09 jolay — Teraka tao amin’ny faritanin’i Sichuan tao Chine i Augustin Zhao Rong, mpanompo sampy ny fianakaviany. Nilatsaka ho miaramila izy teo amin’ny faha-20 taonany ka ny 1857 dia izy no nitondra ireo gadra kristianina nakany Pékin ary anisan’izany gadra izany moa i mompera Gabriel-Taurin Dufresse.
♦ Niantso ny isam-pianakaviana hifanome tanana amin'ny fampanjariana ny fandriam-pahalemana, ny Arsevekan'i Toamasina, ny Kardinaly Tsarahazana Désiré... ♦ Hotanterahana ny 9 sy 10 jolay ny fihaonam-ben'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Manentana ny rehetra hivavaka ho an'ny zokiolona ny Papa François, mandritra ny volana jolay...
08 jolay — Zanak’i Bouchard de Marly sy Matilde de Châteaufort, zafikelin’ny mpanjaka Louis VI, i Thibaut. Teraka tao Marly izy, ary toy ireo zanak’andriana rehetra dia nahazo fanabeazana ho miaramila fa tao amin’ny tontolo tena kristianina. Mbola kely izy dia efa nanana fanajana manokana an’i Maria Virjiny izay nambarany fa reny tsara sy mpampianatra malalany.
07 jolay — Teraka Granada Nicaragua ny taona ny 1902 i María Romero Meneses, nanan-katao tokoa ny fianakaviany. Teo amin’ny faha-13 taonany izy, raha nianatra tao amin’ny masera Filles de Marie Auxiliatrice, izany hoe ny fikambanan’ireo masera salezianina manara-dia an’i Don Bosco.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco