Zava-dehibe no hahafantarantsika fa ao amintsika : Andriamanitra Ray, zanaka, ary Fanahy Masina. Andriamanitra Ray : amin'ny alalan'ny saina izay misy ny fahefana anaty. Ny zanaka ao amin'ny fo izay misy ny aina, izy mantsy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misaraka amin'izy ireo ny Fanahy Masina araka izay voalaza hoe "tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ny tenanareo". Fandaharana "mba ho vanona".
13 ôktôbra — I Alexandrina de Balazar na Alexandrina Maria da Costa no tena anarany, dia teraka ny 30 marsa 1904 tao amin'ny toerana antsoina hoe Gresufes, tao amin'ny tanana kelin'i Balazar, distrikan'i Porto tao amin'ny arsidiôsezin'i Braga ao Portugal. Alarobia masina tamin'izay ary ny sabotsy masina tao aorian'io izy no natao batemy, izany hoe ny 02 aprily 1904.
12 ôktôbra — Marihana ety am-piandohana aloha fa ny datin'ny 02 ôktôbra no nahafatesan'i mompera Jan Beyzym, izany hoe io no daty nahaterahany any an-danitra. Ny datin'ny 02 ôktôbra moa efa lasa, fa misy ihany koa ireo tetiandro izay milaza fa ny 12 ôktôbra no ahatsiarovana azy, eo ireo milaza fa ny 18 aogositra.
11 ôktôbra — Teraka tao Narbonne tamin'ny 516 i Firmin. Tonga tao amin'ny dadatoany antsoina hoe Roricius tao Uzès izy. Eveka tao io dadatoany io nanomboka ny taona 533 hatramin'ny taona 538, izy io no eveka fahatelo tao amin'ity tanana ity.
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco