Ny olona afaka dia manompo an'Andriamanitra, manatanteraka ny asa an-tsitrapo, tsy misy nenina, miasa am-pitiavana. Ny asa ny vahoaka afaka dia mamaritra ny maha izy ny olombelona. Ny miasa maimaimpoana dia mahafoy ho an'ny hafa sy ny Tompo. Ny fitiavana an'Andriamanitra misokatra amin'ny fitiavana ny hafa dia mampitodika amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
4 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)
♦ Miantso ny vahoaka Malagasy mba tsy ho voasarika amin'ny korontana samihafa mety hitarika amin'ny tsy filaminana eto amin'ny firenena, ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Miantso ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, mba hampiato ilay naoty nomeny ireo solotenam-panjakana, ny Administrateur Civil, Julien Andriamorasata. Endrika fampielezan-kevitra ny fampiharana izany, raha ny nambarany... ♦ Mbola tena tsy miravona ny disadisa eo amin'ireo mpanakanto sasantsasany sy ny Minisitera mpiahy azy ireo, manoloana ny OMDA...
Boky Deteronômy (Det. 6, 4-13)
Hoy i Môizy tamin’ny vahoakan’i Israely:
“Mihainoa, ry Israely:
Ny Tompo Andriamanitsika dia Izy ihany no Tompo.
Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao.
Alatsaho ao an-tsain’ny zanakao izany;
ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao,
na mandry ianao, na hiarina.
Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao,
ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao.
Soraty eo amin’ny tolam-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao.
Raha avy izay hahatafidiran’ny Tompo Andriamanitrao anao
any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao, homena anao,
tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao;
trano feno zava-tsoa isan-karazany, tsy nofenoinao;
dobo famorian-drano, tsy nolavahanao,
voaloboka amam-pototr’ôliva, tsy nambolenao,
dia hihinana sy hivoky ianao;
ka tandremo fandrao manadino ny Tompo izay nampivoaka anao
avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy,
ary aoka ny Anarany no hianiananao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 17, 2-3a. 3bd-4. 47 sy 51ab
Mamiko Ianao, ry Tompo izay heriko,
Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitro mpanafaka
sy haram-bato fialofana.
Ampinga sy tandro-pamonjena,
fiarovana-avo ho ahy!
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny fahavaloko aho!
Veloma anie ny Tompo!
Hisaorana ny vatolampiko.
Hasandratra ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakanay;
anehoany hatsaram-po ny voahosony;
dia i Davida sy ny taranany hatrany amin’ny mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 14-19)
Tamin’izany andro izany,
nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe:
“Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy;
mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra,
fa matetika mianjera any anaty afo,
ary matetika koa any anaty rano.
Nentiko tamin’ny mpianatrao izy,
fa tsy nahasitrana azy izy ireo.”
Ary namaly i Jesoa nanao hoe:
“Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
Ento aty amiko izy.”
Dia norahonan’i Jesoa ny demony ka nivoaka,
ary sitrana niaraka tamin’izay razazalahy.
Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe:
“Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?”
Hoy i Jesoa taminy:
“Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo.
Fa lazaiko marina aminareo,
fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo,
ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe:
‘Mifindrà erý ianareo’,
dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco