Alahady 23 novambra 2025 : Alahady faha-34 mandavantaona — D — Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao. I Kristy Mpanjaka hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra. Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Mifarana anio ny taona litorjika ho an'ny Fiangonana ary hisantatra taona vaovao manomboka amin'ny alahady 30 novambra 2025, alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo. Ny fanjakan'i Jesoa dia miavaka satria izy no Mpanjakan'ny aina, Mpanjakan'i fahamarinana, Mpanjakan'ny fiadanana sy ny famindram-po, ary Mpanjakan'ny fitiavana...

♦ Naneho hevitra manoloana ny filazana amin'ny fananany birao eny an-dapa i Hajo Andrianainarivelo, filoha nasiônalin'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga... ♦ Efa misy sahady ireo diso fanantenana amin'izao dingana ataon'ireo mpitondra ao anatin'ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara izao ankehitriny, hoy ny TAFITA... ♦ Tsy fiaraha-miasa fotsiny fa fiaraha-mientana mihitsy no takiana amin'ireo hery fiarovana mba hahatontosany ny asany araka ny tokony ho izy, hoy ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Mihoara ny 200 ireo olona nisy naka an-keriny tao amin'ny sekoly katôlika iray ao afovoan'i Nigeria...

♦ Nampahafantatra ny olom-pirenena rehetra ny Ministeran'ny Fitsaràna fa nisy fisavana tsy ara-dalàna tao amin'ny tranon'ny Ben'ny tanàna teo aloha tao Ambohibao Antehiroka, omaly... ♦ Voafidin'ireo solombavambahoaka hisolotena ny Antenimieram-pirenena ao amin'ny CENI Andriamatoa Rakotonarivo Thierry, izay efa filoha lefitra teo aloha tao amin'ity vaomiera ity... ♦ Mijanona ho mpampiantrano fotsiny i Madagasikara mandritra ilay fihaonana an-tampon'ny SADC, hotanterahina amin'ny herinandro, handinihina ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza... ♦ Mahatratra 89 isa ireo sivily maty novonoin'ny Vondrona ADF, tany atsinanan'i RDC...

Ny fiketrahana Masina irery no manana fahefana faratampony amin'ny fandaminana, fanovana Litorjia. Ny Eveka afaka manova araka izay lalàna manan-kery, izay voarakitra ao amin'ireo tahirin-kevitra maro misy eo amin'ny Eglizy. Omena fahefana ihany ko any CEM amin'ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana. Ny fanavaozana dia atao amin'ny fahefana ara-kanônika... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...