Betsaka ny mpanimba ny fanabeazana sy ny fitaizana ; mila mitaiza ny fo amin'ny alalan'ny vavaka ny rehetra na inona na inona finoany. Mila beazina amin'ny fahaiza-mitia ny tsirairay, mitia ny tena sy ny hafa, mitia ny tontolo manodidina. Miainga amin'ny fitaizana ao an-tokantrano sy ny any an-tsekoly ary ny eny amin'ny fiaraha-monina ny fanabeazana. Ny fitaizana sy ny fanabeazana dia fototra lehibe afahana mampandroso ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny Gaudium Et Spes dia foto-pampianarana pastoraly, navoakan'ny Konsily Vatikana-II, tamin'ny taona 1965, miresaka ny fiangonana manoloana ny vanin'andro ankehitriny, mampiseho ny fifandraisan'ny Fiangonana sy izao tontolo izao. Ny hafalian'ny olona sy ny fanantenany, ny alahelony dia hafalian'ny mpianatr'i Kristy no fanantenany ary alahelony ihany koa ... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Alahady 22 martsa 2026 - Alahady faha-5 - Taona A Karemy - I Kristy no fiainana sy fananganana ho velona. Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izay mino Ahy. Ny isa "efatra" dia manambara izao tontolo izao : ny avaratra sy atsimo, ny atsinanana sy ny andrefana ; mba hanehoan'Andriamanitra ny voninahiny ary mba handresen'Andriamanitra Zanaka an'izao tontolo izao no nananganany an'i Lazara. Izay naterak'Andriamanitra dia maharesy an'izao tontolo izao. Mamakivaky izao karemy izao isika ka miezaka mandresy ny fahotana fa izany no fandresena an'izao tontolo izao...
♦ Mitaky ny hamerenana ny fifidianana tany Amparafaravola ny kandidà ben'ny tanàna sady filohan'ny KMT, Kômity Miaro ny Tolona any an-toerana... ♦ Tsy hisy hahazo tombontsoa amin'ny hisian'ny korontana sy krizy pôlitika intsony eto Madagasikara hoy ny antoko RPMU, vondron'ny tia tanindrazana Malagasy tafaray... ♦ Hampiantrano ny andiany voalohany amin'ny kongresy momba ny nify aty amin'ny Ranomasimbe Indiana (C.D.O.I) i Madagasikara ny 30-31 oktobra ho avy izao... ♦ Hampihena tsikelikely ny fanafihana an'i Iran i Etazonia, raha ny nambaran'ny filoha Amerikana Donald Trump, tamin'ny tambazotra Truth...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco