28 septambra — Niaina tamin’ny toanjato fahafolo i Wenceslas, Vratislav ny rainy, duc tao Bohême ary olona nalaza tamin’ny ara-panahy, Drahomira kosa no reniny, mpanompo sampy izy io ary nankahala tanteraka ny kristianina. Nanan-janaka iray antsoina hoe Boleslav ihany koa izy, izay nobeaziny tao anatin’ny fanompoan-tsampy.

Nandefa taratasy fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'i Mgr Tomasz Grysa, Nonce apostolique vao voatendry hiasa eto Madagasikara ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Nambarany fa vonona amin'ny fiaraha-miasa ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.

27 septambra — Teraka ny 24 aprily 1581 tao amin’ny tanana kely ao Landes antsoina hoe Pouy i Vincent de Paul. Fianakaviana tantsaha manetry tena no nipoirany, mpiandry kisoa no asany tamin’ny fahatanorany. Nanapa-kevitra ny hanao pretra izy ka nanohy ny fianarana tany Dax sy tany Toulouse teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany.

♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hotontosaina ny Andron'ny Lahika, amin'ny taona 2023... ♦ Ezaka ataon'ny Lahika tsirairay avy ny ho tonga fanasina, hanome tsiro mahavelona ny fiainana andavanandro, hoy ny hafatry ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka Misahana ny Asa fanirahana ataon'ny Lahika, Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Zanaky ny Fiangonana miisa 677 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Vikaria Episkôpaly Afovoany, teny amin'ny kianjan'ny Kôlejy Masina Misely Amparibe...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...