♦ Manomana ny fihaonam-be momba ny raharaham-pirenena amin'ny volana jolay ny FFKM. Misy nanomboka androany ny fihaonam-paritra hanangonan-kevitra ho entina amin'izany... ♦ Manambana ny hidina an-dalambe ny Vondron'ny Mpanohitra G5, ao aorian'ny Fetim-pirenena. Mitaky ny haneken'ny fitondrana hidinika an-databatra boribory izy ireo, mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana... ♦ Mbola tena tsy ampy ny mpanome rà hanavotana aina eto amintsika. Ny amapahadimin'ny filana ihany no avy amin'ireo mpanome rà an-tsitrapo...
♦ Tsy ekena ny fikasihan-tanana ataon'ny mpanao pôlitika amin'ny mpitandro ny filaminana, toy ny zava-nisy tany Morondava hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Mandalo fankatoavana eny amin'ny antenimeram-pirenena anio ilay famatsiam-bola 250 tapitrisa dôlara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena hanavaozana ny tambazotra herinaratry ny Jirama... ♦ Manodidina ny 400.000 isa ny olona efa nisitraka ny fizaham-pahasalamana na ny fitiliana na ny toro-hevitra sy fanafody, tao anatin'ny Rodorodo ara-pahasalamana. Niainga omaly indray ny Caravane Médicale ho an'ny Itasy sy Bongolava ary Sôfia... ♦ Anio tolakandro no halevina ny praiministra Italiana teo aloha Silvio Berlusconi...
Ny fampinonoan-dreny dia dinga iray eo amin'ny fitondrana ny zanaka ary adidin'ny reny. Ny fotoana ahafantarana fa mitondra vohoka ny vehivavy dia efa tokony hivonona amin'ny fampinonona izay ho reny. Ny nonon-dreny dia manampy ny zaza amin'ny fitomboany satria mbola marefo ny taova ao anatiny, sady sakafo no vaksiny ho an'ilay zaza. Ny fampinonoan-dreny dia manampy ny reny hamerina ny toe-batany sy ny taova rehetra. Ny fampinonoan-dreny dia atao tsy misy fangarony anatin'ny 6 volana.
♦ Hisokatra amin'ny fomba ofisianly anio any Genève ny fihaonana an-tampon'ny OIT na ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny asa, rahampitso no handray fitenenana anatin'izany filohan'ny repoblika Andry Rajoelina... ♦ Nanamafy ny teo anivon'ny CENI fa hisy ny fifidianana filoham-pirenena amin'ity taona ity. Araka ny fantatra moa dia ny 9 novambra izao ny fiodinana voalohany ary ny 2 desambra kosa ny fiodinana faharoa... ♦ 492 tapitrisa Euro no azon'i Madagasikara anatin'ny famatsiam-bola amin'ny alalan'ny tahirim-bola eraopeana ho an'ny fampandrosoana na ny FED andiany faha-11... ♦ Nahafaty olona 6 ny Oram-be nitranga tany Cuba...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco