Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 18, 16-33)

Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa ve ny marina?

Nitsangana handeha ireo lehilahy namangy an’i Abrahama tao Mambre,
dia nitodika nankany Sôdôma;
i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.

Ary hoy ny Tompo:

“Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko?
I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery,
sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.
Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana
mba hanaraka ny lalàn’ny Tompo amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny;
ka hanatanterahan’ny Tompo amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy.”

Dia hoy ny Tompo:

“Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra,
ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo.
Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany
araka ny fitarainana tonga hatratý amiko,
ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.”

Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma;
fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ny Tompo ihany.
Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe:

“Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina?
Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoina koa va ireny?
Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo,
raha misy izany tokoa ao?
Sanatria Anao izay hanao izany,
ka hamono ny marina miaraka amin’ny olo-meloka.
Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka!
Sanatria Anao izany.
Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?”

Hoy ny Tompo:

“Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanànan’i Sôdôma Aho,
dia hamindra fo amin’ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an’ireo.”

Fa hoy indray i Abrahama:

“Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.
Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina;
ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy?”

Hoy Izy:

“Tsy handringana azy Aho,
raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao.”

Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama ka nanao hoe:

“Angamba ho efapolo ny olo-marina ao.”

Ary hoy Izy:

“Tsy hanao izany Aho,
noho ny fitiavako azy efapolo ireo.”

Ary hoy i Abrahama:

“Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo,
raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.”

Dia hoy Izy:

“Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.”

Hoy i Abrahama:

“Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho,
angamba roapolo izy no ho hita ao.”

Ary hoy Izy:

“Tsy handringana ny tanàna Aho raha roapolo izy.”

Hoy i Abrahama:

“Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo,
fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho:
Angamba folo izy no hita ao.”

Dia hoy Izy:

“Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.”

Lasa nandeha ny Tompo nony tapi-niteny tamin’i Abrahama,
ary i Abrahama kosa dia nody.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 10-11

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy mba lalandava ny ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.

Tsy araka ny otantsika no ataony antsika:
na araka ny helotsika no avaliny antsika!
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 18-22)

Manaraha Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy,
dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy.
Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe:

“Mpampianatra ô,
hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany,
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”

Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe:

“Tompoko,
avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”;

fa hoy i Jesoa taminy:

“Manaraha Ahy,
fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 4, 8-11. 14-16a)

Olo-masin’Andriamanitra iny koa aoka honina eto.

Indray andro i Elisea nandalo tany Sonàma.
Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao
niangavy mafy taminy hisakafo
ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo.
Ary hoy ravehivavy tamin’ny lahy:

“Indro fantatro fa olo-masin’Andriamanitra
iny mpandalo eto amintsika matetika iny.
Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina ho azy,
dia asiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy,
mba hihatahany isaky ny tonga aty amintsika izy”.

Dia tonga tao Sonàma i Elisea indray andro,
ka nipetraka tao amin’ilay efitrano avo sy nandry tao.
Ary hoy i Elisea:

“Ka inona àry no hatao ho azy?”

Dia hoy ny navalin’i Giezi:

“Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra”.

Ary hoy i Elisea:

“Antsoy àry izy”.

Dia nantsoiny izy ka nijanona teo am-baravarana;
ka hoy i Elisea taminy:

“Raha afaka herintaona amin’izao fotoana izao,
dia hisafosafo zazalahy ianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 88, 2-3. 16-17. 18-19

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Ny fitiavanao, ry Tompo,
hohiraiko mandrakizay;
ny fahamarinanao
hambarako amin’ny taona rehetra.

Vavako no niteny, hoy Ianao:
Voaorina mandrakizay ny fitiavako,
ary ny fahamarinako
voajoro ho toy ny lanitra!

Sambatra izay vahoaka mahay mihoby,
ilay mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao,
mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro,
sy mientana amin’ny fitiavanao ny rariny.

Satria Ianao no reharehan’ny heriny,
ary ny fitiavanao, ry Tompo, no tabihanay.
Eny fa ny Tompo no Andrianay,
ilay Masin’i Israely no Mpanjakanay!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 3-4. 8-11)


Niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy isika, ka handeha amin’ny fiainam-baovao koa.

Ry kristianina havana,
moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao Batemy ho amin’i Kristy Jesoa
dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany?
Koa niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika,
mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray,
no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa,
sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony,
tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Satria ny fahafatesana moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana;
fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.
Ary aoka ho toy izany koa ianareo
ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana,
fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.
Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 37-42)

Izay tsy mitondra ny hazofijaliany dia tsy mendrika Ahy. Izay mandray anareo mandray Ahy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy;
ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy,
dia tsy mendrika Ahy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy,
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Izay mandray anareo, mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany,
dia hahazo valisoan’ny mpaminany;
ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina,
dia hahazo valisoan’ny olo-marina;
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza
hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo,
noho izy mpianatro,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 18, 1-15)

Moa misy zavatra mahatalanjona tsy efan’Andriamanitra va na inona na inona? Hiverina aty aminao aho ary hanana zazalahy i Sarà.

Tamin’izany andro izany, dia niseho tamin’i Abrahama teo amin’ny terebintan’i Mambre ny Tompo,
raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy,
tamin’ilay nigaingaina iny ny andro.
Nanopy ny masony ary nijery izy,
ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy.
Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy,
ary rahefa niankohoka tamin’ny tany izy, dia nanao hoe:

“Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho,
aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo.
Mialà sasatra eo am-pototr’ity hazo ity ianareo;
dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo,
fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.”

Dia hoy ny navalin’ireo:

“Ataovy àry, araka izay voalazanao.”

Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe:

“Faingàna ianao,
mangalà lafarina intelon’ny famarana,
ditio ka ataovy mofo.”

Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby,
dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy,
ary nomeny ny mpanompony izay nahandro faingana;
dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy,
ary narosony izany teo anoloan’izy ireo,
ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo.
Ary nihinana izy ireo.
Rahefa izany dia hoy ireo taminy:

“Aiza i Sarà vadinao?”

Hoy ny navaliny:

“Ao an-day ao izy.”

Ary hoy izy:

“Hiverina aty aminao indray aho, raha avin-taona toy izao,
ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.”

Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany.
Ary i Abrahama sy i Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana;
ary i Sarà dia efa nitsaha-potoana,
ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe:

“Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa?
ary ny tompoko koa itsy efa antitra!”

Hoy ny Tompo tamin’i Abrahama:

“Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe:
‘Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hiteraka indray?’
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’ny Tompo va na inona na inona?
Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho;
ary i Sarà dia hahazo zazalahy.”

Nandà i Sarà nanao hoe:

“Tsy nihomehy aho tsy akory”;

fa natahotra izy.

Hoy izy:

“Tsia, fa nihomehy tokoa ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Lk. 1, 46-47. 48-49. 50 sy 53. 54-55

Tsy hadinon’ny Tompo ny famindram-pony.

Ny foko midera ny Tompontsika,
ny saiko mifaly amin’Andriamanitra.
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy,
ilay mpanompovaviny tsinontsinona.

Fa indro manomboka ankehitriny,
hantsoin’ny taranaka: “Sambatra” aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
ilay hoe: “Ny Masina no Anarany.”

Ilay mandrakizay ny indrafony
amin’ny olon-drehetra matahotra Azy.
Ilay manototra soa an’ireo noana,
fa mampody maina an’ireo mpanana.

Mpanarina an’i Israely olony
satria mahatsiaro ny indrafony
nampanantenainy ny Razantsika
ho an’i Abrahama sy izay taranany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao:
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 5-17)

Maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hiara-mihinana amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.

Tamin’izany andro izany,
rahefa niditra tao Kafarnaôma Jesoa,
dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy, nanao hoe:

“Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko,
sady mijaly mafy dia mafy.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ho avy hanasitrana azy Aho.”

Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe:

“Tompoko, tsy mba mendrika ny hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho,
fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa,
ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: ‘Andeha ianao’, dia mandeha izy;
ary amin’ny anankiray hoe: ‘Avia ianao’, dia avy Izy;
ary ny ankiziko: ‘Ataovy izao’, dia manao izy.”

Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy:

“Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely.
Ary izany no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana
no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be
miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra,
fa ny zanaky ny fanjakana kosa,
dia hariana any amin’ny maizina any ivelany;
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.”

Ary hoy i Jesoa tamin’ilay kapiteny:

“Mandehana,
ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao.”

Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankiziny.

Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa,
dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo,
dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo,
ary nitsangana nisarivý azy ireo izy.
Ary nony hariva ny andro,
dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy,
ka teny indraim-bava no nandroahany ny fanahy ratsy,
ary nositraniny avokoa izay rehetra narary,
mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe:
‘Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika’.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hisantatra ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona amin'ny 27 jona 2023 ny tananan'i Madiokely, vavahadin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Tontosa ny 17 sy 18 jona 2023 tao Ankaditsiary, Distrika Amborompotsy - Ambositra, ny fametrahana an'i P. Cataldo Antonio, sj, tao amin'ny fasana vaovao, hiandrasany ny fitsanganan-ko velona... ♦ Nankatoavin'ny Papa François ny 22 jona 2023 ny maha-olona hajain'ny Eglizy an'i Masera Lucie dos Santos, ilay nisehoan'i Masina Maria tao Fatima, Portugal...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...