23 febroary — I Polycarpe dia eveka tao Smyrne nandritra ny taona maro ary maty martiry. Niaina teo anelanelan'ny taona 80 hatramin'ny taona 167 izy. Ny tantarany no tranainy indrindra aorian'ny tantaran'i Masindahy Étienne raha ireo martiry no resahana ary ny fety fahatsiarovana azy no vaninandro nankalazaina voalohany fahiny.

Ilaina ny mivavaka ka mivavaha lalandava, mivavaha am-paharetana. Hoy ny Papa François hoe  : aza maka fomba ratsy toy ny hoe tsy mivavaka raha tsy misy zava-dehibe hatrehina. Ny toe-tsaina tokony hanana rehefa mivavaka dia mitalaho, mangataka, midinika, mamerimberina, manam-paharetana, tsy kivy ary manantena lalandava. Rehefa mivavaka dia ataovy tsotra... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Alahady faha-7 mandavantaona — D : Soavy ireo tsy tia antsika ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao. Ny tenin'Andriamanitra amin'ity alahady ity dia samy mampianatra ny soa hatao amin'ireo tsy tia, fitiavana ny fahavalo, fitiava-namana, famindram-po, ny fanaovantsoa... Ny olombelona dia antsoin'Andriamanitra ho amin'ny fibebahana, ny famindram-pon'Andriamanitra no mankahery antsika ary io no nahatonga antsika ho zanany. Toetra mampiavaka ny kristianina ny tsy famaliana ratsy ny hafa, fa kosa mba hivavaka sy hanao soa ny fahavalo...

  • Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara : Mampatsiahy fa ho an'ny tombontsoam-bahoaka sy hampisitrahana ny zo fototry ny olom-pirenena hahazo vaovao marina, voamarina sy marolafy no antom-pisian'ny asa fanaovan-gazety...
  • Fanafihana mitam-piadiana nisesisesy tao Antananarivo renivohitra : 5 isa ny jiolahy maty voatifitry ny pôlisy, 4 isa azo sambo-belona nahitàna vehivavy miisa 2, ary mbola misy karohina...
  • Atomboka amin'ity taona ity ny fanamboarana ny ampahany amin'ny RN-13, miainga eo Ikalamainty-Ihosy mihazo an'i Betroka, 100 miliara Ariary avy amin'ny Fanjakàna Malagasy no hanamboarana izany...
  • Mpianatra miisa 12 no namoy ny ainy nandritra ny fifandonana teo amin'ny fiara nitondra azy ireo sy ny fiara vaventy iray tany Sao Paulo any Atsimo-Atsinanan'i Bresil...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...