Boky Jenezy (Jen. 2, 7-9 ; 3, 1-7)
Vovo-tany no nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona,
dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony,
ka tonga zava-manana aina ny olona.
Ary ny Tompo Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana,
ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.
Ary nampanirìn’ny Tompo Andriamanitra tamin’ny tany,
izao hazo rehetra mahate hijery sady fihinana isan-karazany izao
sy ny hazon’ny aina tao afovoan’ny saha,
ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha
izay nataon’ny Tompo Andriamanitra.
Hoy izy tamin-dravehivavy:
“Hay va re Andriamanitra nanao hoe:
Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha ianareo?”
Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava:
“Mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay;
fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha no nanaovan’Andriamanitra taminay hoe:
‘Aza mihinana amin’izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty ianareo’”.
Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy:
“Tsia, tsy ho faty akory ianareo;
fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo izany,
dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo,
mahalala ny tsara sy ny ratsy”.
Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana,
mahate hijery sy mendrika hoirìna mba hahazoana fahiratan-tsaina;
nioty tamin’ny voany izy,
dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.
Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy;
ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 50, 3-4. 5-6a. 12-13. 14 sy 17)
Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho,
diovy tokoa amin’ny hadisoako.
Eny, miaiky heloka aho:
tsaroako lalandava ny otako.
Ianao irery tokoa no nanotako;
ny ratsy imasonao no nataoko.
Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ô,
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho;
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.
Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera anao ny vavako.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 12-19)
Ry kristianina havana,
izao tontolo izao no nidiran’ny fahotana tamin’ny olona iray
sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana,
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra:
fa nisy ota ihany tamin’izao tontolo izao na talohan’ny Lalàna aza,
saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna.
Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin’i Adama ka hatramin’i Môizy,
na dia tamin’izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon’i Adama aza;
ary i Adama dia tandindon’ilay Adama ho avy.
Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana;
fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra,
mainka fa ny fahasoavan’ny Olona iray, dia i Jesoa Kristy,
no nandraisan’ny olona rehetra bebe kokoa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana.
Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana;
satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana;
fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana.
Ary raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana
noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fahamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray
no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny Olona iray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 17-19)
Ry kristianina havana,
izao tontolo izao no nidiran’ny fahotana tamin’ny olona iray
sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana,
ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana,
satria nanota avokoa izy rehetra:
Ary raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana
noho ny nataon’io anankiray io,
mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy
no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana
amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray
no nahatongavan’ny fahamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa
noho ny fahamarinana iray.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray
no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny Olona iray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy tenin’Andriamanitra!
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy tenin’Andriamanitra!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 4, 1-11)
Tamin’izany andro izany,
dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa mba halain’ny devoly fanahy;
ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy,
ka noana nony afaka izany.
Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe:
“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao,
ataovy tonga mofo ireto vato ireto”.
Fa namaly i Jesoa ka nanao hoe:
“Efa voasoratra hoe:
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”.
Tamin’izay dia nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina ny devoly
ka nametraka Azy teo an-tampon’ny Tempoly, dia nanao taminy hoe:
“Raha Zanak’Andriamanitra Ianao,
mianjerà any ambany any,
fa efa voasoratra hoe: Ny Anjeliny no nametrahany Anao,
ary izy ireo hitondra Anao eo an-tanany
fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Efa voasoratra koa fa:
Tsy haka Fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao”.
Dia nentin’ny devoly nankany ambonin’ny tendrombohitra avo dia avo indray Izy,
ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny,
ary hoy izy taminy:
“Homeko Anao izao rehetra izao,
raha miankohoka hivavaka amiko Ianao”.
Fa izao no navalin’i Jesoa azy:
“Mandehana, ry Satana,
fa efa voasoratra hoe:
Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao,
ary Izy irery ihany no hotompoinao”.
Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly
ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nanao fanentanana ny hijerena manokana ny fiainam-bahoaka, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nandritra ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, tany amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-56 taonany, i Mompera Ramarosandratana Ignace, avy ao amin'ny fikambanana Salezianina Don Bosco, androany zoma 17 febroary 2023... ♦ Ny dian'ny karemy sy ny Sinaody dia mikendry fivoan-tarehy, io no hafatry ny Papa François, amin'izao karemy hiatomboka ny 22 febroary 2023 izao...
Manova zavatra sy manatsara fiaraha-monina ny fitiavana sy ny fifanajana. Entanina ny rehetra hanao ezaka hiaina sy hametraka fitiavana ao am-po, hampirindra ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Boky Levitika (Lev. 19, 1-2. 17-18)
Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe:
“Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
lazao aminy hoe:Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho Andriamanitrareo.
Aza mankahala ny namanao ao am-ponao, fa mananara ny namanao,
mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao.
Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Izaho no Tompo Andriamanitrao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10. 12-13)
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
sy manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny hady,
manototra fitiavana sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika,
na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana,
ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany,
ny Tompo mangoraka an’izay matahotra Azy.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 3, 16-23)
Ry kristianina havana,
tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo,
ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra,
dia mba horavan’Andriamanitra kosa;
satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Aza misy mamita-tena;
fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao,
dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Satria ny fahendren’izao tontolo izao,
dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra,
araka ny voasoratra hoe:
Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy;
ary koa hoe:
Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry,
ary fantany fa zava-poana izany.
Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra,
na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao,
na fiainana na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny,
na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;
ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko;
ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-48)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.
Efa renareo fa voalaza hoe:Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny havanareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny Jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco