21 febroary — I Masindahy Pierre Damien dia teraka tao Ravenne tamin'ny taona 1007, izy no farany indrindra amin'ireo zanaky ny ray aman-dreniny. Fianakaviana sahirana sy mahantra no nipoirany.

Tao Getsemania sy teo ambony hazofijaliana no niharihary sy tonga lafatra ny vavak'i Jesoa dia ilay ady sy tolona nataony : nanoloana ny fanoherana ny fakam-panahy, ny fanekena ny sitrapon'ny Ray, ny fihaonany tanteraka amin'ny Ray. Nitolona i Jesoa na osa aza ny nofony, nivavaka tsy nitsahatra i Jesoa ary nandresy, natoky an'Andriamanitra i Jesoa... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

• Nilaza ho tsy mahafantatra mazava ny antony nanagiazana ny foiben'ny antoko HVM eny Andraharo, Andriamatoa Alain Désiré, Sekretera jeneralin'ny antoko... • Manamafy ny fahaiza-manaony amin'ny fandrindrana ny ady atao amin'ireo loza ara-tontolo iainana i Madagasikara. Nifarana androany teny Ankorondrano rehefa naharitra efarana ny fiofanana IMS 300... • Miandry fatratra ny fihaonana iarahana amin'ny Ben'ny Tanana vaovao, Harilala Ramanantsoa, ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny SMKAR...

  • Isan'ny lasibatry ny tondra-drano vokatry ny rotsak'orana teto an-drenivohitra ny teny Ankorondrano sy ny manodidina. Nitondra fanampiana ho azy ireo ny Solombavambahoaka voafidy Gasikara Fenosoa...
  • Homarihana any Mahajanga Faritr'i Boeny ny 4 hatramin'ny 8 marsa ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy...
  • Nahatontosa ny fambolen-kazo iraisana ny tao amin'ny Diôsezin'Antsiranana. Zanakazo 7.000 fototra no novolena tao Anivorano-Avaratra, Distrikan'Antsiranana-II...
  • Manao rano lava ny firariantsoa sy ny vavaka ho an'ny fahasalaman'ny Papa François mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny Hopitaly GEMELLI. Hatramin'ny mpino avy amin'ny Eglizy Anglikanina miombom-po sy mivavaka ho an'izay fahasalaman'ny Papa izay...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...