♦ Tontosa androany teny amin'ny lapam-panjakàna Mahazoarivo ny famindram-pahefana sy fitantanana teo amin'ny Praiministra vaovao Mamintiana Rajaonarison sy ny Praiministra teo aloha Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Hanomboka amin'ity herinandro ity ny asa fanomanana ny fanapariahana ireo fitaovana hanatanterahana ny fisoratana anarana biômetrika manerana ny nosy. Nahomby ny andrana natao tao amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano... ♦Mbola miparitaka eran-tany ny vokatra tsy azo antoka, misy hosoka ka mampihena fahatokisan'ny mpanjifa hoy ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna...
♦ Andriamatoa Rajaonarison Mamitiana no nosafidian'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ho Praiministra handimby an'Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo. Isan'ny iraka hotanterahiny ny fampivondronana ny ankolafin-kery rehetra eto amin'ny nosy... ♦ Tsy tokony hisy intsony ny fanakianana izay ho Praiministra vaotendry hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny sabotsy teo. Nitaky fifampidinihana amin'ny fanendrena izay ho Praiministra voavao ny antoko TIM... ♦ Very olomanga roa i Madagasikara. Nodimandry ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola teo aloha ; nindaosin'ny fahafatesana ihany koa Dezy Ramasy, kintan'ny baolina kitra...
--- Marihana isaky ny 15 Mars, isan-taona, ny andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa. Tanjona kendrena amin’izany ny hanandratana ny zo fototry ny mpanjifa, ny fiantohana azy, ny vaovao tokony ho sitrahany ary ny safidiny. "Vokatra azo antoka, mpanjifa feno fahatokiana", izay no lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Isan-taona, ankalazaina mitety faritra ary amin’ny fomba manetriketrika, ity andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa ity eto amintsika. Tamin’ny herintaona, ohatra, ny tao Antsirabe renivohitr’i Vakinakaratra, no nandray izany...
Alahady 15 martsa 2026. Taona A - Alahady faha-4 Karemy : Ny finoana an’i Kristy no fahazavana vaovao - Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana. Tsy voatery ho sazy na famaizan'Andriamanitra noho ny fahotana natao ny aretina na kilema na ny fijalina manjoa ny olombelona fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra ao aminy. Tsy hain'Andriamanitra ny mahary ny ratsy na ny fahafatesana fa ny manao ny tsara sy ny mamelona ihany no hainy ; porofon'ny fiahian'Andriamanitra ny olombelona ny nanomezany ny zanany hamonjy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco