♦ Ny tsy fahampian'ny mpiambina ny fanadinana Bakalorea, no olana hita tamina foibem-panadinana sasany androany... ♦ Tahotra ny mbola ho firotsahan'ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena ho avy, no niezahana nivoizana ny resaka zom-pirenena frantsay nanany, hoy ny Loholon'i Madagasikara, Tsiebo Mahaleo... ♦ Niverina nanatanteraka fiandrasan-draharaha nanomboka androany hatramin'ny alakamisy ho avy izao, ireo mpiasa eo anivon'ny CNaPS...
♦ Mampahomby ny iraka ny fiombonana sy ny fandraisana anjara, hoy ny Evekan'ny diosezin’i Tsiroanomandidy, Mgr Gabriel Randrianantenaina... ♦ Hampiavaka ny Fihanonam-be Nasiônalin’ny Ankizy Katôlika eto Madagasikara ny “Village Laudato Si’” ho tanterahana ny 29 jolay 2023... ♦ Amboaran’ny firahalahiana ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora, hoy ny Papa François...
♦ Nanambara ny Filoham-pirenena fa mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny ny orinasa JIRAMA. Nanome toromarika ny Ministra tompon'andraikitra nefa Andriamatoa Andry Rajoelina fa tsy maintsy mifarana ao anatin'ny roa tokombolana ny fahatapahan'ny herinaratra... ♦ Diso fanantenana amin'ny Filohan'ny repoblika ny mponin'i Toliara ny mpikamban'ny RMDM Justin Tovondrainy. Tsy tanteraka hoy izy ny fampanantenana natao, isan'izany ny fanamboarana ny kianja Maître Kira... ♦ Mivahiny eto Madagasika mandritra ny roa andro ny filoha lefitry ny Banky Eraopeana ho an'ny fampiasam-bola Ambroise Fayolle...
♦ Nanambara ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa nangataka ny zom-pirenena frantsay izy sy ny ankohonany noho ny fitiavan-janaka. Tsy hanova ny fitiavan-tanindrazana ao aminy ny fananany izany araka ny tafa nataony tamin'ny vahoaka malagasy alina... ♦ Mila mametraka ny toe-tsain'ny fisandratana isika eto Madagasikara hoy ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina mba ahafahana mampandroso ny firenena. Isan'izany ny toe-tsaina amin'ny fanohizana ny raharaham-panjakàna... ♦ Manomboka androany ny fanadinana Bakalôrea manerana ny nosy. Mpiadina maherin'ny 205.000 no hiatrika izany...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco