♦ Tsy tale jeneralin'ny orinasa JIRAMA intsony ilay israeliana Rhon Weis. Nasolon'ny fitondrana azy ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana. Tontosa omaly ny famindram-pitantanana... ♦ 250 no isan'ny olona nahitàna soritr'aretina nendran-drajako (MPox) araky ny tarehimarika farany. Manentana ny malagasy hitandrin-tena ny Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama manoloana ity aretina mora mifindra haingana ity... ♦ Mila ampiharina eto Madagasikara ny tetezamita tena izy amin'ny alalan'ny fanapahana ny repoblika faha-efatra hoy ny HPM. Ifanarahana ny Praiministra hitantana izany tetezamita izany aorian'ny famaritana ny tondro-zotra...

Fihobiana no handikàna ny "anamnèse" amin'ny teny frantsay ka mety hieritreritra isika hoe misy fihobiana firy zany amin'ny lamesa fa ity dia fihobiana an'i Jesoa nijaly sy maty fa nitsangan-ko velona ary mbola ho avy am-boninahitra. Tsy rehefa hira miendrika fihobiana dia mety fa tokony ahitana foana ilay "Jesoa nijaly, maty, nitsangan-ko velona ary ho avy am-boninahitra... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

• Niova tampoka nanomboka androany ny Tale Jeneralin'ny orinasa JIRAMA. Voatendry ho Tale Jeneraly mpisolo toerana, ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana, nisolo an'Andriamatoa Rhon Weis... • Nandray fitenenana tamin'ny fivoriana iraisam-pirenena handinihana ny momba ny angovo, izay atao any Abu Dhabi androany, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Vita ny fanadihadiana sy ny angon-kevitra rehetra, hangatahana ny Fiangonana EKAR Ambodifotatra, Sainte Marie, ho isan'ny harem-bakoka iraisam-pirenena, ka nosoniavina androany teny amin'ny Lapan'Andafiavaratra izany...

♦ Manana herinandro hitondrana ny fiarovantenany ireo solombavambahoaka avy amin'ny vondrona IRMAR miisa dimy nahazo naoty fampahafantarana fanesorana avy amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana... ♦ Nahitàna trangan'Aretina MPox miisa 21 teto Madagasikara ny andron'ny alatsinainy 12 janoary teo, ka ao Mahajanga hatrany no foiben'ny aretina... ♦ Ny 17 aogositra hatramin'ny 27 aogositra 2026 no hanatanterahana ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny sy teknika ho an'ity taom-pianarana 2026 ity, efa nanomboka ny alatsinainy 12 janoary teo ary tsy hifarana raha tsy ny 10 avrily ny fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...