29 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)

♦ Mbola mety hien-danja ny Ariary miohatra amin'ny vola vahiny, hoy ny mpahay toekarena, Jean Jacques Ratsietison. Ny fihenan'ny vola vahiny miditra eto amintsika no anton'izany, araka ny fanazavany... ♦ Nizarana bisikileta ny mpianatra sy ny mpampianatra an-jatony mendrika, tao amin'ny CISCO Ambohidratrimo. Fanomezana avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nahazo fitaovana hampiasaina amin'ny famokarana sy fanodinana ronono, avy amin'ny tetikasa "Profi-lait" tantanan'ny MDB, ireo mpiantsehatra sy ireo mpahazo tombontsoa...

♦ Ankizy avy amin'ny Diôsezy 22, manodidina 15.000 no miatrika ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, tanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nanomboka omaly hatramin'ny alahady ho avy izao... ♦ Mangataka vavaka ho an'ny tanora maneran-tany ny Papa François, mandritra io volana aogositra ho avy io... ♦ "Araraoty hananganana ny ho avy ny hatanorana", hoy ihany Papa François amin'ny hafatra nomeny ireo tanora izay manatanteraka fihaonana hatramin'ny alahady izao, ao amin'ny "Sanctuaire de Medjugorje" any Bosnie-Herégovine...

Resy lahatra amin'ny maha zava-hehibe ny famokarana ara-biôlôjia, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny fikambanana Tsiky Tsika, ato amin'ny Faritra Analamanga. Isan'izany Rabadaoro Tsimatahomanana, monina ao amin'ny Fokontany Soanavela, Kaominina Fihaonana, Disitrikan'Ankazobe.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...