♦ Hiverina an-tsekoly indray ny mpianatra manerana ny nosy manomboka anio, rehefa nahazo fialan-tsasatra herinandro. Hiatrika ny roa volana faharoa amin'ity taom-pianarana 2022-2023 ity izy ireo amin'izany... ♦ Nahavita ny kôngresiny ny antoko AVANa, anatin'ny vovonana manohana ny fitondràna ny faran'ny herinandro teo. Mangataka ny mbola hirotsahan'ny filoham-pirenena ankehitriny ho fidiana amin'ny taona 2023 ity antoko ity... ♦ Misaona ny zava-kanto malagasy. Nodimandry omaly maraina teo amin'ny faha-71 taonany ny mpanakanto DEDESSE. Notsaboina tany Antsiranana izy izao nindaosin'ny fahafatesana izao...

07 nôvambra — Teraka tao Steisslingen, Allemagne i Ernest, ary mbola tanora izy no niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Zwiefalten tao amin'ny farihin'i Constance. Nitantana io trano fitokana-monina io izy ny taona 1141 ka hatramin'ny taona 1146.

Maro ny fianakaviana amin'izao fotoana izao no tsy mahafantatra an'Andriamanitra Mpahary azy intsony, na minia tsy mahafantatra, na mino Azy ihany saingy noho ny fiainana andavanandro dia hadino Izy Andriamanitra. Ny fitsaohana an'Andriamanitra dia fanehoana fitiavana izay manova fianana. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Alatsinainy 7 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindady Lioka 17, 1-6

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...