♦ Nisy fanavaozana ny sehatry ny fanondranana letsia teto Madagasikara tamin'ity taom-pihotazana 2025 ity. Nohalalahana ny sehatry ny fanondranana ; tsy nisy intsony ny ampihimamba nataon'ny mpandraharaha sasany... ♦ Raha ny fironana politika ankehitriny dia ny fandravàna ireo andrim-panjakàna rehetra eto amin'ny firenena no tokony atao aorian'ny fihaonambem-pirenena hoy ny ACS Fikambanana ivondronan'ireo Loholona sy mpikamban'ny filan-kevitra ambony an'ny tetezamita teo aloha... ♦ Mbola tsy tafaverina amin'ny asany, fito volana aty aoriana, ireo sendikalista telolahy mpiasa eo anivon'ny orinasa SMMC Toamasina, nahiditra am-ponja nandritra 2 volana sy herinandro...

Mila fahazarana ny famakiana ny Soratra Masina ; ao anatin'ny Soratra Masina no hakana ny teny vakiana sy ny toriteny noho izany dia tsy azo atao ambanin-javatra ny Soratra Masina ao amin'ny Litorjia. Ny Soratra Masina dia loharano fototra amin'ny Litorjia rehetra. Ny fankalazana rehetra dia tokony hanana laharana lehibe ho an'ny Tenin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Manana adidy lehibe izay olona sy mpikambana voatendrin'ny Fiangonana hiandraikitra ny "Justice et Paix" mba hiaro tanteraka ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriam-pahalemana. Ny zo aman'adidy dia izay voafaritry ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezana, mifamatotra ireo ; Ny rariny sy ny hitsiny dia tsy hoe izay voafaritry ny lalàna no hampiarina fahatany fa fanapahan-kevitra voalanjalanja... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy atao noho ny lamaody fa amin'ny antony lalina sy fototra (fahasoavana, fiombonana, finoana). Tsy maintsy mitandrina amin'ny fahamarinam-pampianarana sy manaja ny fomban-drazana masina ; ny Eglizy no mitahiry ny lova-panahy, tahirin-kevitra voahangona manaja ny lalàna. Alohan'ny hanavaozana dia atao ny fandalinana maro lafy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...