Hatramin'ny fiandohan'ny tantarany mihitsy ny Eglizy no efa niezaka nanambara ny hafatr'i Kristy tamin'ny fampiasana ny fomba fihevitra sy fitenin'ny firenen-tsamihafa. Miohatra amin'ny fivoarana misy, izay tsy azo ihodivirana dia mandroso miaraka amin'izany koa ny fandraisan'ny Eglizy izay fivoarana takian'ny toetr'andro sady mifanohana amin'ny Vaovao Mahafaly... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

♦ Niakatra teo anivon'ny Fampanaovana teny Anosy omaly ireo olona voarohirohy tamin'ny fikasana hanao hetsika fanakorontanana sy fikasana hanimba fananam-panjakàna tamin'ity volana avrily ity. Isan'ny voarohirohy tamin'izany ilay teratany Frantsay miaramila teo aloha Guy Barret sy Kôlônely Patrick Rakotomamonjy... ♦ Masoivoho maromaro no notendrena nandritra ny filan-kevitry ny ministra hiasa amin'ny firenena aty Afrika sy any Eraopa... ♦ Maherin'ny 840.000 ny aina very vokatry ny loza amperin'asa maneran-tany. Manodidina ny 12 miliara Dollar ny fatiantoka hateraky ny olana ara-tsaina any amin'ny toeram-piasana...

Ny fivoarana sy ny fandrosoana : Manambara fifindrana, na ezaka na hetsika, ho amin'ny toerana tsara kokoa. Ireto fototra dimy ireto no tokony hifandanja mba handavorary ny fandrosoana : ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy sy ny maha-olona ara-piaraha-monina. Toetra sakana : Mifosa mandany fotoana sy manakorontana ny fiaraha-monina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abaraham.

♦ Manohy ny atrik'asa momba ny fihaonambe ara-miaramila izay efa natomboka tamin'ny 26 janoary ny foloalindahy Malagasy. Hitohy anio ny fandravonana ny hevitra sy ny toromarika avy amin'ny tafika manerana an'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny fitarihana haingana ny fikaonandoha hamaritana miaraka ny zotra sy fomba fiasa mandritra ny tetezamita (Satan'ny Tetezamita) ho an'ny fanavaozana ny firaisamonim-pirenena sy ireo vondrona, fikambanan'ny tanora maro... ♦ Niravona ny disadisa teo amin'ny mpitàna fomba sy ny taranak'Andriana Zanak'Ambohidratrimo taorian'ny fifandanminana ary tafajoro ny komity hanarina ny rova...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...