Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 2b-5. 8b-10)
Ry kristianina havana,
misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay,
sady manonona anareo amin’ny fivavahanay,
ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo,
sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo,
ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;
fa fantatray, ry havana malalan’Andriamanitra, fa olom-boafidy ianareo,
satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin’ny teny ihany,
fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fampiekena tanteraka;
sady fantatrareo koa izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atý aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra, izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay manafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
fankalazana am-bava an’Andriamanitra,
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe:
“Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy
fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra;
ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety
mba hahazo mpianatra na dia iray aza;
ka nony mahazo ianareo,
dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.
Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe:‘Raha misy mianiana amin’ny tempoly,
dia tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny tempoly,
dia voafehy izy.’Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena?
Ary koa:‘Raha misy mianiana amin’ny ôtely,
tsy mampaninona izany;
fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny,
dia voafehy izy.’Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa,
ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?
Koa amin’izany izay mianiana amin’ny ôtely,
dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny;
izay rehetra mianiana amin’ny tempoly,
dia mianiana aminy sy amin’Ilay mitoetra ao anatiny;
ary izay mianiana amin’ny lanitra,
dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra,
sy amin’izay mipetraka eo amboniny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 22, 19-23)
Izao no lazain’ny Tompo an’i Sôbnà, lehiben’ny ao an-dapa:
“Horoahiko hiala eo amin’ny fitoeranao ianao,
haongan’ny Tompo amin’ny raharahanao ianao”.
Ary izao no hitranga amin’izany andro izany:
Hiantso ny mpanompoko Aho,
dia i Eliasima zanak’i Helkiasa,
ka hampiakanjoiko azy ny akanjo vitanao,
hampanaoviko azy ny samboadinao;
hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao;
dia ho tonga ray izy amin’ny mponina ao Jerosalema,
sy amin’ny taranak’i Jodà.
Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida,
ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina;
handrindrina izy, tsy hisy hamoha.
Hatsatoko toy ny fantsika amin’ny toerana mafy izy,
ka hanjary sezam-boninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 137, 1. 3. 6 sy 8bd
Midera Anao amin’ny foko tontolo aho,
satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako;
miantsa Anao eo anatrehan’ny Anjely aho,
miankohoka mitodika ny Tempolinao.
Midera ny Anaranao masina aho, ry Tompo,
noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao:
nasehonao ho lehibe ny Anaranao,
sy ho ambonin’ny voaary rehetra ny teninao.
Rehefa miantso aho, Ianao mamaly
sy mampitombo ny hery ato amiko.
Avo ny Tompo ka miondrika amin’ny iva,
ny mpiavona kosa ataony tazan-davitra.
Mandrakizay ny fitiavanao, ry Tompo:
aza atsahatra ny efa ataon’ny tananao.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 33-36)
Ry kristianina havana,
endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra,
tsy azo fantarina ny fitsarany, ary tsy takatry ny saina ny lalany!
Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo,
ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?
Sa iza no nanome azy aloha, mba hahazoany valin’izany?
Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra.
Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-20)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany hoe:
“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”
Ary hoy ireo taminy:
“Ny sasany manao hoe i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny mpaminany”.
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”
Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:
“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy)
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra”.
Ary tamin’izay,
dia noraràny ny mpianany tsy hilaza amin’ny olona fa Izy no i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Rota (Rota 2, 1-3. 8-11 ; 4, 13-17)
Nanana havam-bady anankiray i Nôemi,
lehilahy manan-jo sy manan-karena,
avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka izy io,
ary Bôôza no anarany.
Ary hoy i Rota ilay Môabita tamin’i Nôemi:
“Mba te-handeha ho any an-tsaha aho
hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.”
Ka hoy izy namaly azy:
“Andeha, anaka.”
Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary
tany amin’ny saha anankiray teo aorian’ny mpijinja,
ary sendra teo amin’ny tanimbarin’i Bôôza,
fianakavian’i Elimeleka indrindra, no nalehany.
Dia hoy i Bôôza tamin’i Rota:
“Izao no izy, anaka:
Aza mandeha mitsimpona any amin’ny tanimbary hafa,
aza miala eto,
fa mijanòna toy izao miaraka amin’ny ankizivaviko.
Jereo izay tanimbary hojinjaina dia manaraha eo aorian’ireo.
Efa nilazako ny mpanompoko mba tsy hikasika anao.
Ary raha mangetaheta ianao,
mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.”
Tamin’izay,
dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin’ny tany,
ka nanao taminy hoe:
“Inona no mba nahitako fitia teo imasonao
ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny?”
Dia hoy ny navalin’i Bôôza azy:
“Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho;
sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao,
ka nankanesanao atý amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.”
Dia nampakarin’i Bôôza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Bôôza.
Ary nampanana anaka an’i Rota ny Tompo ka niteraka zazalahy izy.
Dia hoy ny vehivavy tamin’i Nôemi:
“Hisaorana anie ny Tompo
fa tsy navelany tsy hanam-panavotra ianao ankehitriny.
Hankalazaina anie ny Anarany eo amin’i Israely!
Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao,
fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao
ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.”
Dia noraisin’i Nôemi ny zaza ka nataony teny antrotroany,
ary izy no nitaiza azy.
Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy, ary nanao hoe:
“Nahazo zazalahy i Nôemi”,
ka nataony hoe Obeda ny anarany.
Izy no rain’i Izaia, rain’i Davida.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 127, 1-2. 3. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany.
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao.
Ny zanakao: solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo.
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Tamin’izany andro izany i Jesoa,
niteny tamin’ny vahoaka sy ny mpianany hoe:
“Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy
ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;
ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo,
fa aza maka tahaka ny ataony,
satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.
Fehezin’izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina,
ka atainginy eo an-tsoroky ny olona,
nefa izy tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra
ka dia filakitera lehibebe kokoa
sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.
Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana,
ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagôga,
ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Fa ianareo kosa,
aza mba mety antsoina hoe Raby fa iray ihany ny Mpampianatra anareo,
ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo;
fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra.
Aza mety atao hoe mpampianatra;
fa iray ihany no Mpampianatra anareo, dia i Kristy.
Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo;
fa izay hanandra-tena dia haetry,
ary izay hanetry tena dia hasandratra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fiantombohan’ny Bokin’i Rota (Rota 1, 1. 3-6. 14b-16. 22)
Tamin’ny andron’ny Mpitsara, dia nisy mosary teo amin’ny tany.
Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betleema any Jodà,
nandeha nitoetra tany amin’ny tanin’i Môaba,
niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
Ary maty i Elimeleka vadin’i Nôemi,
ka izy irery sisa sy ny zanany roa lahy.
Naka vady tamin’ny vehivavy Môabita izy ireo,
ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota,
dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo.
Fa maty daholo koa izy roa lahy dia i Mahalôna sy i Seljôna,
ary ravehivavy irery sisa, fa maty ny zanany roa lahy sy ny vadiny.
Dia niainga izy sy ireto vinantony vavy ka niala tany amin’ny tanin’i Môaba,
satria reny tany amin’ny tanin’i Môaba
fa efa novangian’ny Tompo ny vahoakany ka nomeny hanina.
Fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.
Ka hoy i Nôemi:
“Nody ho any amin’ny fireneny sy ny andrianianiny iry ny zaobavinao,
ka mba modia miaraka amin’ny zaobavinao koa.”
Fa hoy i Rota:
“Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao,
fa izay halehanao no halehako,
izay honenanao no honenako,
ny firenenao no ho fireneko,
ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”
Toy izany no nodian’i Nôemi,
ary niaraka taminy i Rota, Môabita, vinantovaviny
izay avy any amin’ny tanin’i Môaba.
Tonga tao Betleema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana ny ôrja.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 145, 5-6. 7. 8-9a. 9bd-10
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba
sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony.
Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny.
Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo tia ny olo-marina,
Tompo mpiaro ny vahiny.
Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena;
fa mampiviona kosa ny olon-dratsy.
Tompo manjaka mandrakizay;
dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin’ny taona mifandimby!
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
Tamin’izany andro izany,
ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra,
ary amin’ny sainao rehetra.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco