06 septambra — Teraka tao Garrigues akaik’i Uzès i Bertrand, iray amin’ireo mpiara-dia tamin’i Masindahy Dominique izy. Nanintona azy ny fahamasinana sy ny fanirian’i Masindahy Dominique ny hampibebaka an’i Cathares amin’ny alalan’ny vavaka sy ny oha-piainana amin’ny fahantrana.

♦ Tanora manodidina ny 28590 no niatrika ny JMJ Mada X, izay nanomboka ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022. Nanafatra azy ireo ny Fivondronamben'ny Eveka, mba ho sahy hijoro hiaro ny tontolo iainana ary ho sahy haneho marina tokoa ny hatanorana... ♦ Entanin'ny Papa François isika, amin'izao volana septambra izao, hivavaka mba ho foana ao anatin'ny lalan'ny firenena rehetra maneran-tany ny fanamelohana hofaty...

05 septambra — Zanaky ny mpisoron’ny Tamieh tao Fayoum, tany amin’ny sisin-tanin’i Lybie i Raïssa. Roapolo taona izy tamin’ny fotoana nanjakan’i Dioclétien. Resy lahatra io amperora sy ny mpiara-miasa aminy fa hamotika ny fivavahana kristianina.

04 septambra — Teraka tamin’ny taona 1140 i Rosalie, tompomenakely tamin’ny fotoana nanjakan’i Guillaume I ny rainy, taranak’i Charlemegne izy io. Ho fankasitrahan’ny mpanjakavavy Marguerite, vadin’i Guillaume dia nanolotra tany tao an-tendrombohitr’i Pellegrino akaik’i Palerme izy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...