♦ Notendren'ny Papa François ho Nonce Apostolique eto Madagasikara, i Mgr Tomasz Grysa... ♦ Nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, ny Diakra Raherisoa Athanase... ♦ Nanao fitsidihana pastôraly tao Anosimisaona, i Mgr Rosario Vella...

30 septambra — Teraka tao Stridon akaikin’ i Aquilée any Dalmatie na Croatie ankehitriny i Jérôme. Nampihantain’ny ray aman-dreniny tokoa izy io satria telo ambin’ny folo taona izy vao nanan-jrandry mianadahy. Nianatra tany Milan sy tany Roma i Jérôme ary nanaraka ny fampianaran’i Aelius Donatus.

Ilay ny mampiasa ilay fahefana anaty, izay ananan'ny tsirairay. Mba hiova sy hihatsara ny fiainan'ny olona iray dia tsy maintsy manao ezaka izy handresy ny sakana anaty, ary manome vahana ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

29 septambra — Tsaroan’ny Fiangonana amin’ity daty ity ireo arakanjely indrindra fa i Michel, i Gabriel, ary i Raphaël. Misy antoko sivy manko ireo anjely, ary misy antana-tohatra telo. Dia eo ilay antsoina hoe : “Anges, Archanges, ary ny Principautés”.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...