Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 1-11)
Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany,
ka tonga tao Betifage anilan’ny tendrombohitra Oliva,
dia naniraka mpianatra roa lahy i Jesoa, ka nilazany hoe:
“Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy,
ary rehefa mby ao ianareo,
dia hahita ampondra vavy mifatotra sy ny zanany eo aminy:
vahao izy, dia ento aty amiko.
Ka raha tahiny misy miteny anareo, dia ilazao hoe:
‘Misy ilàn’ny Tompo azy’;
dia havelany hoentinareo miaraka amin’izay izy”.
Ary tonga izany rehetra izany
mba ho tanteraka ity teny nolazain’ny mpaminany ity hoe:
“Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe:
Indro ny Mpanjakanao mankeo aminao,
malemy fanahy sady mitaingina ampondra,
dia zanak’ampondra mitondra jioga”.
Dia nandeha ny mpianatra
ka nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony,
dia nentiny ny ampondra sy ny zanany,
ka nataony teo amboniny ny fitafiany,
dia nitaingina teo i Jesoa.
Be ny vahoaka namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalana;
ny sasany kosa naka rantsan-kazo,
dia nampihahaka azy teny an-dalana koa;
ary ny vahoaka nialoha sy izay nanaraka Azy,
samy niantso nanao hoe:
“Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida!
Hisaorana anie Ilay avy,
amin’ny Anaran’ny Tompo!
Hôzàna any amin’ny avo indrindra!”
Ary nony tonga tao Jerosalema Izy,
dia taitra ny tao an-tanàna, ka nanao hoe:
“Iza moa izao?”
Ary ny vahoaka nilaza hoe:
“Izy no i Jesoa Mpaminany,
avy any Nazareta any Galilea”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 50, 4-7)
Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho
mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko.
Mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko Izy,
mba hihainoako, hoatra ny fihainoan’ny mpianatra.
Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy,
ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo vato
ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 21, 8-9. 17-18a. 19-20. 23)
Izay rehetra mahita manaratsy,
manondro molotra, mihifi-doha:
“Ilay matoky ny Tompo aoka hoafahany;
ilay sakaizan’ny Tompo: aoka hovonjeny!”
Andian’amboa no mitangorona amiko,
taranak’olon-dratsy no manarona:
ny tanana sy tongotro voaloakany,
voaisany avokoa ny taolako:
indreo izy mijery,
indreo fa mibandrina ahy;
Ny akanjoko ifampizaràny,
ny fitafiako ilokàny.
Aza mijanona eny lavitra, ry Tompo;
faingàna hamonjy ahy, ry Heriko.
Dia hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho,
sy hankalaza Anao ao am-piangonana.
Ry matahotra ny Tompo, derao Izy;
ry taranak’i Jakôba, mihobia.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fi1. 2, 6-11)
Ry kristianina havana,
na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy,
dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra
ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany
tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo,
ka tonga mitovy amin’ny olombelona,
sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
ary nilatsa-Tenany ho ambany,
hanaiky hatramin’ny fahafatesana,
dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
Ho valin’izany kosa,
dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy,
sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra
fa i Jesoa Kristy dia Tompo
efa niditra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14 — 27, 66)
Ary tamin’izay ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy
atao hoe Jodasy Iskariôta,
nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona,
ka nanao taminy hoe:
Homenareo hoatrinona aho,
dia hatolotro anareo Izy?
Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.
Hatramin’izay dia nikendry izay hamadihana Azy izy.
Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azima,
dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany nanao hoe:
Aiza no tianao hanamboaranay hihinananao ny Paka?
Dia hoy i Jesoa taminy:
Mankanesa any an-tanàna ao amin-dRanona, ka lazao aminy hoe:
Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko,
ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro.
Nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony ny mpianatra
ka namboatra ny Paka.
Nony hariva ny andro,
dia nipetraka nihinana Izy mbamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy.
Teo am-pihinanana dia hoy Izy:
Lazaiko marina aminareo
fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.
Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe:
Moa izaho va izany, Tompoko?
Dia namaly Izy ka nanao hoe:
Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao an-dovia,
izy no hamadika Ahy.
Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy;
kanefa loza ho an’izay hamadika ny Zanak’olona!
tsara ho azy ny tsy teraka.
Dia mba niteny i Jodasy ilay namadika Azy nanao hoe:
Raby, moa izaho va izany?
Ka novaliany hoe:
Voalazanao.
Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa,
notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany,
ka hoy Izy:
Raiso àry hano: fa Vatako ity.
Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy,
ary rehefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe:
Isotroinareo rehetra, fa Rako ity,
dia ny Ran’ny fanekena vaovao
izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.
Lazaiko aminareo,
fa tsy hisotro amin’itony vokatry ny fotoboaloboka itony intsony Aho,
ambara-piavin’izay andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray,
any amin’ny Fanjakan’ny Raiko.
Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo,
dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.
Dia hoy i Jesoa taminy:
Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina,
fa efa voasoratra hoe:
Hokapohiko ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry andrasana;
fa rehefa tafatsangana Aho, dia hialoha anareo any Galilea.
Fa i Piera namaly hoe:
Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra,
izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana.
Ary hoy i Jesoa taminy:
Lazaiko marina aminao
fa anio alina alohan’ny maneno akoho,
dia handà Ahy intelo ianao.
Fa hoy i Piera taminy:
Na dia hiara-maty aminao aza aho,
dia tsy handà Anao.
Mba nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.
Tamin’izay i Jesoa sy ny mpianany
dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemany,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany :
Mipetraha eto ianareo,
raha mbola mankany hivavaka Aho.
Ary nitondra an’i Piera sy izy roa lahy zanak’i Zebede hiaraka aminy Izy
dia nanomboka nozoin’alahelo sy fahoriana mafy.
Ka hoy Izy tamin’ireo:
Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy;
mijanòna eto, ka miaraha miari-tory amiko.
Ary nony nandroso kely Izy,
dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe:
Raiko, raha azo atao,
aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity,
kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka,
fa ny Anao.
Dia nankeo amin’ny mpianany Izy,
ka hitany fa natory ireo,
dia hoy Izy tamin’i Piera:
Hay ianareo tsy nahazaka ny miara-miaritory amiko ora iray akory?
Miambena sy mivavaha mba tsy ho latsaka amin’ny fakàm-panahy ianareo.
Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.
Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe:
Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity
fa tsy maintsy hosotroiko,
dia aoka ho tanteraka anie ny sitra-ponao.
Ary niverina Izy ka nahita azy natory,
fa efa navesatra ny masony;
dia nilaozany ireo ka nandeha indray Izy nivavaka fanintelony,
ary ny teniny teo no naveriny.
Izay vao nankeo amin’ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe:
Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra!
Indro efa antomotra ny fotoana,
ary efa hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.
Mitsangàna ianareo, andeha isika,
fa efa akaiky ilay hamadika Ahy.
Raha mbola niteny izany Izy,
dia indro tamy i Jodasy isan’ireo roa ambin’ny folo lahy,
arahin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy,
nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona.
Efa nomen’ilay mpamadika famantarana toy izao izy ireo:
Izay horohako no izy, ka sambory.
Ary niaraka tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa izy ka nanao hoe:
Arahaba, Raby.
Dia nanoroka Azy izy. Ary hoy i Jesoa:
Ry sakaiza, haninona aty ianao?
Tamin’izay dia nanatona ny sasany
ka nisambotra an’i Jesoa sy nihazona Azy.
Ary indro ny anankiray tamin’izay teo amin’i Jesoa
nandray ny sabany, dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona,
ka nahafaka ny sofiny an’ila.
Fa hoy i Jesoa taminy:
Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao,
fa izay rehetra hamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra.
Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho,
ka haniraka Anjely tsy omby lejiona roa ambin’ny folo Izy ho eto amiko?
Fa hatao ahoana àry no hahatanteraka ny Soratra Masina
izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?
Ary tamin’izay, dia hoy i Jesoa tamin’ireo:
Mova tsy ny hisambotra jiolahy ianareo
mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy;
nipetraka isan’andro teo aminareo Aho,
nampianatra teo an-Tempoly, nefa tsy nosamborinareo,
fa tonga izany rehetra izany
mba ho tanteraka izay voasoratry ny Mpaminany.
Ary tamin’izay dia nandao Azy ny mpianatra rehetra, ka nandositra.
Ary izay nisambotra an’i Jesoa
dia nitondra Azy tany amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona,
izay nivorian’ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
Nanaraka Azy teny lavidavitra teny i Piera,
hatrany antokotanin’ny lehiben’ny mpisorona.
Niditra tao izy dia niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha
mba hahita izay farany.
Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona rehetra
dia nitady izay hiampangana lainga an’i Jesoa hamonoana Azy,
fa tsy nahita na dia betsaka aza ny vavolombelona mandainga tonga teo.
Nony farany, dia nisy roa tonga, ka nanao hoe:
Ilay io nilaza hoe:
Mahay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra Aho,
ary mahay manangana azy amin’ny hateloana indray.
Dia nitsangana ilay lehiben’ny mpisorona ka nanao taminy hoe:
Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo Anao izany?
Fa tsy niteny i Jesoa.
Ary hoy ilay lehibe mpisorona taminy:
Mandidy Anao amin’ny Anaran’Andriamanitra velona aho,
hilaza aminay raha Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra.
Dia hoy i Jesoa taminy:
Voalazanao.
Ary lazaiko aminareo koa fa indray andro any ianareo
hahita ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra be fahefana sy avy,
eo amin’ny rahon’ny lanitra.
Tamin’izay dia norovitin’ilay lehiben’ny mpisorona ny fitafiany,
ka hoy izy:
Niteny ratsy an’Andriamanitra Izy,
ka ahoana indray no ilantsika vavolombelona?
Indro efa renareo ny fitenenany ratsy an’Andriamanitra:
ahoana no hevitrareo?
Ary ireo namaly ka nanao hoe:
Mendrika ho faty Izy.
Dia nororany ny Tavany ka nasiany totohondry Izy;
ary ny sasany sady namely tehamaina Azy no nanao hoe:
Vinanio, ry Kristy, iza no namely Anao?
Tamin’izany i Piera nipetraka teo alatrano,
ary nisy ankizy vavy anankiray nanatona azy ka nanao taminy hoe:
Ianao koa naman’i Jesoa Galileanina.
Fa novaliny teo anatrehan’izy rehetra izany ka hoy izy:
Tsy fantatro izay lazainao.
Dia nankeo am-bavahady izy, ndeha hitsoaka,
fa hitan’ny ankizy vavy anankiray hafa koa,
ka nolazainy tamin’ny olona teo hoe:
Ity koa naman’i Jesoa Nazareanina.
Fa nandà fanindroany indray izy sady nianiana nanao hoe:
Tsy fantatro izany Lehilahy izany.
Nony afaka kelikely dia nohatonin’ny olona teo i Piera
ka nilazany hoe:
Marina tokoa raha tsy namany ianao,
fa na dia ny fiteninao aza dia ampy hahalalana izany.
Ary tamin’izay dia sady niozona izy no nianiana
fa tsy fantany izany lehilahy izany.
Niaraka tamin’izay naneno ny akoho,
ka tsaroan’i Piera ny tenin’i Jesoa nanao hoe:
alohan’ny maneno akoho, handà Ahy intelo ianao.
Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.
Ary nony maraina ny andro
dia niara-nihevitra izay hahafaty an’i Jesoa
ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona
ary rehefa nafatony Izy dia nentiny
ka natolony an’i Pôntsy Pilaty governora.
Tamin’izay i Jodasy ilay namadika Azy,
raha nahita fa nohelohina Izy,
dia nanenina ka namerina ny farantsa kely telopolo
tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona, nanao hoe:
Nanota aho fa nanolotra ny ra marina.
Fa ireo nanao hoe:
Ahoanay izany? fa asanao.
Dia natsipiny tao anatin’ny Tempoly ny vola
ka lasa izy nanao tadimody nananton-tena.
Ary nalain’ny lohandohan’ny mpisorona ny vola ka hoy izy:
Tsy azo alatsaka amin’ny rakitra masina izany,
satria vidin-dra.
Ary nony niara-nihevitra izy,
dia namidiny ny sahan’ny mpanao vilany ny vola
hatao tany fandevenam-bahiny.
Izany no anaovana io saha io mandraka androany hoe
Haseldamà, na hoe sahan-drà;
ary tanteraka tamin’izay ny tenin’i Jeremia mpaminany nanao hoe:
Dia nalainy ny vola telopolo,
vidin’ilay notombanan’ny zanak’i Israely,
ka nomeny hamidy ny sahan’ny mpanefy vilany,
araka ny nandidian’ny Tompo ahy. Dia...
Nentina teo anatrehan’ny governora i Jesoa
ka nanontanian’ny governora hoe:
Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?
Hoy i Jesoa taminy:
Voalazanao.
Fa ny fiampangana nataon’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona Azy,
no tsy novaliany kely akory, ka hoy i Pilaty taminy:
Tsy renao va izany zavatra maro iampangana Anao izany?
Fa tsy namaly Izy na dia indraim-bava aza,
ka gaga dia gaga ny governora.
Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaon’ny governora
ny mandefa mpifatotra anankiray tian’ny vahoaka.
Ary tamin’izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy,
ka rehefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy:
Iza no tianareo halefako ho anareo,
i Barabasy sa i Jesoa izay atao hoe Kristy?
Satria fantany fa fialonana no nanoloran’izy ireo an’i Jesoa.
Ary raha nipetraka teo amin’ny fitsarana izy,
dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe:
Aza manao na inona na inona amin’io Lehilahy marina io ianao,
fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy halina izay.
Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona
nahatarika ny vahoaka hangataka an’i Barabasy
sy hampamono an’i Jesoa.
Dia niteny indray ny governora nanao hoe:
Iza no tianareo halefako ho anareo amin’izy roa lahy?
Dia hoy izy ireo:
I Barabasy.
Ary hoy i Pilaty taminy:
Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa izay atao hoe Kristy?
Hoy indray izy rehetra:
Aoka hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.
Hoy ny govemora:
Fa inona àry no ratsy nataony e?
Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe:
Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!
Nony hitan’i Pilaty,
fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba,
dia nampaka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka,
ary nanao hoe:
Afa-tsiny amin’ny Ran’io Lehilahy marina io aho;
fa raharahanareo.
Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe:
Aoka ho aminay sy amin’ny zanakay ny Rany.
Tamin’izay dia nalefany i Barabasy,
ary i Jesoa nony efa nasainy nokapohina
dia natolony azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.
Tamin’izay dia nentin’ny miaramilan’ny governora
ho any amin’ny toerana fitsarana i Jesoa,
sady novoriny hanodidina Azy ny miaramila namany.
Dia nendahiny ny fitafiany ka nampitafiany kapaoty jaky Izy;
ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo,
dia nasatrony ny lohany,
sady nampitanany volotara ny tanany havanana;
raha efa izany dia nandohalika ankila teo anatrehany izy
ary naneso Azy hoe:
Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.
Dia nororany Izy,
ary nalainy ny volotara ka nikapohany ny lohany.
Nony efa nolalaoviny toy izany Izy,
dia noesoriny ilay kapaoty ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany,
ary nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.
Rehefa tafavoaka ny tanàna,
dia nifanena tamin’ny lehilahy Sireneanina anankiray atao hoe Simôna izy ireo,
ka notereny io hilanja ny Hazofijalian’i Jesoa.
Ary nony tonga teo amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà
izany hoe tanin’ny karan-doha,
dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny,
fa nony nandramany dia tsy nety nisotro Izy.
Ary rehefa voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy,
dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany hoe:
Nozarainy ny fitafiako, ary nilokàny ny akanjoko;
dia nipetraka niambina Azy izy ireo.
Teo ambonin’ny lohany dia nasiany soratra
milaza ny nanamelohana Azy manao hoe:
ITY NO JESOA MPANJAKAN’NY JODY.
Nisy jiolahy roa niara-nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana,
ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
Ary izay nandalo dia nihifikifi-doha nanevateva Azy nanao hoe:
Ialahy, ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra
sy manangana azy anatin’ny hateloana ity,
vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy;
raha Zanak’Andriamanitra ialahy,
mialà amin’ny Hazofijaliana.
Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,
dia naneso Azy koa nanao hoe:
Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena;
raha Mpanjakan’i Israely Izy,
aoka hidina hiala amin’ny Hazofijaliana ankehitriny,
dia hino Azy isika.
Natoky an’Andriamanitra Izy,
ka raha tia Azy Andriamanitra
dia aoka hanafaka Azy ankehitriny,
satria Zanak’Andriamanitra Aho,
hoy ny filazany.
Dia nandatsa Azy toy izany koa iretsy jiolahy roa
izay niaraka nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana.
Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy
dia rakotry ny haizina ny tany rehetra.
Nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy
dia niantso mafy i Jesoa hoe:
Elî, Elî, lamà sabaktany!
Izany hoe:
Ry Andriamanitro! ry Andriamanitro,
nahoana no dia nilaozanao Aho?
Raha nandre izany ny sasany tamin’izay teo,
dia nanao hoe:
Miantso an’i Elia ilay ity.
Dia nihazakazaka niaraka tamin’izay ny anankiray tamin’izy ireo
ka nandray spônjy;
nony novontosany vinaingitra dia notohizany volotara
ka natohony Azy hotsentsafiny.
Fa ny sasany nanao hoe:
Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia.
Ary niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa,
dia niala aina.
(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)
Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany
ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly;
nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy, nisokatra ny fasana,
ary betsaka ny fatin’ny olona masina efa nody mandry no nitsangana;
ka nony efa nitsangan-ko velona i Jesoa
dia nivoaka tamin’ny fasana izy ireo,
ka niakatra tany an-tanàna masina ary niseho tamin’ny maro.
Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa kosa
nony nahita ny horohoron-tany mbamin’ny zavatra rehetra tonga teo,
dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe:
Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy
Nisy vehivavy maromaro koa nitazana teny lavidavitra teny,
dia ireo izay nanaraka an’i Jesoa sy nanompo Azy hatrany Galilea,
anisan’ireo i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba sy i Jôsefa,
ary ny renin’ny zanak’i Zebede.
Nony hariva ny andro,
dia nisy lehilahy manan-karena anankiray avy any Arimatia atao hoe Jôsefa,
izay mpianatr’i Jesoa koa,
nanatona an’i Pilaty ka nangataka ny fatin’i Jesoa.
Dia nasain’i Pilaty nomena azy.
Noraisin’i Jôsefa ny faty,
dia nofonosiny lamba fotsy madio,
ary naleviny tao amin’ny fasana vaovao nolavahana tamin’ny vatolampy,
izay nampanaoviny ho an’ny tenany.
Nony nakodiany ny vato makadiry tamin’ny varavaram-pasana dia lasa izy.
Ary i Maria Madelena sy ilay Maria anankiray
dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana.
Ny ampitson’iny izay andron’ny fiomanana,
dia nivory tany amin’i Pilaty ny lohandohan’ny mpisorona,
sy ny Farisianina ka nanao hoe:
Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona ilay mpamitaka iny dia nanao hoe:
Rehefa afaka hateloana dia hitsangana Aho.
Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo,
fandrao sokoin’ny mpianany ny fatiny,
dia lazainy amin’ny vahoaka hoe:
nitsangan-ko velona Izy,
ka ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
Dia hoy i Pilaty taminy:
Mana-mpiambina ianareo,
koa mandehana ambeno araka izay hainareo.
Nony nandeha izy ireo,
dia sady nasiany tombokase ny vato no nametrahany mpiambina teo
mba hahazoany antoka marina ny amin’ny fasana.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 27, 11-54)
Nentina teo anatrehan’ny governora i Jesoa
ka nanontanian’ny governora hoe:
Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?
Hoy i Jesoa taminy:
Voalazanao.
Fa ny fiampangana nataon’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona Azy,
no tsy novaliany kely akory, ka hoy i Pilaty taminy:
Tsy renao va izany zavatra maro iampangana Anao izany?
Fa tsy namaly Izy na dia indraim-bava aza,
ka gaga dia gaga ny governora.
Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaon’ny governora
ny mandefa mpifatotra anankiray tian’ny vahoaka.
Ary tamin’izay dia nisy mpifatotra anankiray malaza atao hoe Barabasy,
ka rehefa nivory ny vahoaka, dia hoy i Pilaty taminy:
Iza no tianareo halefako ho anareo,
i Barabasy sa i Jesoa izay atao hoe Kristy?
Satria fantany fa fialonana no nanoloran’izy ireo an’i Jesoa.
Ary raha nipetraka teo amin’ny fitsarana izy,
dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe:
Aza manao na inona na inona amin’io Lehilahy marina io ianao,
fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy halina izay.
Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona
nahatarika ny vahoaka hangataka an’i Barabasy
sy hampamono an’i Jesoa.
Dia niteny indray ny governora nanao hoe:
Iza no tianareo halefako ho anareo amin’izy roa lahy?
Dia hoy izy ireo:
I Barabasy.
Ary hoy i Pilaty taminy:
Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa izay atao hoe Kristy?
Hoy indray izy rehetra:
Aoka hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.
Hoy ny govemora:
Fa inona àry no ratsy nataony e?
Dia vao mainka nihorakoraka izy nanao hoe:
Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy!
Nony hitan’i Pilaty,
fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba,
dia nampaka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka,
ary nanao hoe:
Afa-tsiny amin’ny Ran’io Lehilahy marina io aho;
fa raharahanareo.
Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe:
Aoka ho aminay sy amin’ny zanakay ny Rany.
Tamin’izay dia nalefany i Barabasy,
ary i Jesoa nony efa nasainy nokapohina
dia natolony azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.
Tamin’izay dia nentin’ny miaramilan’ny governora
ho any amin’ny toerana fitsarana i Jesoa,
sady novoriny hanodidina Azy ny miaramila namany.
Dia nendahiny ny fitafiany ka nampitafiany kapaoty jaky Izy;
ary nandrandrana fehiloha tsilo izy ireo,
dia nasatrony ny lohany,
sady nampitanany volotara ny tanany havanana;
raha efa izany dia nandohalika ankila teo anatrehany izy
ary naneso Azy hoe:
Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.
Dia nororany Izy,
ary nalainy ny volotara ka nikapohany ny lohany.
Nony efa nolalaoviny toy izany Izy,
dia noesoriny ilay kapaoty ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany,
ary nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.
Rehefa tafavoaka ny tanàna,
dia nifanena tamin’ny lehilahy Sireneanina anankiray atao hoe Simôna izy ireo,
ka notereny io hilanja ny Hazofijalian’i Jesoa.
Ary nony tonga teo amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà
izany hoe tanin’ny karan-doha,
dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny,
fa nony nandramany dia tsy nety nisotro Izy.
Ary rehefa voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy,
dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany hoe:
Nozarainy ny fitafiako, ary nilokàny ny akanjoko;
dia nipetraka niambina Azy izy ireo.
Teo ambonin’ny lohany dia nasiany soratra
milaza ny nanamelohana Azy manao hoe:
ITY NO JESOA MPANJAKAN’NY JODY.
Nisy jiolahy roa niara-nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana,
ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
Ary izay nandalo dia nihifikifi-doha nanevateva Azy nanao hoe:
Ialahy, ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra
sy manangana azy anatin’ny hateloana ity,
vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy;
raha Zanak’Andriamanitra ialahy,
mialà amin’ny Hazofijaliana.
Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona,
dia naneso Azy koa nanao hoe:
Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena;
raha Mpanjakan’i Israely Izy,
aoka hidina hiala amin’ny Hazofijaliana ankehitriny,
dia hino Azy isika.
Natoky an’Andriamanitra Izy,
ka raha tia Azy Andriamanitra
dia aoka hanafaka Azy ankehitriny,
satria Zanak’Andriamanitra Aho,
hoy ny filazany.
Dia nandatsa Azy toy izany koa iretsy jiolahy roa
izay niaraka nofantsihana taminy tamin’ny Hazofijaliana.
Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy
dia rakotry ny haizina ny tany rehetra.
Nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy
dia niantso mafy i Jesoa hoe:
Elî, Elî, lamà sabaktany!
Izany hoe:
Ry Andriamanitro! ry Andriamanitro,
nahoana no dia nilaozanao Aho?
Raha nandre izany ny sasany tamin’izay teo,
dia nanao hoe:
Miantso an’i Elia ilay ity.
Dia nihazakazaka niaraka tamin’izay ny anankiray tamin’izy ireo
ka nandray spônjy;
nony novontosany vinaingitra dia notohizany volotara
ka natohony Azy hotsentsafiny.
Fa ny sasany nanao hoe:
Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia.
Ary niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa,
dia niala aina.
(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)
Ary indro fa nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany
ny efitra lamba teo amin’ny Tempoly;
nihorohoro ny tany, nitresaka ny vatolampy, nisokatra ny fasana,
ary betsaka ny fatin’ny olona masina efa nody mandry no nitsangana;
ka nony efa nitsangan-ko velona i Jesoa
dia nivoaka tamin’ny fasana izy ireo,
ka niakatra tany an-tanàna masina ary niseho tamin’ny maro.
Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa kosa
nony nahita ny horohoron-tany mbamin’ny zavatra rehetra tonga teo,
dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe:
Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy.
♦ Mitsidika ny faritanin'i Madagasikara ny mpanolotsaina jeneralin'ny Salezianin'i Don Bosco, misahana an'i Afrika sy i Madagasikara, P. Alphonse Owoudou... ♦ Nosokafana androany maraina ny andro ho an'ny fikaonan-doha marolafy tao amin'ny Seminera zokiny Paul VI, Antsiranana... ♦ Nanentana ny kristianina hivavaka ho an'ny raim-pianakaviana ny Papa François noho ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Josefa...
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 37, 12-14)
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro Aho hanokatra ny fasanareo,
hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô,
ary hitondra anareo ho eo amin’ny tanin’i Israely.
Ary dia ho fantatrareo fa ny Tompo Aho,
rehefa voasokatro ny fasanareo,
ary tafakatra avy ao am-pasanareo ianareo, ry vahoakako.
Hataoko ao anatinareo ny fanahiko,
dia ho velona ianareo,
sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo
ka dia ho fantatrareo fa Izaho Tompo
dia milaza sy manatanteraka koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 129, 1-2. 3-4ab. 4d-6. 7-8)
Anaty hantsana aho no miantso Anao:
Tompo ô, henoy ny feoko!
Aoka ny sofinao hitandrina
itony feoko mitoreo.
Raha mitsikilo heloka Ianao, ry Tompo,
Tompo ô, iza no hahatanty?
Kanefa ao aminao ny famelàna
mba hieken’ny olona Anao.
Koa manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho;
miandry ny Tompo ny fanahiko
manoatra ny mpiambina miandry ny maraina.
Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina,
i Israely aoka hiandry ny Tompo:
fa ny fitiavana no ao amin’ny Tompo:
ny fanavotana lehibe no ao aminy.
Eny, Izy no hanavotra an’i Israely
amin’ny helony rehetra.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm, 8, 8-11)
Ry kristianina havana,
izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.
Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo,
fa ao amin’ny Fanahy,
raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra.
Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy,
dia tsy Azy izy;
fa raha ao anatinareo i Kristy,
na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana,
dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesoa ho velona
no mitoetra ao anatinareo,
dia Izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa
no hamelona ny vatanareo mety maty,
noho ny Fanahiny Izay mitoetra ao anatinareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 1-45)
Tamin’izany andro izany,
nisy lehilahy anankiray narary atao hoe i Lazara, avy any Betania,
vohitr’i Maria sy i Marta rahavaviny.
I Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo
sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany;
ary i Lazara anadahiny no narary.
Dia naniraka olona tany amin’i Jesoa ireo anabavin’i Lazara hilaza hoe:
“Tompo, marary ilay tianao”.
Nony ren’i Jesoa izany, dia hoy Izy:
“Aretina tsy ho fahafatesana ity,
fa ho voninahitr’Andriamanitra,
sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra.”
Ary tian’i Jesoa i Maria sy i Marta rahavaviny ary i Lazara.
Nefa nony reny hoe marary i Lazara,
dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany Izy.
Nony afaka izany vao hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Andeha isika ho any Jodea indray”.
Ka hoy ny mpianany taminy:
“Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato Anao ny Jody,
ka dia hankany indray ve Ianao?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Tsy roa ambin’ny folo ora va ny indray andro?
Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina,
satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao;
fa ny mandeha amin’ny alina no tafintohina,
satria tsy manam-pahazavana”.
Nony voalazany izany dia nampiany hoe:
“Matory i Lazara sakaizantsika,
fa ndeha hamoha azy Aho”.
Ka hoy ny mpianany:
“Raha matory izy, Tompoko,
dia ho sitrana”.
Ny nahafatesany no nolazain’i Jesoa,
nefa torimaso tsotra izao kosa
no nampoizin’izy ireo.
Izay i Jesoa vao nilaza tsotra tamin’izy ireo hoe:
“Maty i Lazara,
ary noho ianareo dia faly Aho satria tsy tao,
mba hinoanareo;
koa andeha isika hankany aminy”,
Dia hoy i Tômà izay atao hoe Didimo
tamin’ny mpianatra namany:
“Andeha koa isika mba hiara-maty aminy”.
Nony tonga tany i Jesoa,
dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
Ary i Betania dia tao akaikin’i Jerosalema
tokony ho dimy ambin’ny folo stady,
ka maro tamin’ny Jody no tonga tao amin’i Marta sy i Maria
mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.
Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa,
dia nandeha nitsena Azy izy,
fa i Maria no nijanona tao an-trano.
Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa:
“Raha taty Ianao, Tompoko,
dia tsy maty ny anadahiko.
Ary na dia izao aza, dia fantatro
fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra,
dia homen’Andriamanitra Anao”.
Hoy i Jesoa taminy:
“Hitsangana ny anadahinao”.
Fa hoy i Marta taminy:
“Fantatro fa hitsangana izy
amin’ny farandro fitsanganan’ny maty”.
Hoy i Jesoa taminy:
“Izaho no fananganana sy fiainana;
izay mino Ahy, na dia maty aza,
dia ho velona indray;
ary izay rehetra velona ka mino Ahy
dia tsy ho faty mandrakizay.
Mino izany va ianao?”
Dia hoy izy:
“Eny, Tompoko,
mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona,
Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao”.
Ary rehefa nilaza izany izy,
dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe:
“Ao ny Tompo, ka miantso anao Izy”.
Vao nandre izany kosa i Maria
dia nitsangana niaraka tamin’izay,
ka nankao aminy.
Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna i Jesoa,
fa mbola teo amin’izay nitsenan’i Marta Azy ihany.
Nony hitan’ny Jody izay tao amin’i Maria
tao an-trano sy nitsapa alahelo azy
fa nitsangana haingana izy ka nivoaka,
dia nanaraka azy izy ireo,
fa nihevitra hoe:
Lasa hitomany any amin’ny fasana izy.
I Maria kosa, nony tonga tao amin’izay nitoeran’i Jesoa ka nahita Azy,
dia niankohoka tamin’ny tongony sy nanao taminy hoe:
“Raha taty Ianao, Tompoko,
dia tsy maty ny anadahiko”.
Nony nahita azy nitomany i Jesoa
sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa,
dia nandevy ny Fon’i Jesoa ary nientana iray ihany ny Tenany rehetra.
Ka hoy Izy:
“Aiza no nandevenanareo azy?”
Dia hoy ireo taminy:
“Andeha Ianao hizaha, Tompoko”.
Ary nitomany i Jesoa.
Dia hoy ny Jody:
“Akory ity haben’ny fitiavany azy!”
Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo:
“Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty,
nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny?”
Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa,
ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana,
izay zohy norakofana vato.
Ary hoy Izy:
“Esory ny vato”.
Ka hoy i Marta anabavin’ny maty taminy:
“Efa maimbo izy, Tompoko,
fa efa hefarana izay”.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy efa voalazako taminao va
fa raha mino ianao,
dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?”
Dia noesorina ny vato,
ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, Raiko,
satria efa nihaino Ahy Ianao.
Raha Izaho, dia fantatro
fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao;
fa noho ireto vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany,
mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy”.
Rehefa nilaza izany Izy
dia niantso tamin’ny feo mahery hoe:
“Mivoaha, ry Lazara”.
Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty,
ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty,
ary ny tavany nisarona lamba.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona:
“Vahao izy ka avelao handeha”.
Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta
sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana.
Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 3-7. 17. 20-27. 33b-45)
Tamin’izany andro izany,
Dia naniraka olona tany amin’i Jesoa ireo anabavin’i Lazara hilaza hoe:
“Tompo, marary ilay tianao”.
Nony ren’i Jesoa izany, dia hoy Izy:
“Aretina tsy ho fahafatesana ity,
fa ho voninahitr’Andriamanitra,
sy hahazoan’ny Zanak’Andriamanitra voninahitra.”
Ary tian’i Jesoa i Maria sy i Marta rahavaviny ary i Lazara.
Nefa nony reny hoe marary i Lazara,
dia mbola nitoetra indroa andro tamin’izay nitoerany ihany Izy.
Nony afaka izany vao hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Andeha isika ho any Jodea indray”.
Nony tonga tany i Jesoa,
dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa,
dia nandeha nitsena Azy izy,
fa i Maria no nijanona tao an-trano.
Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa:
“Raha taty Ianao, Tompoko,
dia tsy maty ny anadahiko.
Ary na dia izao aza, dia fantatro
fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra,
dia homen’Andriamanitra Anao”.
Hoy i Jesoa taminy:
“Hitsangana ny anadahinao”.
Fa hoy i Marta taminy:
“Fantatro fa hitsangana izy
amin’ny farandro fitsanganan’ny maty”.
Hoy i Jesoa taminy:
“Izaho no fananganana sy fiainana;
izay mino Ahy, na dia maty aza,
dia ho velona indray;
ary izay rehetra velona ka mino Ahy
dia tsy ho faty mandrakizay.
Mino izany va ianao?”
Dia hoy izy:
“Eny, Tompoko,
mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona,
Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao”.
Nandevy ny Fon’i Jesoa ary nientana iray ihany ny Tenany rehetra.
Ka hoy Izy:
“Aiza no nandevenanareo azy?”
Dia hoy ireo taminy:
“Andeha Ianao hizaha, Tompoko”.
Ary nitomany i Jesoa.
Dia hoy ny Jody:
“Akory ity haben’ny fitiavany azy!”
Fa hoy kosa ny sasany tamin’izy ireo:
“Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty,
nefa ny mason’ilay teraka jamba nampahiratiny?”
Dia niontana indray ny Fon’i Jesoa,
ary lasa Izy nankeo amin’ny fasana,
izay zohy norakofana vato.
Ary hoy Izy:
“Esory ny vato”.
Ka hoy i Marta anabavin’ny maty taminy:
“Efa maimbo izy, Tompoko,
fa efa hefarana izay”.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy efa voalazako taminao va
fa raha mino ianao,
dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?”
Dia noesorina ny vato,
ka niandrandra i Jesoa sy nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, Raiko,
satria efa nihaino Ahy Ianao.
Raha Izaho, dia fantatro
fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao;
fa noho ireto vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany,
mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy”.
Rehefa nilaza izany Izy
dia niantso tamin’ny feo mahery hoe:
“Mivoaha, ry Lazara”.
Ka niaraka tamin’izay dia nivoaka ny maty,
ny tongotra aman-tanany nisy fehim-paty,
ary ny tavany nisarona lamba.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny olona:
“Vahao izy ka avelao handeha”.
Ary maro tamin’ny Jody izay tonga tao amin’i Maria sy i Marta
sy nahita ny nataon’i Jesoa no nino Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Fanomezana ny hasin'ny fianakaviana no laharam-pahamehana ho an'ny Eglizy aty amin'ny Kaontinanta Afrika sy Madagasikara... ♦ Diosezy 18 no nandray anjara tamin'ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampiraisna ny mpino tany Mananjary... ♦ Tsy tokony hampisy sokajy hahazoana tombontsoa manokana ny fahasamihafan'ny asa fanompoana ao amin'ny Eglizy, hoy ny Papa François...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco