Ao anatin'ny fankamasinana dia misy dingana telo : ny fiangavian'ny mpitarika ny fidinan'ny Fanahy Masina hanamasina, fanamasinana ny mofo sy divay ho lasa vatana sy ran'i Kristy ary ny fanandratana. Rehefa vita ny Masina izay fihobiana an'Andriamanitra tompon'ny hery sy ny fahamasinana rehetra dia tohizin'ny pretra mpitarika ny vavaka miainga amin'iny tonom-bavaka "Masina" iny... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Hiroso amin'ny tetik'asa TNT Télévision Numérique Terrestre indray ny fitondram-panjakàna mijoro amin'izao fotoana izao, ahafahan'ny mpandraharaha manangana fahita lavitra sy onjam-peo ankalalahana, hoy ny Ministry ny Serasera sy Kolontsaina... ♦ Rariny raha nilaza ny filohan'ny Antenimieram-pirenena fa ho esorina ireo solombavambahoaka tsy tonga nivory tao anatin'ny fotoana maharitra hoy ny filohan'ny antoko ALFA... ♦ Mihaino ny sehatra tsy miankina ny Fanjakàna ary manome fanohanana hahazoana tontolon'ny fandraharahana milamina sy maharitra, nisy ny fihaonana omaly teo amin'ny FOM sy ny Ministeran'ny Indostria...
♦ Tonga niarahaba ny filohan'ny Fanavaozana an'i Madagasikara ny Kôlônely Randrianirina Michaël, sy ireo mpanolo-tsaina avo miara-miasa aminy ; teny lapam-panjakàna Iavoloha ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara, omaly, zoma 9 janoary 2026, noho ny fahatratrana ny taona vaovao... ♦ Maro ny haino aman-jery tsy ara-dalàna misokatra eto Madagasikara. Manoloana izany dia hisy ny fanadiovana atao, raha ny nambaran'ny ministry ny serasera sy kolontsaina omaly... ♦ Hanampiana ireo tanora mitady asa sy ny orinasa manana tolotr'asa dia hapetraka ato anatin'ny 6 volana ny "plate forme numerique nationale pour l'Emplois" (IZAHA ASA)...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco