Napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny zavaboahary mahagaga aho. Ny olombelona no zavaboahary tsara indrindra nataon’Andriamanitra. Isan’izany aho sy ireo olona manodidina ahy : izay no antsoina hoe fiaraha-monina. Faly aho fa manana ny toerako eo anivon’ny fiaraha-monina misy ahy. Manana adidy aho manoloana izany: manatsara azy, mikajy ny soa iombonana, mandray andraikitra, mibe sy manabe ny hafa, ho modely ho an’ireo tanora namako. Fandaharana "miaina sy mitia"

Ny fitaovam-pifandraisana dia manome sehatra ahafahana manasongadina ny "fifanakalozana". Ny fitaovam-pifandraisana dia minamafy ny fifandraisan'ny mpiara-belona ary isan'ireo mampisy ny "fiombonana". Misarika ny sain'ny mpampiasa ny fitaovam-pifandraisana ny Egilsy mba hahay handanjalanja ny fampiasana azy io. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

26 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 15-19)

♦ Hampitombo ireo lesoka sy tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2018, ny tsy fanovana ny lalàna mifehy ny fifidianana, ho ny KMF/Cnoe... ♦ Velaran-tany 45.000 Ha no simba any amin'ny faritra arovana Menabe Antimena, tato anatin'ny 20 taona, vokatry ny fifindra-monina. Omena tany 2 Ha isan'isany, ireo fianakaviana 500 mpifindra monina any, anatin'ny tetikasa "Titre Vert"... ♦ Olona telo no naratra, iray maty, vokatry ny asan-jiolahy sy halatra omby, tany amin'ny Distrikan'i Fenoarivobe, ankoatra ireo omby 20 very...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...