Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe: "Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana." Dia hoy ny Farisianina taminy: "Manambara tena Ianao, ka tsy marina ny fanambaranao." Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Na dia manambara tena aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay niaviako sy izay alehako, ary ianareo tsy mahalala izay iaviako sy izay alehako. Ianareo mitsara araka ny nofo, fa Izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza. Ary raha mitsara Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy Izaho irery, fa Izaho sy ny Ray izay naniraka Ahy; ka araka ny voasoratra eo amin’ny Lalànareo, dia marina ny fanambaràn’ny olona roa. Ary Izaho sady manambara ny tenako no ambaran’ny Ray izay naniraka Ahy koa." Dia hoy ry zareo taminy: "Aiza ny Rainao?" Fa i Jesoa namaly hoe: "Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha mahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa." Teo amin’ny fandatsahan-drakitra no nilazan’i Jesoa an’izany, raha nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; nefa tsy nisy nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany an-tendrombohitra Oliva, fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly Izy, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo Izy. Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka narosony teo afovoany. Dia hoy izy tamin’i Jesoa: "Ry Mpampianatra, azo nijangajanga itý vehivavy itý. Ary i Môizy ao amin’ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa Ianao kosa mba ahoana, hoy Ianao?" Izy no nanao izany, dia ny hakany fanahy Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin’ny rantsan-tanany teo amin’ny tany. Ry zareo amin’izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany Azy ihany, ka nitraka Izy dia nanao taminy hoe: "Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany." Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany. Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no lohalalana, ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. Izay vao nitraka i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va?" Hoy izy: "Tsy nisy, Tompoko." Dia hoy i Jesoa: "Izaho koa tsy hanameloka anao. Mandehana, ka aza manota intsony."

Tamin’izany andro izany, nisy Jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety, nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: "Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay". Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre, ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa. Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe: "Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona. Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy, fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy. Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao. Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao". Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Efa nomeko voninahitra Izy, ary mbola homeko voninahitra indray". Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: "Kotro-baratra izany"; fa hoy kosa ny sasany hoe: "Anjely niteny taminy izay". Dia hoy i Jesoa hoe: "Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo. Ankehitriny, dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpifehy an’izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy". Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.

Tamin’izany andro izany, nony nandre ny tenin’i Jesoa ny vahoaka, ny sasany nanao hoe: "Itý tokoa no Ilay Mpaminany"; ny sasany nanao hoe: "Itý no Kristy"; fa hoy kosa ny sasany: "Fa angaha avy any Galilea no iavian’i Kristy? Tsy voalazan’ny Soratra Masina va fa avy amin’ny taranak’i Davida, sy avy amin’ny tanàna Betilehema nitoeran’i Davida no hiavian’i Kristy?" Koa nisara-tsaina ny aminy be ihany ny vahoaka. Ny sasany tamin’izy ireo aza nitady hisambotra Azy; saingy tsy nisy sahy nitàna Azy. Dia niverina tany amin’ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina ny miaramila, ka nilazan’ireo hoe: "Ahoana no tsy nitondranareo Azy?" Fa hoy ny navalin’ny miaramila: "Tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny Lehilahy iny." Dia hoy ny Farisianina tamin’ireo: "Ianareo koa angaha voasolokiny? Jereo ange raha mba misy loholona na Farisianina iray akory nino Azy? Ary raha izay vahoaka foana tsy mahalala ny Lalàna akory, dia olona voaozona ireny." Dia i Nikôdema ilay nanatona an’i Jesoa nony alina sy anisan’izy ireo, no nanao taminy hoe: "Moa ny Lalàntsika va manameloka olona raha tsy efa re aloha ny teniny, ka fantatra koa izay nataony?" Fa namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: "Ianao koa ve avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany avy any Galilea." Dia samy lasa nody any an-tranony avy izy ireo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...