♦ Miantso ireo rehetra manam-baovao momba ny raharaha Tricha sy Raissa ny Brigade Criminelle mba hanome vaovao azy ireo, anio alarobia 14 mey no hiakatra fampanohavana eny amin'ny Fitsaràna Anosy ny raharaha Raissa...♦ Vita sonia omaly teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa SAHOFIKA. Ivon-toerana lehibe hamokatra herinaratra 192 MW ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo... ♦ Nomelohin'ny Fitsaràna tao Paris, sazy miantona 18 volana ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika malaza Frantsay Gérard Depardieu, noho ny resaka herisetra ara-nofo...
14 mey — I Matthias dia ilay mpianatra nofidiana hasolo an'i Jodasy, ho isan'ny apôstôly, ny Asan'ny Apôstôly 1, 15-26 no mitantara ny fomba nifidianana azy io, taorian'ny niakaran'i Jesoa tany an-danitra.
♦ Notemorin'ny mpitandro filaminana maro dia maro androany ny teo anoloan'ny lapan'ny tanàna Analakely. Olona 40 teo ho eo anefa no nametraka fehezam-boninkazo teny an-toerana nahatsiarovana ireo maty vokatry ny tolom-bahoaka ny 13 mey 1972... ♦ Velaran-tany aman'arivony Hektara no bodoan'olom-bitsy ao amin'ny faritra afovoany misy ny faritr'alan'ny Orinasam-panjakàna Fanalamanga... ♦ Mametraka ho zava-dehibe ny fitazomana ny fifandraisana amin'ny vahoaka sy ireo tompon'andraikitra eny ifotony hametrahana fandriam-pahalemana maharitra ny Polisim-pirenena...
♦ Feno 53 taona katroka androany ny raharaha 13 mey 1972. Mby aiza ny firenena, taorian'ny hetsi-bahoaka tamin'izany, izay nampirodana ny Repoblika Voalohany... ♦ Tokantrano 2.500.000 isa no kendrena ho voarakitra anatin'ny Rejisitra ara-tsôsialy tokana amin'ity taona 2025 ity... ♦ Hampiantrano fanintelona misesy ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika eo amin'ny taranja Rugby à 15, sokajy vehivavy i Madagasikara. Hotanterahana ny volana Jona izao izany, hoy ny Filohan'ny Federasiôna... ♦ Nisy ny tatitra nivoaka momba ny fianjeran'ilay fiaramanidina MH17 avy eny amin'ny habakabak'i Ukraine, tamin'ny taona 2024...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco