♦ Tsy vao sambany teto amin'ny firenena no nisy ny disadisa mialoha ny fifidianana fa nisy hatrany izany ; nirosoana hatrany ihany koa anefa ny fifidianana satria tany tan-dalàna i Madagasikara hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Miantso ny mpanao pôlitika hifantoka amin'ny fifidianana amin'izay ny Préfet an'Antananarivo... ♦ Mitohy ny asa fampandrosoana sy ny fampandehanan-draharaha tanterahin'ny governemanta eto amin'ny firenena. Manatanteraka ireo tandrify azy ny isaky ny departemanta... ♦ Tsy nampoizina ny fitsidihan'ny sekreteram-panjakàna amerikana Anthony Blinken tany Irak omaly alahady ; nafampana ihany ny fihaonana teo aminy sy ny praiministra Irakiana...

Sehatra fitantanana ny raharaham-bahoaka ny pôlitika ka hananana tanjona hikatsahana ny soa iombonana hanasoavana ny olona rehetra. Mba hijoro ny fiainana ara-pôlitika tena mendrika ny maha-olona dia zava-dehibe mihitsy... ny fahafoizan-tena hanompo ny soa iombonana. Ny Eglizy dia fikambanan'ny vita Batemy, mankato ny Papa, izay nomen'Izy Kristy ny fanalahidin'ny lanitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

6 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 12-14)

Ny atao hoe soa iombonana dia fitambaran'ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra ny fahalavorariany tanteraka. Tsy azo sarahana amin'ny maha olona ny soa iombonana. Mifamatotra amin'ny zo fototry ny olombelona ny soa iombonana. Manana adidy ny isam-batan'olona amin'ny fikatsahana ny soa iombonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...