fa ny taranak’i Israely,
no tanimboaloboky ny Tompon’ny tafika,
ary ny olona any Jodà no voly nolalainy;
hitsiny no nantenainy taminy,
kanjo ra latsaka no niseho;
ny fahamarinana no nantenainy,
kanjo fitarainam-pahoriana no hita.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 79, 9 sy 12. 13-14. 15-16. 19-20
Nongotanao tany Ejipta ilay voaloboka,
noroahinao ireo firenena hambolena azy;
ny sampany tonga hatrany an-driaka,
ny sakeliny hatramin’ilay Ony.
Koa ahoana no dia nobangainao ny fefiny?
Indreo ny mpandalo tonga mioty,
ny lamboala mitrongy,
ny bibidia miraotra.
Ry Andriamanitry ny tafika ô,
miverena, mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka
karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Izahay tsy handao Anao intsony,
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Ry Tompon’ny tafika, ampodio izahay:
ny Tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 6-9)
Ry kristianina havana,
aza manahy na inona na inona,
fa ambarao an’Andriamanitra,
amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana,
izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie
ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Farany, ry kristianina havana,
na inona na inona marina,
na inona na inona manan-kaja,
na inona na inona rariny,
na inona na inona madio,
na inona na inona mahatehotia,
na inona tsara laza,
rehefa mety ho hatsaram-panahy,
sy rehefa mety ho misy dera koa,
dia aoka hoheverinareo izany.
Araho avokoa izay efa nianaranareo,
sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko,
dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona
sy ny loholona nanao hoe:
“Mihainoa fanoharana hafa koa:
Nisy lehilahy tompon-trano anankiray namboly voaloboka;
namefy azy manodidina izy,
sy nandavaka tany hanaovana famiazana teo,
ary nanao tilikambo;
dia nahofany tamin’ny mpiasa izany,
ka lasa nandeha lavitra izy.Nony tonga ny taom-pahavokarana,
dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahiny,
handray ny vokatry ny tanimboalobony;
fa nosamborin’ireo mpiasa ny ankizy lahiny,
ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny,
ary ny anankiray notorahany vato.
Dia naniraka ankizilahy maromaro kokoa noho ny taloha indray izy,
fa nataony toraka izany ihany koa.
Nony farany dia ny zanany lahy no nirahiny ho any aminy,
fa hoy izy:‘Hanaja ny zanako izy ireo’.
Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy
dia nifampilaza izy ireo hoe:‘Inty ny mpandova; andeha hovonointsika ity,
dia ho lasantsika ny lovany’.Dia nosamboriny izy
ka nentiny tany ivelan’ny tanimboaloboka
ary novonoiny.Koa rehefa tonga ilay tompon’ny tanimboaloboka,
hataony ahoana moa izany mpiasa izany?”
Dia hoy ireo taminy:
“Haringany tsy hananany antra akory
izany mpiasa ratsy fanahy izany,
ary ny tanimboalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa,
izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany”.
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Tsy mba novakìnareo va ny Soratra Masina hoe:
‘Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro;
avy tamin’ny Tompo izany,
ka mahagaga eo imasontsika?’Noho izany, dia lazaiko aminareo,
fa hoesorina aminareo ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka hafindra amin’ny firenena hampahavokatra azy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Raha tsara ny vokatry ny safidinao dia tombony ho anao izay, raha ratsy koa dia mbola mifototra aminao ihany koa ; noho izany dia ny safidinao no mamaritra ny ho avin'ny ferenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Bokin’i Barôka (Bar. 4, 5-22. 27-29)
Matokia, ry oloko, fahatsiarovana an’i Israely ô!
Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena, tsy mba ny haringana;
fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra,
no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory.
Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo,
tamin’ny nanoloranareo sorona tamin’ny demony,
fa tsy tamin’Andriamanitra.
Nanadino an’Ilay namelona anareo ianareo, dia Andriamanitra mandrakizay,
ary nampalahelo an’ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema;
fa hitany miantefa aminareo ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe:
“Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna,
fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho.
Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy;
sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo.
Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo,
fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha.
Aza dia misy mifaly e,
saingy mahita ahy mpitondra-tena sy nilaozan’ny maro be!
Efa lao aho noho ny fahotan’ireo zanako,
satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra.Matokia, anaka, miantsoa ny Tompo,
fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo.
Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an’Andriamanitra
no hikatsahanareo Azy amin-kafanam-po impolo heny
rehefa tafaverina aminy ianareo.
Satria Ilay nahatonga loza taminareo,
dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa amin’ny famonjeny anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 68, 33-35. 36-37
Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Hidera Azy anie ny tany sy ny lanitra,
ny ranomasina sy izay mihelotrelotra ao!
Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna
sy hanangana ny tanànan’i Jodà:
ka hisy mponina indray ao,
izay hivolon-tompony tokoa!
Ny taranaky ny mpanompony no handova;
izay tia ny Anarany no honina ao!
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Tamin’izany andro izany,
dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe:
“Tompo ô,
na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka
mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo
ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo,
fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray,
na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy.”
Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe:
“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;
fa lazaiko aminareo
fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo,
fa tsy nahita,
ary handre izay renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Baròka (Bar. 1, 15-22)
An’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana,
antsika kosa ny henatra amin’ny tava, araka izao hita anio izao,
ho an’ny lehilahy rehetra any Jodà, sy ny mponina any Jerosalema,
ho an’ny mpanjakantsika sy ny mpifehy,
ho an’ny mpisorontsika mbamin’ny mpaminany,
sy ho an’ny razantsika.
Nanota teo anatrehan’ny Tompo isika ary tsy nanaiky Azy.
Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika,
tsy nanaraka ny didin’ny Tompo, izay navoakany teo anatrehantsika.
Hatramin’ny andro nitondran’ny Tompo ny razantsika
hiala tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka ankehitriny,
dia tsy nety hoentin’ny Tompo Andriamanitsika isika,
sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony.
Koa araka izay hita anio izao,
dia zoin-doza lehibe isika sy azon’izay ozona notononin’ny Tompo,
tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony
izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta,
mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely.
Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika,
araka ny teny rehetra nataon’ireo mpaminany,
izay nirahiny nankatý amintsika.
Dia nandeha isika,
samy nanaraka ny fitongilanan’ny fony ratsy avy,
mba hanompo andriamani-kafa,
sy hanao ny ratsy eo imason’ny Tompo Andriamanitsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 78, 1-2. 3-5. 8-9
Andriamanitra ô, tongan’ireo firenena ny Lovanao!
Nolotoiny ny Tempolinao Masina! Ary Jerosalema nataony korontam-bato!
Ny fatin’ny mpanomponao nomeny ho sakafon’ny voro-manidina,
ny nofon’ny mpivavaka aminao, natsipiny ho an’ny bibidia!
Ny rany nataony mandriaka toy ny rano manodidina an’i Jerosalema!
Ary tsy misy mandevina!...
Zary faneson’ny mpifanila aminay izahay,
sy fanakora sy fandatsan’ireo manodidina!
Mandra-pahoviana, ry Tompo, no hahaviniranao,
sy hiredaredan’ny hasaro-piaronao?
Aza dia tsarovana hamelezana anay
ireo helokay fahiny;
ny indrafonao atsena anay faingana,
fa reraka loatra izahay!
Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy,
noho ny voninahitrao!
Afaho izahay, araka ny otanay
noho ny Anaranao!
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 13-16)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe:
“Loza ho anao, ry Kôrôzaïna,
loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo,
dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona.
Noho izany, amin’ny andro fitsarana
dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidôna noho ny aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra
dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao.
Izay mihaino anareo mihaino Ahy,
ary izay manamavo anareo manamavo Ahy;
izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco