♦ Mbola vonona hanohy ny fampihaonana hitadiavana vahaolana amin'ny krizy misy eto amin'ny firenena ny FFKM. Mandalo kihon-dàlana sarotra sy manahirana, hoy ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy, i Madagasikara... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, milaza ny fahavononany indray handray ny fitantanana ny firenena, ny Filohan'ny Antenimeran--doholona, Herimanana Razafimahefa... ♦ Tsy nanao fampielezan-kevitra, fa nanohy ny fidinana an-dalambe teto an-drenivohitra, ny vondron'ireo kandidà...

♦ Lainga ny voalazan'ny filohan'ny Antenimieran-doholona, hoy ny fanambarana ny governemanta ifarimbonana, ka manameloka izany amin'ny heriny manontolo izy ireo...  ♦ Ho an'Antananarivo manokana, navoakan'ny teo anivon'ny prefektioran'Antananarivony lisitry ny toerana afahana manao ny fampielezan-kevitra, ka tsy ao anatin'ny afahana manao izany ny eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey... ♦ Tsy handray anjara amin'ny fampielezan-kevitra ny vondron'ny kandidà raha tsy mivaly ny fitakian'izy ireo. Fotoam-bavaka teny Mahatazana teny amin'ny Akamasoa no nanombohan'ny kandidà laharana fahatelo ny fampielezan-kevitra androany maraina...

Ny fanagasiana dia tsy tamin'ny taona 1972 no niaingany fa efa taona maro talohan'izay ; ara-tantara dia tamin'ny taon-jato faha-XIV, noho ny fifandraisana marolafy nisy sy tsy maintsy natao toy ny varotra sy ny asa fivelomana nifototra tamin'ny fihazana hazandrano. Ireo teny nifandraisana tamin'ireo vahiny maro nifanerasera tamintsika Malagasy dia maro no nampiarana ny fanagasiana eo ny teny Sanskrit, Bantous, Swahili, Anglisy sy Frantsay. Araka ny lalan-tsaina noentin'ny Mpanoratra, Mpampianatra, Akademisianina. Andriamalala Emilson Daniel Tsiferana dia misy lafiny telo no afahana mihatrika ny fanagasiana dia ny ara-toe-tsaina, ara-pampianarana, ary farany ara-toe-karena...

♦Nilaza indray ny filohan'ny Antenimieran-doholona Razafimahefa Herimanana fa norahonana ho faty izy sy ny fianakaviany mba handà ny andraikitra, maha-filoha mpisolo toerana azy... ♦ Fanehoan-kevitry ny filohan'ny antenimieran-doholona samirery fa tsy an'ny loholona rehetra ny nambaran'Andriamatoa Razafimahefa Herimanana tamin'ny alahady teo hoy ireo loholona 14 omaly hariva... ♦ Hanomboka anio ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena, ka tsy hifarana raha tsy amin'ny sabotsy 7 novambra 2023 amin'ny misasakalina...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...