Mba ho fanajana ny tena sy ho fanomezana hasina ny hafa dia miezaka hatrany isika hanaja ny hafa, hamela ny hafa haneho, hanorina hanao ny fiainany. Soatoavina fototra roa azo asongadina izay manentana ny olona : hajao ny tenanao, hajao ny hafa ary hekeo amin'ny maha-izy azy ny hafa. Ny fanajana ny tena sy ny hafa ary ny fanomezana hasina ny mahaolona dia manatsara ny fifandraisana sy ny fiombonana. Fandaharana "ampela miary".
Bokin’i Nehemia (Nehem. 8, 1-4a. 5-6. 7b-12)
Nony tonga ny volana fahafito,
ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely,
dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra,
teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano.
Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna,
mba hitondra ny Bokin’ny lalàn’i Môizy,
izay nandidian’ny Tompo an’i Israely.
Ka nentin’i Esdrasa mpisorona ny lalàna,
ho eo anatrehan’ny fiangonana,
dia ny lehilahy sy vehivavy mbamin’izay rehetra manan-tsaina hahafantatra azy;
andro voalohan’ny volana fahafito tamin’izay.
Novakìny teo anatrehan’ny lehilahy sy vehivavy
mbamin’izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny Boky,
teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano,
hatramin’ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro,
ary nampandry sofina nihaino ny Bokin’ny lalàna avokoa ny vahoaka.
Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany,
no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna.
Dia nosokafan’i Esdrasa teo imason’ny vahoaka rehetra ny Boky,
fa tafasondrotra ambonin’ny vahoaka rehetra izy,
ary rahefa nosokafany, dia nitsangana ny vahoaka rehetra.
Nisaotra ny Tompo Andriamanitra lehibe i Esdrasa,
dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe:
“Amen! Amen!”
Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.
Ka samy nijanona teo amin’ny fitoerany ny olona.
Novakìny mazava ny Boky,
dia ny lalàn’Andriamanitra, novoasany koa ny heviny;
ka azo tsara ny teny novakìna.
Ary i Nehemia, governora, i Esdrasa, mbamin’ny levita,
nampianatra ny vahoaka,
niteny tamin’ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
“Andro masina ho an’ny Tompo Andriamanitrareo itý
ka aza asiana fisaonana na ranomaso.”
Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin’ny lalàna.
Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo:
“Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy,
ary anatero anjara izay tsy nahavoatra,
fa masina itý andro itý ho an’ny Tompontsika;
ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’ny Tompo no herinareo.”
Ny levita koa nampionona ny vahoaka rehetra nanao hoe:
“Mangina ianareo fa masina itý andro itý ka aza malahelo.”
Dia samy nandeha nihinana sy hisotro
ary hampitondra anjara ho an’ny sasany ny vahoaka rehetra,
ka nanao fifaliana lehibe.
Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 18, 8. 9. 10. 11
Ny lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.
Mahatehaniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny toho-tantely mitsonika.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo
ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy,
any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay halehany.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mangataha amin’ny tompom-bokatra
mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
Mandehana;
indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia.
Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro,
ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana.
Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe:‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’;
ka raha misy zanaky ny fiadanana ao,
dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo;
fa raha tsy misy kosa,
dia hiverina aminareo ihany izany.
Ary mitoera amin’izany trano izany,
ka mihinàna sy misotroa izay misy ao,
fa mendrika ny karamany ny mpiasa.
Aza mifindrafindra trano.
Ary amin’izay tanàna idiranareo,
raha mandray anareo ny olona,
dia hano izay atolony anareo;
ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe:‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’
Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa
nefa tsy mandray anareo ny olona,
dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe:‘Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza
dia ahintsanay hiampanga anareo;
fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay,
dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma
noho ny ho amin’izany tanàna izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Miantso ny fampitsaharana ny fifampiantsiana sy ny fifandranitana miteraka korontana manoloana ny toe-java-misy ara-politika ankehitriny ny avy amin'ny FFKM. Tamin'ny alalan'ny fanambarana omaly no nanehoana izany... ♦ Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny Anosy omaly tolakandro nanaparitahana ny vondron'ny kandidà 11 sy ny mpiara-dia aminy. Tsy hijanona ny tolona hoy izy ireo fa mitohy hatrany... ♦ Namaly ny fanakianana sy ny fitakiana ataon'ny vondron'ny kandidà 11 ny kandidà laharana fahatelo. Tsy ny mpanohitra hoy Andriamatoa Andry Rajoielina no hanala ny fitiavan-tanindrazana sy ny mahamalagasy azy nanoloana ny mpiara-dia aminy teny Ivandry...
Isan'ny singa fototra ilain'ny soa iombonana ihany koa ny fitandrovan'ny Fanjakàna ny zo fototra maha-olona. Tsy maintsy avelan'ny fiaraha-monina ny isam-batan'olona ao aminy hanatanteraka ny fiantsoan'Andriamanitra azy. Ny soa iombonana dia miorina amin'ny fepetra fampiasana ny fahafahana voajanahary : anisan'izany ny zo hanao asa amam-pihetsika araka ny fitsipika mahitsy ny kônsiansy... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco