♦ 12 janoary ny andron'ny Manamboninahitra eo anivon'ny Tafika eto Madagasikara. Nisy ny hetsika notarihan'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Colonel Randrianirina Michaël, teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha, androany maraina... ♦ Tsy tokony hiala andraikitra ny Fanjakàna amin'ny fampiakaran-karama ho an'ny sehatra tsy miankina, hoy ny Fisemare... ♦ Mafampàna ny tsy fandriam-pahalemana ao Toamasina... ♦ Mandravarava izay lalovany ny afo ankehitriny, any Patagonie-Argentine. Manodidina ny 15.000 Ha ny velaran-tany misy ala levon'ny afo...

♦ 23 ny isan'ireo tranga voamarina ho nendran-drajako(MPOX) ka Faritra efatra no ahitàna izany, araky ny tatitra ôfisialy... ♦ Mandray anjara amin'ny fivoriana iraisam-pirenena hiresahana ny angovo any Abu-Dhabi ny filohan'ny Fanavaozana ny repoblika ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Teratany vahiny miisa roa no tratehaka raha saika hanondrana volamena sy gidro tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Manao antso avo amin'ny tokony hisian'ny dinika ho an'ny fandriam-pahalemana any Syrie sy Iran ny Papa Léon XIV...

--- Na dia efa tany amin’ny taona 2024 aza no velon’ahiahy amin’ny mety hisian’ilay aretina MPOX na ny NENDRAN-DRAJAKO isika teto Madagasikara, dia ny faramparan’ny volana Desambra teo vao voaporofo fa....nialoha lalana ny taona vaovao 2026...ny fisiny teto Madagasikara. MPOK, NENDRAN-DRAJAKO, fa tsy NENDRAN-DRAGIDRO araka ny nambaran’ny olona sasany. Na dia tsy ron-gisa koa aza ity aretina ity, dia fantaro fa misoko mangina ny fiparitahany ankehitriny. Mety tsara tokoa ny iray noho ny roa raha amin’ny lafiny hafa, saingy...tsy atoro ianao mpihaino fa zava-doza raha MISONGA ny isan’ireo marary. Tsy vitan’ny vava anefa izany satria toa efa malama am-bavan’ny maro ny hoe aza mandrimandry manana aretina.....aleo misoroka toa izay mitsabo, fa hindramin’ny AROFANINA kosa eto ny fandaharan’ny Dokotera eto amin’ny RDB hoe: "Andriano ny fahasalamana."

Aorian'ny vavaka prefasy dia atao "Ny Masina" (Sanctus), na io tononina na hiraina. Tononkira fihobiana sy fanandratana ny halehiben'ny fahamasinan'Andriamanitra io. Io tononkira io dia tsy miova fa hoe : "Masina, Masina, Masina, ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra. Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra. Hozana any amin'ny avo indrindra... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...