♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona ireo kandidà ho filoham-pirenena miisa folo nanao fanambarana ny tsy fankasitrahany fanapahan-kevitry ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana. Fandraisana nihainoana azy ireo no natao hoy Andriamatoa Razafimahefa Herimanana... ♦ Mbola tsy hihatra amin'i Madagasikara aloha ilay fepetra vaovaon'ny vondrona Eraopeana tokony hiatra rahampitso momba ny lavanila afaran'izy ireo. Omana hatramin'i volana Janoary 2024 isika tsy hahatapaka ny fanondranana... ♦ Ho tanterahana ny 25 hatramin'ny 28 oktobra 2023 eny amin'ny kianja ny Barea Mahamasina ny hay ranty "Voatra" andiany faha-10 ; hetsika karakarain'ny antenimieran'ny varotra sy ny Indostria Antananarivo...
♦ Tsy mahatoky ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenena intsony ireo kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena miisa folo manoloana ny didy navoakany. Miantso ny FFKM izy ireo manoloana izao zava-misy izao... ♦ Nanao ny filankevitry ny ministra voalohany omaly ny Governemanta Ifarimbonana. Eny amin'ny lapam-panjakàna Mahazoarivo no hanaovana ny filan-kevitry ny ministra manomboka izao... ♦ Vao maika hanimba ny fampianarana ambaratonga ambony ny famonoana afo hanerena ny famaranana ny taom-pianarana 2022 sy 2023, eny amin'ny oniversiten'Antananarivo hoy ny SECES...
Ny asa ampanaovina ny ankizy, amin'ny endrika tsy azon'ny saina leferina dia karazana herisetra, tsy dia mivandravandra noho ny herisetra hafa angamba, saingy zava-mahatsiravina tsy latsak'ireny velively. Voalika matetika ny ankizy, hatramin'ny 12 taona ; jesoa teo amin'ny faha-12 taonany niditra tao an-tempoly no ohatra tamin'izany. Tsy tokony hiditra any amin'ny orinasa ny ankizy raha tsy feno taona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
14 septambra 2023 — Ny nandratana ny Hazofijaliana — Fankalazana — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 13-17)
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco