♦ Mitohy amin'ny fiarahamonim-pirenena indray ny fivoriana mikaton-trano, ataon'ireo ho kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Manamafy ny tokony hikatsahana ny fitoniana eto amin'ny firenena, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy... ♦ Isan'ny laharam-pahamehana ho an'ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon'ny fitsarana ara-bola, ny famoahana didy raikitra amin'ny teny malagasy...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 6-9)

Ny fihevitro tsy fihevitrareo.

Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy.
Miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka, amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo;
dia amin’Andriamanitra, fa mamela malalaka Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo, tsy mba lalako.
— Teny marin’ny Tompo. —
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany,
no haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 144, 2-3. 8-9. 17-18

Eo anilan’izay rehetra miantso Azy ny Tompo.

Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo, ary mendri-dera fatratra;
tsy takatry ny saina ny halehibiazany.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 1, 20d-24. 27a)

I Kristy no velona ato amiko.

Ry kristianina havana,
homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy,
na velona aho na maty.
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako,
ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.
Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho,
dia ho fahavokaran’ny asako izany,
ka tsy hitako izay hofidiko,
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho:
ny handeha ho any amin’i Kristy moa,
iriko sy tsara lavitra;
nefa ny hitoetra amin’ny nofo kosa
no ilaina kokoa noho ny aminareo.
Fa izao ihany e:
manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Sa ratsy ny masonao, satria tsara aho?

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano,
izay nivoaka maraina koa
hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.
Ary rehefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy
fa denie iray avy isan’andro ny karamany,
dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo.
Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo,
dia nahita mpiasa nidonana-poana teny an-kianja;
ka hoy izy taminy:

‘Andeha koa ianareo, mankany amin’ny tanimboaloboko,
fa homeko anareo izay antonony’.

Dia nankany ireo.

Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy,
ka nanao toraka izany koa.
Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo
ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana,
dia hoy izy taminy:

‘Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?’

Fa hoy ireo taminy:

‘Satria tsy nisy nanakarama anay’.

Dia hoy izy taminy:

‘Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko’.

Ary nony hariva ny andro,
dia hoy ilay tompon’ny tanimboloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany:

‘Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany;
aseseo avy aty amin’ny farany,
ka hatrany amin’ny voalohany’.

Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo,
ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Fa nony nanatona kosa ny voalohany,
dia nanantena hahazo bebe kokoa,
kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony.
Teo am-pandraisana izany izy
dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano nanao hoe:

‘Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto,
kanefa nampitovianao aminay
izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro’.

Dia izao no navalin’ny Tompo ny anankiray tamin’izy ireo:

‘Ry sakaiza,
tsy manao zavatra tsy marina aminao aho;
moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko?
Alao ny anao, dia mandehàna,
fa tiako ny manome ilay farany toraka ny anao koa.
Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho?
sa ratsy ny masonao satria tsara aho?’

Dia ho toy izany,
ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hetsika goavana ary saropady ny JNE noho izy mahakasika ankizy tsy ampy taona entina lavitra tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny, noho izany ilaina ny hahafantarana ny ezaka tsara natao sy ny mila hatsaraina hakana lesona mankany amin'ny tsara kokoa hatrany ho an'ny JNE manaraka... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

♦ Mbola hanohana hatrany ny kandidà laharana fahatelo, ny vondron'ny tanora mpitolona tia tanindrazana na ny JPRM. Ilaina ny fanohizana ny dingana sy ezaka efa vita ho fampandrosoana an'i Madagasikara, hoy ity vondrona ity... ♦ Fototry ny olana eto amin'ny firenena ny lalàna, ary hita ny fitanilan'ny HCC, hoy ny Sekretera Jeneralin'ny antoko Fiombonana, Durlin Retogniane... ♦ Hisy ny famokarana fandaharana eto amin'ny RDB, izay hanampy ireo tanora amin'ny sehatry ny fitadiavana na famoronana asa. Tontosa omaly tety Ivato, ny fankan-kevitra niarahana tamin'ireo mpiara-miombona antoka...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...