• Tafakatra 16 ireo maty, vokatry ny fahapozinana ara-tsakafo tany Ambositra. Tsy fifanandrifian-javatra fa mety avy amina sakafo iray no nahatonga ny fahapozinana nitranga tato ho ato, hoy ny mpahay fiaraha-monina, Lanto Ratsida... • Nidina 200 Ariary isaky ny litatra ny vidin'ny solika fampiasa amin'ny fiara eto Madagasikara ho an'ity volana jolay ity. Sarotsarotra ny fahitana gasoil amin'ny toerana sasany eto Antananarivo. Nanazava izany ny eo anivon'ny OMH... • Lehilahy Kaomoriana iray, miampy vehivavy Malagasy iray no tratra saika hanondrana sifaka an-tsokosoko. Natao anaty valizy ireo varika ireo, nokasaina entina any Dubaï tamin'ny sidin'ny kaompania Emirates...
Tamin'ny taona 1600 dia nisy zanaka vavin'ny mpanjaka tao Faradofay no nalain'ireo Frantsay ka noentiny tany La Réunion, niaraka tamin'ny olona 10isa, izay 7 lahy sy 3 vavy. Tamin'ny alalan'ny fanondranan'olona no nampifandray ny Nosy La Réunio sy Madagasikara voalohany tamin'ny alalan'ireo Frantsay, nahondrana ho andevo ny Malagasy tamin'izany andro izany ka ny fambolena Kafe no asa nampanaovina azy ireo. Maro ireo toerana ao amin'io nosy rahavavy io no mitondra anarana amin'ny teny malagasy : Mahafaty, Tampon(y). Ireo vanim-potoana ireo dia endrika niampitan'ny fomba amam-panao Malagasy any amin'ireo nosy rahavavy...
• Mbola tsy nisy fehin-kevitra ofisialy tapaka tamin'ny dinika faharoa momba ireo “Îles éparses”, tany Paris omaly. Nisy teboka vitsivitsy kosa nifaneken'i Frantsa sy i Madagasikara... • Mbola mandinika ny fampiharana ilay hetra 20 % amin'ny zana-bola alaina amin'ny fisamboram-bola any amin'ny banky, ny Governemanta hatramin'izao... • Nesorina tampoka tamin'ny toerany ny Ben'ny Tanana ao Bekopaka, Distrikan'Antsalova, Faritra Melaky, efa-bolana taty aoriana. Niakatra eto Antananarivo ny solontenan'ny fokonolona, tsy manaiky izao fanapahan-kevitra izao...
Maro ireo Sakramenta mamelona ny finoana tsy ho lefy ; miavaka indindra amin'izany ny Sakramentan'ny fanambadiana sy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ireo dia famantaram-pinoana lehibe ho an'ny Lahika. Mpanjakan'ny zava-boary ny olombelona. Ny fanompoana no lalana hanamasinan-tena ary ny fanetren-tena sy ny fandeferana no hatsaram-panahy entina mampanjaka an'i Kristy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco