9 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

♦ Tontosa androany ny famindram-pitantanana teo amin'ny Tale Jeneraly mpisolo toerana teo aloha tao amin'ny CNaPS, Ramatoa Tsaboto Joslina sy ny Tale Jeneraly vaovao... ♦ Nanoratra taratasy any amin'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoran'afo, ny fikambanan'ireo mpitatitra misehatra amin'ny akoran'afo na ny APTH. Nitaraina noho ny tsy fanajan'ny orinasa JIRAMA ny anjara andraikiny amin'ny fandoavana ny volan'izy ireo... ♦ Vonona ary sahy hifaninana amin'ny fifidianana ho avy eo, ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina...

♦ Tany Toamasina omaly no notanterahina ny filan-kevitry ny Governemanta. Ministra 22 isa no niatrika izany, miaraka amin'ny Praiministra. Efa nisy ny fivoriana niarahan'izy ireo tamin'ny tompon'andraikitry ny Faritra Atsinanana, nialohan'izay... ♦ Mitsipaka fiaraha-mitantana ny Loholona Tsiebo Mahaleo, mpomba ny fitondràna, amin'izao mialoha ny fifidianana izao. Hiteraka krisy pôlitika anefa ny fizirizirin'ny mpitondra sy ny mpanohitra amin'ny heviny, hoy kosa ny antoko Fiombonana... ♦ Mpanao gazety iray indray no nisy nikasa hamono omaly hariva. Nisy nidaroka tamin'ny "bois rond" teny Andranomena izy, rehefa nirava avy niasa. Tranga faharoa nahazo ny mpanao gazety tato anatin'ny herinandro izao niseho izao...

Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 31, 1-8)

Mahereza ianao, ry Jôsoe, ary aoka hatanjaka tsara fa ianao no hampiditra itý vahoaka itý any amin’ny tany nampanantenaina.

Niainga i Môizy,
ary hoy ny teniny tamin’ny vahoakan’i Israely rehetra:

“Efa roapolo amby zato taona androany aho izao,
ka tsy afaka mivoaka sy miditra intsony,
ary ny Tompo efa nilaza tamiko hoe:

Tsy hita an’io Jordany io ianao.

Ny Tompo Andriamanitrao no hita eo alohanao.
Izy no handringana ireo firenena ireo eo anoloanao,
ka dia hahazo azy ireo ianao.
I Jôsoe no hita eo alohanao, araka ny voalazan’ny Tompo.
Toy ny nataon’ny Tompo tamin’i Sehôna sy Oga,
mpanjakan’ny Amôreana, izay naringany mbamin’ny taniny,
no hataony amin’ireo koa.
Hatolotry ny Tompo aminareo izy,
ka ataovy araka ny lalàna rehetra nandidiako anareo.
Mahereza ary matanjaha tsara,
fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory,
satria ny Tompo Andriamanitrao no miara-mandeha aminao,
tsy hahafoy anao Izy na handao anao.”

Dia nantsoin’i Môizy i Jôsoe, ka hoy izy taminy,
teo anatrehan’i Israely rehetra:

“Mahereza ary matanjaha tsara,
fa ianao no hiditra miaraka amin’itý vahoaka itý,
any amin’ny tany efa nianianan’ny Tompo tamin’ny razany homena azy ireo;
ary ianao no hampanana azy ireo izany.
Fa ny Tompo no handeha eo alohanao,
Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy,
ka aza matahotra na mivadi-po ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Det. 32, 3-4a. 7. 8. 9. sy 12

Ny vahoakany no zaran’ny Tompo.

Ny Anaran’Izy Tompo no antsoiko,
hobio ny fiandrianan’Andriamanitra.
Fa Izy Vatolampy soa ny asany.
He rariny izay lalana soritany.

Tsarovy irony andro fahagola re.
Todiho ireny taona nifanaraka.
Resaho ny rainareo fa hatorony,
resaho koa ny Ntaolo fa hambarany.

Ilay Avo raha nanao ny firenena:
nizara ny taranak’olombelona,
nametra ny vahoaka isan-tokony
manaraka ny fokon’i Israely.

Ny lova ho Azy Tompo dia ny olony,
Jakôba nofidiny ho anjara lovany.
Ny Tompo no hany afaka mitsimbina.
Tsy manana andriamani-kafa ny olony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.
Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 1-5. 10. 12-14)

Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:

“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”

Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa
ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo
ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany,
na iza na iza hanetry tena tahaka itý zazakely itý,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka itý amin’ny Anarako,
dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona
na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo
fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo,
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy,
dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy
noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa,
tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...