Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. Dia hoy ny devoly taminy: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io". Fa hoy i Jesoa taminy: "Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra".

Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, ary hoy izy taminy: "Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy". Fa izao no navalin’i Jesoa azy: "Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao".

Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny, ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao". Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra hoe: "Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao". Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.

♦ Nandefa telegrama ho fiombonam-po sy fankaherezana ny vahoaka Malagasy, ny Papa François... ♦ Atolotr'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny vavaka iombonana ho an'ny JMJ Mafa faha-10... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Filohan'ny Repoblika Zambiana, Hakainde Hichilema...

♦ Hofaranana amin'ny 31 jolay 2022 ny Sinaody nasionaly eto Madagasikara, fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Ilaina ny fahaiza-mihaino sy ny firaisan-tsaina, manoloana ny fiovan'ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena, vokatry ny Covid-19... ♦ Natokan'ny Papa François ho taona masina hanamarihana ny fahateraham-baovao ny taona 2025...

Tamin’izany andro izany i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany hoe: "Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao? Ary hataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao, izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao. Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany."

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...