♦ Hibahan-toerana amin'ny vaovao entina amintsika izao ny akon'ny fanamasinana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hafatra nentin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, mahakasika ny fandaminana amin'ny fisaorana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona sy ny fandraisana ny Arseveka vaovao...
Boky Jenezy (Jen. 21, 5. 8-20)
Efa zato taona i Abrahama tamin’ny nahaterahan’i Isaaka zanany.
Nihalehibe ny zaza dia notàzana.
Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.
Ilay zanak’i Agara Ejipsianina naterany tamin’i Abrahama kosa,
hitan’i Sarà fa nihomehy, ka hoy izy tamin’i Abrahama:
“Roahy io andevovavy io sy ny zanany;
fa ny zanak’io andevovavy io
dia tsy mahazo miray lova amin’ny zanako,
amin’i Isaaka.”
Nampalahelo mafy an’i Abrahama izany teny izany,
noho ny amin’ny zanany.
Fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama:
“Aza atao mampalahelo anao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao,
fa na inona na inona angatahin’i Sarà, ekeo avokoa,
satria avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranaka hitondra ny anaranao.
Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao,
satria terakao izy.”
Dia nifoha maraina koa i Abrahama,
ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray;
nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa,
dia nalefany izy.
Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Nony lany ny rano tamin’ilay siny hoditra,
dia nariany teo am-poto-kazo kely anankiray ny zaza;
ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny
sahabo ho tra-tsipìka; fa hoy izy:
“Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan’ny zaza.”
Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany.
Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza,
ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra
dia niantso an’i Agara nanao hoe:
“Fa maninona izato ianao, ry Agara?
Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza,
ao amin’ny toerana misy azy.
Mitsangàna ianao, areno ny zaza, ka tantano izy;
fa hataoko firenena lehibe izy.”
Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Agara,
nahita lavaka fantsakana izy,
ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra,
dia nampisotroiny ny zaza.
Nomban’Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe;
ary nonina tany an’efitra izy,
sy tonga mpandefa tsipìka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 7-8. 10-11. 12-13
Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Matahora ny Tompo ianareo masiny:
fa izay matahotra Azy tsy orin’inona.
Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana;
izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa inona.
Avia, rey anaka, mihaino ahy
hampianariko ny tahotra ny Tompo!
Iza no olona mankamamy fiainana
sy maniry hahita andro mahasambatra?
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 28-34)
Tamin’izany andro izany,
nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa,
dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony,
nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy;
masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany.
Ary indreo izy niantso hoe:
“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra?
Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao aty?”
Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny,
ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe:
“Raha dia roahinao hiala eto àry izahay,
mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy.”
Ary hoy Izy taminy:
“Mandehana.”
Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa;
niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra,
ka maty tany anaty rano.
Ary nandositra ny mpiandry azy:
ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany,
sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony.
Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa,
ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Noraisina tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo, tamin'ny alahady 25 jona 2023, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, izay notendren'ny Papa François, ho “Administrateur Apostolique” ao amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Hafatra feno fampaherezana no nentin'ireo ray aman-drenim-piangonana rehetra, nandritra ny fankalazana ny faha-27 taona niorenan'ny Radio Don Bosco, tamin'ny talata 27 jona 2023...
Boky Jenezy (Jen. 19, 15-29)
Tamin’izany andro izany nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe:
“Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto,
fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna.”
Mbola nitaredretra anefa izy,
dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy,
fa tian’ny Tompo ny hiaro azy,
dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.
Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely:
“Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao,
ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka;
mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.”
Hoy i Lôta tamin’izy ireo:
“Tsia, Tompoko,
efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao,
ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao,
tamin’ny namelomanao ny aiko;
nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho,
fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana ka ho faty.
Jereo fa misy tanàna akaiky ialofako itsy, sady tanàna kely foana,
ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io,
dia ho velona aho.”
Dia hoy izy taminy:
“Eny àry,
ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna io.
Fa mandehàna faingana àry handositra ao
fa tsy afa-manao na inona inona aho,
raha tsy efa tonga ao ianao.”
Izany no anaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
Niposaka tamin’ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segôra i Lôta.
Tamin’izay dia nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy afo
avy any amin’ny Tompo any an-danitra,
ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra,
sy ny mponina rehetra teo amin’ny tany.
Niherika ny vadin’i Lôta ka zary andry, sira.
Nifoha marainakoa i Abrahama
dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’ny Tompo.
Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy,
ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka,
ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana Izy,
nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 25, 2-3. 9-10. 11-12
Diniho aho, ry Tompo, tsikilovy;
sedrao ny saiko sy ny foko!
Ny hatsaram-ponao no anoloan’ny masoko;
ny fahamarinanao no izorako.
Aza aharo amin’ny mpanota ny fanahiko,
na amin’ny olon-tia ra ny aiko.
Ny tanany ilany mivimbina sampy;
ny ilany feno kolikoly.
Fa izaho madio fiaina.
Koa avoty, ry Tompo, iantrao!
Fa miara-mamindra amin’ny olo-marina aho,
ary misaotra ny Tompo ao am-piangonana.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany.
Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina,
ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.
Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe:
“Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?”
Dia niarina Izy,
nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe:
“Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco