Ny mofo dia mifono hevitra tena mafonja. Sady manambara ireo filan'ny olombelona izy, no manambara ihany koa ny famonjen'Andriamanitra. I Maria dia sady maneho no mahafantatra ireo filan'ny olombelona ireo. Avy amin'ny alalany, dia tonga eto anivon'izao tontolo izao i Jesoa, zanany, hany famonjena ho antsika. I Jesoa miaraka amin'i Maria no ilay mofa zaraina tsy miato mba ho fahasambaran'ny rehetra sy ny tsirairay. Hasivianandro fiomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro voalohany.

♦ Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny faran'ny herinandro teo ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Tsy misisika amin'ny fametrahana ny tetezamita ny filohan'ny HVM. Ny Zava-misy manodidina ny fiainam-pirenena no manosika ho amin'izany hoy izy... ♦ Tsy azo ovaina intsony ny zotra andehanan'ny teleferika ao an-drenivohitra. Vonona hanazava ny tetik'asa amin'ny mpitantana ny Sekolintsika ao Analamahintsy ny Ministera tompon'andraikitra... ♦ Mahomby ny fametrahana ny tetik'asa Madagasikarantsika ao amin'ny Faritr'i Vakinakaratra. Fianakaviana vondron'olona ifotony 300 mahery ao Ampotaka no misitraka fidiram-bola vaovao amin'ny fametrahana ny valan-javaboahary amin'ny velaran-tany 100 Ha mahery...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)

Niray saina izy rehetra ary naharitra nivavaka izy ireo.

Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 26, 1. 4. 7-8a

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo, any amin’ny tanin’ny velona.

Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko Anao, ry Tompo:
ny honina an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako,
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany masina.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso;
iantrao aho ka valio.
Tadiavo ny Tavako, hoy ianao:
ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 4, 13-16)

Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy.

Ry hava-malala,
mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy,
mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana
amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy,
fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana,
dia ny Fanahin’Andriamanitra.
Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona,
na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;
fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany,
dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy,
fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza,
noho izany anarana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo,
fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11a)

Ray ô, omeo voninahitra ny Zanakao.

Tamin’izany andro izany:
i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe:

“Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao,
mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,
fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy,
mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Ary izao no fiainana mandrakizay,
dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin’ny tany,
fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.
Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô,
ny manome voninahitra Ahy eo aminao,
dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.
Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho;
Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.
Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy;
satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny;
dia fantany marina fa avy aminao Aho,
ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.
Mangataka ho azy ireo Aho.
Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho,
fa ho an’izay nomenao Ahy,
satria Anao izy ireo
(fa Anao izay Ahy rehetra ary Ahy izay Anao rehetra),
ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.
Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho;
izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao,
fa Izaho kosa ho any aminao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny tsy fahalalana ny marina no fototry ny fanelezana tsaho sy ny vaovao tsy marina. Tokony hiezaka hamantatra ny marina vao milaza zavatra iray amin'ny olona hafa. Mila malina mandrakariva amin'ny fisian'ny tsaho. Tsy zoviana amintsika intsony ny fisian'ilay antsoin'i Jesoa hoe "mpaminany sandoka" ; aelin'izy ireny hisarihana ny sain'ny olona ny hoe "ho tonga ny farandro"... Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...