♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, nilaza fa vonona indray handray ny fitantanana ny firenena, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana... ♦ Manentana hatrany ny hitondrana am-bavaka ny firenena ny FFKM, ary nilaza fa mbola vonona hatrany hanohy ny fitadiavam-bahaolana... ♦ Tsy hanao fampielezan-kevitra ny vondron'ny kandidà raha tsy misy mivaly ny fitakiany ka nidina an-dalam-be indray omaly. Nanentana ny vahokan'Antsiranana hiaina hatrany ny fitiavana kosa ny kandidà laharana fahatelo Andry Rajoelina omaly... ♦ Misy fiatraikany amin'ny fahasalamana ara-tsain'ny mponina manodidina ny 1 tapitrisa any Ukraine ny ady iainan'izy ireo hoy ny OMS...
Tsy ny vehivavy ihany no mety ho tratra ny "homamiadan'ny nono" fa misy ihany koa ny lehilahy saingy vitsy anisa. Ny fitsirihana sy ny fitilina no tena afahana mamaritra ny fahazoana io aretina io. Ny homamiadana dia fitomboan'ny isa sy habe tsy araka ny tokony ho izy ny sela ao anatin'ny vatan'ny olona iray. Famantarana fa mety ho voan'ny kanseran'ny nono: fiovana eo amin`ny haben`ny na ny endriky ny nono; ny fisehon'ny "dimples" na miforitra amin'ny hoditry ny nono; nitombo ny mena, ny fivontosana, na ny hafanana amin'ny nono iray; mangidihidy maharitra; nono mivadika, izany hoe mivadika ao anaty...
Mitarika fibebahana ny fandraisan'ny rehetra anjara amin'ny fampiasana ny soa iombonana, manova ny lalam-pitondran-tenan'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo. Miady ary mamongotra hatramin'ny fakany ny fitaka sy ny hafetsifetsena izay fahavalon'ny fiaraha-monina sy ny soa iombonana noho izy ireny tsy mifanaraka amin'ny rariny. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
11 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ampy roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco