26 septambra — Teraka tamin’ny taonjato fahatelo tany Arabie tany Cilicie i Côme sy i Damien. Kristianina ny reniny. Voalaza fa kambana izy miralahy ireto. Manana zandry telo mirahalahy ihany koa izy. Nandalina momba ny fitsaboana tany Syrie i Côme sy i Damien.

25 septambra — Teraka ny 13 jolay 1013 avy amin’ny taranak’andriana tao Souabe i Hermann. Comte tao Altshausen ny rainy. Vao teraka izy dia voan’ny lefakozatra ka nahatonga ny anarany amin’ny teny latinina hoe “Contractus”. Tsy afaka namindra izy ary sarotra ho azy ny miteny.

24 septambra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Masimbavy Thècle izay resahana amin’ity androany ity. Avy ao amin’ny tanana antsoina hoe Iconium izy, ao Asie Mineure io. Zanak’olona mpanompo sampy sady mpanan-karena i Thècle, Théoclie no reniny.

♦ Voatendry ho Administrateur diocésain ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, i P. Andrianandrainy Jeannot Martial... ♦ Fankalazana telo sosona no nanamarika ny alarobia 21 septambra 2022, ho an'ny Seminera Zandriny Ambohipo. Fankalazana ny faha-35 taona naha pretra an'i P. Alain Thierry Raharison, ny faha-15 taona naha pretra an'i P. Anselme Raveloarisoa ary fandraisana ny Recteur vaovao, P. Hervé Solofoarimanana... ♦ Mbola nafantoky ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika faha-38 tany Kazakhstan, ny katesizy izay nataony tamin'ny Audience générale, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...