12 jolay — I Masindahy Olivier Plunkett dia Irlandais izy io, teraka ny taona 1629. Nahazo fanabeazana tsara tao amin’ny trano fitokana-monina tao Sainte Marie Dublin izy ary nisy fianakaviany ihany koa lehibe tao amin’izany trano fitokana-monina izany.
♦ Fivoriana sy laretirety no hanamarihana ny volan'ny pretra ho an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Nihaona nandritra ny efatra andro ny Misiona Fianakaviana Masina sy ny Misiona Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanentana ny rehetra hivavaka ho an'i Sri-Lanka, izay miaina ao anatin'ny olana ara-toekarena sy pôlitika, ny Papa François ny alahady 10 jolay 2022...
11 jolay — Teraka tao Nursie tao Ombrie ny taona 480 i Masindahy Benoît. Vao 14 taona monja izy no nandao ny toerana nahaterahany ary niazo an’i Roma mba hanohy ny fianarany. Nandositra ny tanan-dehibe sy ny rendrarendran’izao tontolo izao izy ka avy eo nitoka-monina irery tany amin’ny lava-bato tany Subiaco nantsoina hoe Sacro Speco.
10 jolay — Ulrich roa no horesahantsika esto. Ny voalohany dia taranaka andriana allemand. Mpiandraiki-draharahan’ny impératrice germanique Agnès d’Aquitaine, vadin’i Henri III. Avy eo moa izy niditra tao amin’ny fikambanana bénédictin ka nankany Cluny ary tao no nahafantarany an’i Masindahy Hugues, lehiben’ny fikambanana clunisien.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco