Boky Jenezy (Jen. 12, 1-4a)
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanao tamin’i Abrama hoe:
“Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao
ary amin’ny tranon-drainao mba ho any amin’ny tany hasehoko anao.
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao,
ary hampanan-daza ny anaranao.
Ho tonga fanasoavana ianao:
ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko,
ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”.
Dia niainga i Abrama araka ny tenin’ny Tompo taminy,
ary niara-nandeha taminy koa i Lôta.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 32, 4-5. 18-19. 20 sy 22)
Eny, marina ny tenin’ny Tompo,
ny asany rehetra mahatoky,
ny rariny sy ny hitsiny no tiany,
mameno ny tany ny fitiavany.
Izay matahotra ny Tompo no ahîny;
eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany
hafahany amin’ny fahafatesana,
hovelominy amin’ny tao-mosarena.
Ilay Mpitahy, Mpiaro anay fifalifalian’ny fonay:
ny Anarany masina no tokinay.
Ny fitiavanao, ry Tompo ô,
ho aminay matoky Anao!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 1, 8b-10)
Ry havako malala,
aoka ianao hiara-mijaly amiko noho ny Evanjely,
sy hiankina amin’ny herin’Andriamanitra,
izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina,
tsy noho ny asantsika, fa araka ny fikasàny
sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa,
talohan’ny taona rehetra, sy naharihary ankehitriny,
tamin’ny nisehoan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.
Ilay nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana
aman-tsy fahalòvana tamin’ny Evanjely.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.
Tao anatin’ny rahona mamimpiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe:
Ity no Zanako malalako: henoy Izy.
Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny,
ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.
Dia niova tarehy teo anatrehany Izy;
ka ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro,
ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana.
Ary indreo niseho tamin’izy ireo i Môizy sy i Elia niresaka tamin’i Jesoa.
Dia niteny i Piera nilaza tamin’i Jesoa hoe:
“Tompo, mahafinaritra ny mitoetra aty;
ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo aty,
ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”.
Fa raha mbola niteny izy,
dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo.
Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe:
“Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy”.
Nony nandre izany ny mpianatra,
dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra.
Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy,
ka nanao taminy hoe:
“Mitsangàna, fa aza matahotra”.
Nony niandrandra izy ireo,
dia tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery.
Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy,
dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo:
“Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo,
ambara-pitsangan’ny Zanak’Olona ho velona”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nanatontosa ny atrik'asa fandravonana ny angonan-kevitra ho an'ny Sinaody "Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly ireo solontenan'i Madagasikara, ny 15 ka hatramin'ny 19 febroary 2023... ♦ Nosokafana ny alahady 19 febroary 2023 ny Aumônerie Catholique Universitaire ao amin'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Sorona Masina tamin'ny fombam-pivavahana bizantinina, notarihin'ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao Vatican, Mgr Paul Gallagher, no nanamarihan'ireo mpino okreniana ny tsingiren-taona voalohan'ny adin'n'i Russie sy Ukraine, ny talata 20 febroary 2023...
Ny fahatsiarovana ny maha olom-pirenena vanona dia mitondra fahatsaram-piainana sy fivoarana ary fandrosoana ao anatin'ny filaminana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Ny fiarahan-dian'ny Eglizy sy ao amin'ny Eglizy no nivoitra nandritra ny "Symposium" ny 17 sy 18 febroary tao amin'ny théologat Faliarivo... ♦ Napetraka araka ny fomban'ny Eglizy ny 19 febroary 2023 ny filohan'ny Antilin'i Madagasikara tao amin'ny Diosezin'i Mahajanga... ♦ Fanamby maharitra amin'izao vaninandro iainantsika izao ny teknôlojia vaovao, hoy ny Papa François, tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Akademia pontifikaly momba ny aina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco