Nanao ny fivoriambe ara-potoana toa ny fanaony isan-taona ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra ny 23 sy ny 24 aogositra 2023. Nisy ny hevi-dehibe nodinihana sy nankatoavina nandritra izany. Tapaka nandritra ity fivoriambe ity fa hiroso amin'ny fangatahana ny fanvaozana ny satan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Association Reconnue d'Utilité Public na ARUP izy ireo. Ny ahafahan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra manatanteraka ny iraka nankinina taminy no mahazava-dehibe izay hoy ireo mpivory. Angatahana ihany ny hanamafisana ny fahaleovan-tena ara-bolan'ny rafitra...
♦ Nametraka fitoriana teny amin'ny HCC androany, ny antoko HVM, mangataka ny tsy hankatoavana ny firotsahan-ko fidian'ny Filoha amperin'asa... ♦ Namoaka fanambarana miantso amin'ny hiarovana ny fitoniana sy ny fisorohana krizy eto Madagasikara, ny antoko Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy na ny RDS, tarihin'Andriamatoa Rakoto Andrianirina Fetison...
Ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia mandray anjara amin’ny fanentanana ny olona mba hanjakan’ny fandriam-pahalemana ny vanim-potoana hiomanana sy hanatanterahana ny fifidianana eto amin’ny nosy. Fomba iray hanatanterahana izany ny hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana amin’ny 24 septembra eto Antananarivo hanasana ny olom-pirenana sy ny tia fandriam-pahalemana rehetra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Miteraka olana eo amin'ny vatana ny tsy fananana asa satria rehefa noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy. Mahatonga henatra ho an'ny olona iray ny tsy fananana asa, eo amin'ny fiaraha-monina. Ny tsy fananana asa dia antony mampitombo ny tsy fahandriam-pahalemana, sy ny herisetra satria betsaka ireo te hahazo vola haingana. Mety hanova ny fitondran-tena ny tsy fananana asa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco