Vakiteny voalohany

Fiantombohan’ny taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 1, 1-2. 12-14)

Mpiteny ratsy aho fahiny, saingy nahazo ny famindram-pon’Andriamanitra.

I Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy,
araka ny didin’Andriamanitra Mpamonjy antsika,
sy i Jesoa Kristy fanantenantsika,
mamangy an’i Timôte, tena zanako amin’ny finoana:
ho aminao anie ny fahasoavana, sy famindram-po amam-piadanana,
avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompontsika!
Misaotra an’i Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho,
fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,
dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny,
sady mpanenjika sy mpanao an-keriny;
kanefa nahazo famindram-po aho,
satria tsy fahalalana no nanaovako izany,
noho izaho tsy mbola nanam-pinoana,
fa nony nomban’ny finoana amim-pitiavana
izay ao amin’i Kristy Jesoa,
dia nihoa-pampana ny fahasoavan’ny Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 15. 7-5. 11

Ianao re, ry Tompo, no zara lovako.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno
fa Ianao re no hany hifefeko.
Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.

Ka isaorako, Tompo, Ianao
fa nanolotra saina, fanahy.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala ankavanako Izy.

E ny lalan’ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany.
Ho finaritra mandrakizay,
izay mitoetra eo ankavananao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)

Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao izao fanoharana izao tamin’ny mpianany:

“Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va?
Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa?
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra,
fa izay mpianatra tapi-pianarana
no hoatra ny mpampianatra azy ihany.
Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao,
nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao?
Ary ataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe:

‘Ry rahalahy,
aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’

nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao?
Ry mpihatsaravelatsihy,
esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao;
izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka
amin’ny mason’ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 12-17)

Mitafia ny fitiavana izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny Salamo aman-kira fiderana,
mbamin’ny tononkira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6

Ny manana aina rehetra, aoka hidera ny Tompo!

Derao Andriamanitra any an-toerany masina!
Derao Izy any amin’ny habakabany mahery!
Derao Izy noho ny fahefany tsy toha!
Derao Izy noho ny halehibeny diso ohatra!

Derao Izy amim-peon’anjomara!
Derao Izy amim-baliha sy lokanga!
Derao Izy amin’amponga sy dihy!
Derao Izy amin-jejy sy sodina!

Derao Izy amim-kipantso-mikarantsana!
Derao Izy amin-kipantsom-pamindràna!
Ny manana aina rehetra
aoka hidera ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)

Aoka ho mpamindra fo toy ny Rainareo mpamindra fo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa an’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo
ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray,
dia atolory azy koa ny ilany
ary raha misy maka ny lambanao,
aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao,
dia aza mitaky izany aminy intsony.

Izay tianareo hataon’ny olona aminareo,
no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo,
fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany,
mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa,
tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo,
ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.

Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra,
sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tsy handrotsaka kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 9 novambra izao ny antoko Fiombonana. Izay no tapaka nandritra ny kôngresy nataon'ny antoko teny Ambatomirahavavy, Distrika Arivonimamo. Tsy mbola lavorary ny fepetra hisian'ny fifidianana hoy ireo mpikambana nandray anjara.... ♦ Very vokatry ny halata herinaratra ny 30% amin'ny vola tokony miditra amin'ny orinasa JIRAMA. Mampitandrina an'ireo izay mbola manao izany ny orinasa fa hiroso amin'ny famaizana mafimafy ho an'izay tratra manao izany... ♦ Mbola nametrahan'ny mpisolo vava ny fitokisany hitarika ny holafitra misy azy ireo ny Maître Raondry Alain. Tontosa ny sabotsy teo ny fifidianana....

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 1-11)

Maty ianareo, miaraka amin’i Kristy, koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo.

Ry kristianina havana,
raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo,
dia ny zavatra any ambony,
amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;
ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.
Fa maty ianareo,
ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo;
fa rahefa hiseho i Kristy izay fiainantsika,
vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo.

Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo,
dia ny an’ny etý an-tany, izany hoe:
ny fijangajangana,
ny fahalotoana,
ny fahavetavetana,
ny fanirian-dratsy,
ary ny filan-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra
amin’ny zanaky ny tsy finoana;
niara-nandeha tamin’ireny koa ianareo taloha
fony ianareo nanaraka izany fiainana izany.
Fa ankehitriny kosa,
ario koa izao zavatra izao:
dia fahatezerana,
fahavinirana,
fahasomparana,
fitenenan-dratsy,
teny mahamenatra aloaky ny vavanareo;
aza mifandainga ianareo,
fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin’ny asany,
ary efa notafianareo ny olom-baovao,
izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary
araka ny endrik’ilay Nahary azy,
ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody,
voafora na tsy voafora,
baribarianina na Sita,
andevo na olona afaka,
fa izao ihany:
i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 2-3. 10-11. 12-13ab

Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo.

Misaotra Anao, isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra,
tsy azo takarina ny halehibeny.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Ho fantatry ny olombelona anie ny Asanao mahery,
sy ny voninahitra ary ny harevaky ny Fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao,
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)

Sambatra ianareo mahantra. Loza ho anareo kosa ry mpanan-karena.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe:

“Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo.
Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona,
horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy
ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo,
noho ny amin’ny Zanak’Olona.
Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa,
fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra;
fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.

Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena,
fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo.
Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo.
Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo:
Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo,
fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...