♦ Tontosa omaly ny fankalazana ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, sady nanolorana ihany koa ny solom-pen'akoho ho an'ireo seminarista teny an-toerana... ♦ Fanehoana kanto ara-panahy sy famelabelaran-kevitra no nampiavaka ny fankalazana ny Andron'ny Tenin'Andriamanitra, tamin'ny sabotsy 21 janoary 2023, nanoloana ny Librairie Saint Paul Analakely... ♦ Nanatontosa ny fitsidihana pastôraly tao amin'ny Diôsezin'Ambanja, tao amin'ny Fiangonana Masindahy Pierre sy Paul, Nosibe Hellville, i Mgr Donatien Francis Randriamalala, tao aorian'ny fanamasinana azy ny 15 janoary 2023...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 2, 3 ; 3, 12-13)

Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena.

Mitadiava ny Tompo,
ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany,
izay efa nanaraka ny lalàny;
katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena.
Ho tafaaloka angamba ianareo
amin’ny andron’ny fahatezeran’ny Tompo!
Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray
izay hatoky ny Anaran’ny Tompo.
Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina, na hilaza lainga,
ary tsy hahitana eo am-bavany intsony izay lela mandainga.
Fa hihinana sy handry feizay izy ireo,
ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10)

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.

Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny izay ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana,
no Tompo mamaha ny mpifatotra,

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika,
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 26-31)

Izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
jereo ange izato ianareo voaantso e:
tsy firy no hendry araka ny nofo,
tsy firy no mahery,
tsy firy no avo razana;
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala
no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry;
izay ataon’izao tontolo izao ho malemy
no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao,
dia ny atao ho tsy misy aza,
no nofidîn’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy,
mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo,
dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana
ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe:

Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)

Sambatra ny mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany, nony nahita ny vahoaka i Jesoa,
dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy,
dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

 

♦ Asa fanirahana amin'ny endrika vaovao ny fanendrena maha eveka, hoy i Mgr Donatien Francis Randriamalala, Evekan'Ambanja... ♦ Homarihana amin'ny antsam-panahy sy famelabelaran-kevitra manoloana ny fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy 21 janoary 2023, ny fankalazana ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra... ♦ Hitarika ny Sorona Masina hankalazana ny “alahadin'ny Tenin'Andriamanitra” ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny Papa François amin'ny alahady 22 janoary 2023...

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 11, 1-2. 8-19)

Manantena ilay tanàna mafy orina manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao azy izy.

Ry kristianina havana,
ny finoana no santatry ny zavatra antenaina,
sy porofon’ny zavatra tsy hita.
Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy.
Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy,
handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova,
ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay alehany.
Ny finoana no nitoerany tany amin’ny tany nampanantenaina
toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany;
toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba
izay mpandova izany tany nampanantenaina izany koa;
fa nanantena ilay tanàna mafy orina
manana an’Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy.
Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka,
na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy,
satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.
Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra,
sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina
no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty.
Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana,
nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina,
fa nahatazana azy lavitra fotsiny,
dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe:
vahiny sy mpivahiny izy no ety an-tany.
Manambara mazava izay milaza izany
fa mitady tanindrazana honenany izy.
Ary raha ny tany nialany no heverina amin’izany
dia ho azony atao ny miverina any indray;
fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany.
Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy,
dia tsy menatra Izy hantsoina hoe: Andriamanitr’izy ireo.
Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona,
raha nozahan-toetra izy.
Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,
sy nilazana hoe:
Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao;
eny, natolony io zanany lahitokana io;
satria ninoany fa na dia maty aza izy
dia hain’Andriamanitra atsangana,
ka dia noraisiny indray ny zanany,
ary tandindon-javatra izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Lioka (Lk. 1, 69-70. 71-72. 73-75)

Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely noho Izy namangy ny vahoakany.

Fa Izy nanolotra antsika herim-pamonjena
avy amin’ny fianakaviana iray,
dia ny an’i Davida mpanompo tiany,
fa izany tokoa no efa nolazainy.
Fa teniny nentin’ny mpaminany
dia ireo olo-masina fahagola.

Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo,
hanafaka antsika amin’ny mpankahala.
Noho Izy nandala ny razantsika
dia indro tsaroany ny fanekeny.

Fa teny nomeny an’i Abrahama
ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.
Amin’izay isika afa-manompo Azy
tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy,
fa entin’ny fo tia sy mahatoky
ho eo anatrehany lalandava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao;
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Iza ity no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomosina?

Tamin’izany andro izany, hariva ny andro,
ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:

“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.”

Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery
nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”

Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:

“Mangina, mitonia.”

Dia nitsahatra ny rivotra,
ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”

Ary natahotra dia natahotra izy ireo
ka nifampilaza hoe:

“Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy
no manaiky Azy?”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...