♦ Kihon-dàlana lehibe atrehan'ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fanatanterahana fifidianana, ka samy manana andraikitra amin'ny fitandroana ny fahalemana ny rehetra, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena... ♦ Hampandany ny kandidà fahatelo, Andry Rajoelina, ny vovonana UPAR, izay vao nijoro sy nampahafantarina androany... ♦ Solontenan'i Madagasikara manatrika ny fihaonana an-tampony ho fampandrosoana ny indostria aty Afrika, atao any New York, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny...
♦ Nosokafana androany ary haharitra 3 andro ao Mahajanga ny fihaonan’ny fikambanana masina hivondronan’ny tokantrano kristianina avy amin’ny Arsidiôsezy Avaratra… ♦ Nifantoka tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ao amin’ny kolontsaina sy ny fampanaraham-bolontany ny Evanjely ny votoatin’ny katesizin’ny Papa François ny alarobia 20 septambra 2023… ♦ Nanomboka androany ny fitsidihana apôstôlika faha-44 ataon’ny Ray Masina any Marseille…
Hifarana amin'ity taona 2023 ity ny fandaharan'asa FORMAPROD. Fitaovana voalohany nafahana nanavao ny Fampiofanana Ara-pambolena sy ny eny Ambanivohitra na ny FAR teo Madagasikara ity fandraharan'asa ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ity. Miabo ny sehatr'asa nataon'ny fandaharan'asa FORMAPROD tao anatin'ny folo taona niasany tato amin'ny Faritra Analamanga hoy ny mpandrindram-pirenena, Rakotonaivo Harilala...
Bokin’i Esdrasa (Esdr. 1, 1-6)
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa,
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo
nolazainy tamin’ny vavan’i Jeremia:
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra,
hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:
“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy
ny fanjakana rehetra eto an-tany,
ary efa nandidy ahy Izy,
hanao trano ho Azy any Jerosalema, any Jodà.
Ka iza aminareo no vahoakany?
Homba azy anie ny Andriamanitr’izy ireo,
ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy,
ka hanao ny tranon’ny Tompo Andriamanitr’i Israely,
dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.
Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany,
na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io,
amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitra-po
hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.”
Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina,
ny mpisorona sy ny levita,
dia izay rehetra namporisihin’Andriamanitra ny fanahiny,
ka lasa nandeha hanao ny tranon’ny Tompo any Jerosalema.
Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy,
tamin’ny fanaka, volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy
ary zavatra saro-bidy,
mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6
Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo,
mova tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay!
Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tamin’izay.
Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay.
Takoritsika re izao nataon’ny firenena:
“Fa mba lalina indray itý nataon’ny Tompo azy ireo!
Eny, lalina ho’aho itý nataon’ny Tompo aminay!
Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay.”
Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo.
Ho toa rano mahery mamaky efitra ireny!
Raha mamafy no sendra tomany sy ranomaso,
mbola hijinja ao anatin’ny hafaliana aoriana.
Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany,
ireo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa!
Mbola hiverina avy any ireo velon-kira,
fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 16-18)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy,
na mametraka azy ao ambany farafara;
fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany,
mba hahitan’izay miditra ny mazava.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho,
na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary.
Koa tandremo àry ny fihainonareo,
fa izay manana no homena,
ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco