Vakiteny voalohany

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 11, 19a ; 12, 1-6ab. 10ab)

Nisy vehivavy nitafy masoandro ary ny volana no teo an-tongony.

Novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra
ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena.
Nony inona,
nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra,
dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro,
ny volana no teo an-tongony,
kintana roa ambin’ny folo no satro-boninahitra teny an-dohany.
Bevohoka izy sady nihetsi-jaza,
ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana.
Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra,
dia Dràgona mena lehibe anankiray nitranga tampoka,
fito ny lohany, folo ny tandrony,
ary satro-boninahitra fito no teny an-dohany.
Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra
ka nazerany tamin’ny tany.
Dia nijoro teo anoloan-dravehivavy hiteraka izy,
mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.
Tera-dahy Ravehivavy,
ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by,
ka nakarina ho any amin’Andriamanitra
eo anilan’ny seza fiandrianany.
Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra,
fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy.
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe:

“Ankehitriny dia an’Andriamanitra
ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana;
an’i Kristy koa ny fahefana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 44, 10bd-11. 12ab. 16

Andriambavy mihaingo amin’ny volamena no indro mijoro ankavananao.

Misy zanaka mpanjaka:
andriambavy iray no eo ankavananao
mirenty volamena avy any Ofîra.

Mihainoa, razazavavy, mampandria sofina:
ny taninao sy ny fianakavianao hadinoy.
Ny Mpanjaka mankatelina ny bikanao.

Iondreho izy fa tomponao,
mandrosoa an-kafaliana sy haravoana,
ary dia midira ao an-dapanao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 15, 20-26b)

I Kristy no santatra, vao izay ny an’i Kristy.

Ry kristianina havana,
efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy,
ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;
satria olona iray no niavian’ny fahafatesana
ka dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona;
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama
no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy,
fa manaraka ny laharany avy:
i Kristy no santatra,
vao izay ny an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
Rehefa afaka izany, tonga ny farany,
dia rahatrizay hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana,
rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.
Satria tsy maintsy manjaka Izy
ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony.
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nampiakarina any an-danitra i Maria,
ka mifaly ny tafiky ny Anjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena.

Tamin’izany andro izany,
dia niainga i Maria nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria,
ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao
no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino
fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy.”

Ary hoy i Maria:

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizy vaviny.
Fa indro hatramin’izao
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany,
sady amin’izay matahotra Azy,
hatramin’ny taranaka fara mandimby, ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy:
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodìny mitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama
sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 10, 12-22)

Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny koa ianareo.

Niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:

“Ary ankehitriny, ry Israely,
inona moa no angatahin’ny Tompo Andriamanitrao aminao
afa-tsy ny mba hatahoranao ny Tompo Andriamanitrao,
amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra,
sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao ny Tompo Andriamanitrao
amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;
ary amin’ny fitandremanao ny didin’ny Tompo sy ny lalàny izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao?
Jereo fa an’ny Tompo Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra,
ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy.
Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’ny Tompo ho tiany;
ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo,
no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra,
araka izao hitanareo anio izao

Koa forao ny fonareo,
ary aza henjanina intsony ny hatokareo.
Ny Tompo Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra,
Tompon’ny tompo,
Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra,
tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly,
fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena;
tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.
Tiavo ny vahiny,
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.
Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy, miraiketa aminy,
ary ny Anarany no ataovy fianianana.
Fa Izy no reharehanao, Izy no Andriamanitrao,
izay nanao ho anao ireo zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonao.
Ny isan’ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo
fa ianao kosa ankehitriny,
dia efa nataon’ny Tompo Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto.
Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina!

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)

Hovonoin’izy ireo Izy, nefa hitsangan-ko velona. — Afaka amin’ny hetra ny zanany.

Tamin’izany andro izany,
raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona,
ary hovonoina Izy,
nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.”

Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo,
dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa,
ka nanao hoe:

“Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?”

Dia hoy i Piera:

“Mandoa Izy.”

Ary raha niditra tao an-trano izy,
dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe:

“Ahoana ny hevitrao, ry Simôna?
Iza moa no angalan’ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia,
ny zanany sa ny olon-kafa?”

Hoy i Piera taminy:

“Ny olon-kafa.”

Dia hoy i Jesoa:

“Raha izany àry, dia afaka ny zanany.
Kanefa sao manafintohina azy isika,
ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao,
dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany,
fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao,
dia aloavy ho Ahy sy ho anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mbola tsy nahazo ny rejisi-pifidianana nasiônaly efa notakiany tamin'ny CENI, tamin'ny herinandro teo, ny antoko Malagasy Miara-Miainga hatramin'izao. Nanazava ny momba izao fitakiana amin'ny CENI izao ity antoko ity, omaly... ♦ Nampitandrina ny mpiasam-panjakàna ny ministry ny asa sy ny asam-panjakàna amin'ny tsy tokony hanaovan'izy ireo fampielezan-kevitra amin'izao fotoana mialohan'ny fifidianana filoham-pirenena izao... ♦ Mbola mitohy ny fampiharana ny "Oniversite maty" eny Ankatso. Miankina amin'ny filan-kevitry ny governemanta manokana amin'ity herinandro ity ny ho avin'ny anjerimanontolo, hoy ny SECES Sampana Antananarivo...

Ny asa dia fanomezam-boninahitra. Namotika ny fahamendehan'ny asa ny vola satria miseho amin'ny endrika famonoana olona. Ny asa no nahatonga ny fisian'ny vola, lasa navadiky ny olona zava-misy ka zary fehezin'ny fisian'ny vola ny asa, izay tsy mandeha araka ny tokony ho izy ; anefa efa voalaza ny hoe : "katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra dia omena anao ny ambiny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...