♦ Efa nivoaka ankehitriny ny vavaka ho an'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3, izay hotanterahana eto Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Notontosaina omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Gustavo Bombin Espino, izay nitantana ny Diôsezin'i Mahajanga tao anatin'ny efa-taona... ♦ Notanterahana omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, izay notendren'ny Papa François, ho mpiandry ondrin'ny Diôsezin'i Mahajanga...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 58, 7-10)
Izao no lazain’ny Tompo:
Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa;
ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana,
sy ny hampiantranoanao ireo mahantra sy tsy manan-kidirana,
sy ny hanafianao izay hitanao miboridana,
ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina,
ary ny fahasitrananao ho tonga faingana;
ny fahamarinana, hialoha lalana anao;
ny voninahitry ny Tompo ho vodilalanao.
Amin’izany ianao hiantso, ary ny Tompo hamaly;
ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe:“Inty Aho!”
Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga,
ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao,
sy mamoky ny fanahy miferin’aina;
hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao,
hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 111, 45. 6-7. 8a sy 9)
Ny olo-mahitsy fanilo amin’ny haizina,
fa marina, mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra
ny lalany voalamina araka ny rariny.
Tsia, tsy hirona izy mandrakizay,
ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.
Ny fandrenesana loza tsy mba atahorany
ny fony mitombina matoky ny Tompo.
Ny fony tsy matahotra fa mandry feizay,
mahafoy izy, omeny be ny mahantra
ny soa ataony maharitra mandrakizay,
ny hery sy voninahiny miasa mitombo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 2, 1-5)
Ry kristianina havana,
fony aho tonga taty aminareo,
dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena
no nitoriako ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo.
Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa
afa-tsy i Jesoa Kristy aho taty aminareo,
indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be
no nanatonako anareo;
sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana
no nampianarako sy nitoriako teny taminareo,
fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy
sy ny herin’Andriamanitra azy, ho marina;
mba tsy hiorenan’ny fonareo amin’ny fahendren’olombelona,
fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Ianareo no fanasin’ny tany;
fa raha ny fanasina no tonga matsatso,
hatao ahoana no fanasina azy indray?
Tsy ho azo atao inona intsony izy,
fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
tsy azo afenina izay tanàna miorina eo antampon-tendrombohitra,
ary tsy misy olona mampirehitra jiro,
ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana,
fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany
mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo,
mba hahitany ny asa soa ataonareo,
ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay an-danitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Notanterahana tamin'ny 7 janoary lasa teo ny fanamasinana diakra roa, sy fanamasinana pretra avy amin'ny Fikamabanan'ny Pretra Misiôneran'ny Fianakaviana Masina. Tao amin'ny Paroasy Ambalavao, any amin'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa no nanatanterahana izany... ♦ Nankalaza ny faha-100 taona niorenany ny Kôlejy Masina Misely Itaosy, izay tantanan'ireo pretra Karma, tamin'ny alatsinainy 23 janaoary 2023, tamin'ny alalan'ny Eokarisitia Masina notarihan'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
Ny olona tsirairay dia tsy maintsy manana vina sy tanjona raha te-ho tafita eo amin'ny fiainana. Io vina sy tanjona io dia azo avy amin'ny fananana "fahefana anaty" izay fanalahidin'ny fiainana manontolo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco