Na mbola tsy mahalala kolikoly aza ny zaza dia efa misy fanabeazana azo atao mba tsy hitodika amin'izany izy. Na tsy resahana ny zaza àry ny hoe kolikoly dia ny fomba fihetsika manoloana azy mihitsy no mila tandremana mba tsy hampirona azy amin'izany. Tsy ny resa-bola ihany no endrika isehoan'ny kolikoly fa maro ary isan'izany ny fomba fiteny, ka eo indrindra no miditra ny fanabeazana ny toe-tsain'ny zaza dieny mbola kely izy...
♦ Nahatratra hatrany amin'ny 1,1 miliara Euros, ny fifanakalozana ara-barotra teo amin'i Madagasikara sy i Frantsa, tamin'ny taon-dasa, izay ambony indrindra teo amin'ny tantaran'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta... ♦ Famonjena ny firenena amin'ny tsy fahampian'ny tolotra arak'asa ho an'ny Malagasy sy ho fametrahana ny indostria ho fototry ny fampandrosoana, no tanjon'ny fanavaozana ny làlana mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara, izay efa lany tamin'ny asam-baomiera teny Tsimbazaza...
Fanaon'ny mpanely tsaho sy mpilaza vaovao tsy marina ny mitady fomba mba hiverimberenan'ilay hafatra na tsaho tiany aely, mba ho maro ny hino azy ary hahatonga azy ho toy ny hoe tena zava-nisy sy vaovao marina tokoa ilay ambarany. Aza Manampy ny ratsy fanahy ka mitsangan-ko vavolombelona manombotomboka (Eksaody 23, 1). Tsy tokony ho baikon'ny fihetseham-po ny olona iray. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
Vehivavy tsy mba maro teny na be finari-bava i Maria, misy zavatra maika sy manan-danja kokoa aminy noho izay mety ho dindony na fijery azy ivelany. Ny tenany dia tsy mba faritany amin'ny firentiny ivelany fa miaina kosa ny tena maha izy azy marina. Fantany fa tsy maintsy mikolo ny tena izy tsy misy ankosotra sy ny fitiavany lalina ny Zanak'Andriamanitra sy ireo anadahy sy rahavavy rehetra, ankehitriny sy mbola ho avy izy. Tsapany tsara fa ny fitiavana dia mahay mampiely ny tenany sy miseho amin'ny tena izy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahatelo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco