Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14. 22-28)
Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo niteny hoe:
“Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema,
fantaro tsara izao,
ary mampandria sofina amin’ny teniko:
I Jesoa avy any Nazareta,
Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo
tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana
ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo,
araka ny fantatry ny tenanareo,
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova
sy ny fahalalany mialoha,
ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana
sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona
sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana,
satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe:
Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho,
satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho.
Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby,
ary ny foko hitombina amin’ny fanantenana,
fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko,
ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lo ny Masinao.
Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao,
ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
(Sal. 15, 1-2a. sy 5. 7-8. 9-10. 11)
Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao!
Ianao, ho’aho, ry Tompo, no Andriamanitra;
Ianao no hasambarako:
Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
ianao no rakitro mateza.
Isaorako ny Tompo manolo-tsaina ahy,
alina avy ny foko no toroany.
Ataoko anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady;
Fa iny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana anoloanao,
hafinaretan-dava ankavananao.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 1, 17-21)
Ry hava-malala,
raha Ilay tsy mizaha tavan’olona,
fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy,
no antsoinareo hoe Ray,
dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo,
mandritra ny andron’ny fivahinianareo ety,
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo
ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana,
dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na volafotsy,
fa ny Ra saro-bidin’i Kristy.
Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry,
fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo.
Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra,
Izay nanangana Azy ho velona,
sy nanome voninahitra Azy,
ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo;
Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany
dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy,
tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema.
Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo.
Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy,
dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy;
fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo.
Hoy Izy taminy:
“Inona izato resahinareo ety an-dalana,
no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?”
Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe:
“Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema
tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?”
Fa hoy Izy tamin’ireo:
“Zavatra inona moa izany?”
Dia hoy ireo:
“Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny,
teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty,
mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely:
kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra,
fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo,
ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny,
nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy.
Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay
ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy,
nefa tsy nahita Azy”.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Ry adala sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany!
Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy
mba hidirany amin’ny voninahiny?”
Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy
sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina.
Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo,
dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa
fa notanan’izy ireo nataony hoe:
“Mitoera re aty aminay,
fa efa ho hariva izao,
efa mandrorona ny andro”.
Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy.
Ary rehefa niara-nihinana izy ireo,
dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakìny,
dia natolony azy ireo.
Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy,
fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony.
Dia nifampilaza izy hoe:
“Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika,
fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana,
sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!”
Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo
ka niverina tany Jerosalema,
ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory
sady nilaza hoe:
“Efa nitsangana tokoa ny Tompo,
ary efa niseho tamin’i Simôna Izy”.
Dia mba notantarain’izy ireo kosa
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Notontosaina tamin'ny talata teo ary hifarana rahampitso ny fihaonana izay fanao isan-taona, ho an'ny Fianakaviambe Salezianina eto Madagasikara... ♦ Hotontosaina ny 15 sy 16 aprily 2023 ny pelerinazy diôsezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay hakalazaina ny 17 aprily 2023 ny fetiny... ♦ Nohamafisin'ny Papa François ho an'ny vavaka ho an'ity volana aprily ity, ny fampanjakana tanteraka ny fandriampahalemana, ka anisan'ny ezaka atao amin'izany ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 42-47)
Nazoto ireo mpino tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana,
ary tamin’ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra.
Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon’ny Apôstôly tao Jerosalema,
ka raiki-tahotra ny olona rehetra.
Niray toerana ny mpino rehetra,
dia niombonany ny fananany rehetra,
sy namidiny ny taniny sy ny fananany,
ka nozarazaraina tamin’izy rehetra,
araka izay nilainy avy.
Nazoto niaranankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra,
sy namaky mofo tany an-tranony
ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po,
niarani-dera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra.
Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo ny olom-bonjena.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
(Sal. 117, 24. 13-15. 22-24)
Valion’i Israely manontolo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny fokon’i Aarôna:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny matahotra ny Tompo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Naronjiny aho mba ho lavo;
ny Tompo kosa namonjy ahy.
Ny Tompo no heriko sy tanjako;
izy no Mpamonjy ahy.
Injao hobin-kafaliana manakoako
ao amin’ny fonenan’ny olo-marina;
hoy ny antso fandresena:
Ny tanan’ny Tompo naneho hery.
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Tsy maty aho fa velona
hitanisa ny asan’ny Tompo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 1, 3-9)
Ry kristianina havana,
hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay niteraka antsika indray,
araka ny haben’ny famindram-pony,
noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
ho amin’ny fanantenana velona,
hahazo ny lova tsy mety simba,
tsy misy pentina,
tsy mety levona,
izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana,
ho amin’ny famonjena izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo
nefa mbola tsy maintsy hampahorian’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo
izay ambony lavitra noho ny volamena
(io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany
na dia zavatra mety simba aza),
dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany,
amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Tia Azy ianareo,
na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza;
mino Azy ianareo,
na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy;
izany no iontanan’ny fonareo
amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo,
dia ny famonjena ny fanahinareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i MAsindahy Joany (Jo. 20, 19-31)
Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra,
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany,
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy
no anirahako anareo koa”.
Rehefa nilaza izany Izy,
dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe:
“Raiso ny Fanahy Masina:
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,
ary izay hotananareo dia ho voatana”.
Fa i Tômà, ilay atao hoe Didimo,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:
“Efa nahita ny Tompo izahay”.
Fa hoy izy tamin’ireo:
“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako,
ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako,
dia tsy hino aho”.
Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany
sady teo koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa,
nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:
“Ho aminareo anie ny fiadanana!”
Ary hoy Izy tamin’i Tômà:
“Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako,
ary arosoy ny tananao, ka atehafo eto amin’ny tratrako,
dia minoa, fa aza malain-kino”.
Dia namaly i Tômà ka nanao hoe:
“Tompoko sy Andriamanitro!”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Nino ianao, ry Tômà,
satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka nino”.
Maro koa ny fahagagana nataon’i Jesoa
teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity.
Fa voasoratra ireto mba hinoanareo
fa i Jesoa Kristy dia Zanak’Andriamanitra,
ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany,
amin’ny finoana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Hotontosaina ny alahady fankalazana ny Famindrampon'Andriamanitra, ny 16 aprily ho avy izao, ny fitsofan-drano sady fanambarana araka ny fomban'ny Eglizy, ny maha Sanctuaire an'i Jesoa be Famindrampo, ilay paroasy fahatelo ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Tanora 644 no niatrika ny Sampakazon'ny tanora ho an'ny tao amin'ny Diôsezin'i Mananjary, Faritra Dehoniana; ka lohahevitra nobanjinina nandritra izany, nanomboka ny 30 marsa hatramin'ny 2 aprily ny hoe: "Tanoran'i Kristy, miara-dia"... ♦ Ny 31 marsa hatramin'ny 2 aprily no notontosaina ny fivoriam-ben'ny Firohotana Iray Aina, ao amin'ny Diôsezin'Ambanja...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco